2016
Mikatsaka ireo Fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy
April 2016


Mandra-pihaonantsika Indray

Mikatsaka ireo Fanomezam- pahasoavan’ny Fanahy

Avy amin’ny The Latter-day Saints Millennial Star, 23 apr. 1894, 258–61; nohavaozina ny sorabaventy sy ny mari-tsoratra.

Firy aminareo no mikatsaka ireo fanomezam-pahasoavana izay nampanantenain’Andriamanitra fa homeny ireo?

Sary
hanging lightbulbs

Sary © iStock/Thinkstock

Ny lehilahy sy vehivavy rehetra ao amin’ny Fiangonan’i Kristy dia afaka mahazo ireo fanomezam-pahasoavan’ny Fanahin’Andriamanitra izay zaraina amin’izy ireo arakaraka ny finoany sy araka ny sitrapon’Andriamanitra. …

Firy aminareo … no mikatsaka ireo fanomezam-pahasoavana izay nampanantenain’Andriamanitra fa homeny ireo? Firy aminareo, rehefa miondrika eo anatrehan’ny Rainareo any an-danitra miaraka amin’ny fianakavianareo ianareo na any amin’ny toerana mitokana anareo manokana, no mangataka ireo fanomezam-pahasoavana ireo mba homena anareo? Firy aminareo no mangataka amin’ny Ray, amin’ny anaran’i Jesoa, mba haneho ny tenany aminareo amin’ny alalan’ireo hery sy fanomezam-pahasoavana ireo? Sa ve ianareo miaina isan’andro isan’andro fotsiny toy ny varavarana mihodinkodina amin’ny saviliny, ka tsy mahatsapa na inona na inona momba izany lohahevitra izany, sy tsy mampihatra izay mba mety ho finoana ananana fa mionona fotsiny hoe vita batisa sy mpikamban’ny Fiangonana dia mijanona eo, ka mieritreritra hoe efa azo antoka ny famonjena anareo satria nanao izany ianareo? …

… Fantatro fa vonona ny hanasitrana ny marary Andriamanitra ary vonona ny hanome ny fanomezam-pahasoavana mba hamantatra ireo fanahy, ny fanomezam-pahasoavana mba ho hendry sy hanam-pahalalana ary mba haminany, ary ireo fanomezam-pahasoavana hafa izay mety ilaina Izy. Raha misy manana tsy fahalavorariana amintsika dia andraikitsika ny mivavaka mba hahazo izay fanomezam-pahasoavana hahatonga antsika ho tonga lafatra. Moa ve aho manana tsy fahalavorariana? Tena feno azy ireny aho. Inona no andraikitro? Mivavaka amin’Andriamanitra mba homeny fanomezam-pahasoavana izay hanitsy ireo tsy fahalavorariako ireo. Raha toa aho ka olona mora tezitra dia andraikitro ny mivavaka mba hanana fitiavana izay mahari-po sady mora fanahy. Moa ve aho mpitsiriritra? Andraikitro ny mikatsaka ny fitiavana izay tsy mitsiriritra. Dia torak’izany no atao ho an’ireo fanomezam-pahasoavan’ny filazantsara rehetra. Natao ho amin’izany tanjona izany izy ireo. Tsy misy olona afaka miteny hoe, “Tsy vitako ny mifehy tena tsy manao izany satria efa toetra voajanahary ato amiko izany.” Tsy manana ny rariny izy raha mikasika izany ka izay no antony nampanantenain’Andriamanitra fa hanome hery Izy hanitsiana ireny zavatra ireny ary hanome fanomezam-pahasoavana izy hanesorana ireny zavatra ireny. Raha misy olona tsy manam-pahendrena, dia andraikiny ny mangataka fahendrena amin’Andriamanitra. Mitovy amin’izany ny zavatra hafa rehetra. Izany no lamin’Andriamanitra mahakasika ny Fiangonany. Tiany ny Olomasiny mba ho lavorary ao anatin’ny fahamarinana. Noho izany antony izany no hanomezany an’ireo fanomezam-pahasoavana ireo sy handrotsahany izany eo amin’izay mikatsaka izany mba hahatonga azy ireo ho olona lavorary eto ambonin’ny tany, na inona na inona ireo fahalemeny maro, satria nampanantena Andriamanitra fa hanome fanomezam-pahasoavana izay ilaina ho an’ny fahalavorarian’izy ireo.