2016
Fotoana ho an’ny misiônera zokiolona
April 2016


Fotoana an’ny misiônera zokiolona

Ny iray amin’ ireo fomba tsara indrindra hanorenan’ireo mpivady zokiolona fahatsiarovana goavana dia ny fiarahana manao asa fitoriana.

Sary
senior missionary couple

Rehefa manadino zavatra ireo namanay izay 60 na 70 taona dia matetika no antsoinay amim-panihaniana hoe “fotoana an’ny zokiolona” ilay fotoana kely tsy hahatadidiavana zavatra. Saingy te hiresaka momba ny karazana fotoana an’ny zokiolona iray hafa aho—fotoana iray tena goavana tokoa ka haharitra mandrakizay ny fahatsiarovana izany. Izany dia ny fotoana ahafantaran’ireo misiônera mpivady zokiolona manao asa fitoriana fa manao izay asain’ny Tompo ataony tokoa izy ireo. Amin’ny fotoana tsy hay hadinoina toy izany dia fantatr’izy ireo fa:

  • Manana traikefa azo nandritra ny fiainana hozaraina izy ireo, ary talenta, sy fahaiza-manao, ary fahatakarana ny filazantsara izay azony ampiasaina mba hitahiana ny hafa.

  • Fitahiana ho an’ireo zanany sy ny zanaky ny zanany ny ohatra asehon’izy ireo.

  • Manorina finamanana maharitra izy ireo rehefa manompo.

  • Mihamatanjaka isan’andro ny fanambadian’izy ireo.

  • Mamy ny fanompoana amin’ny Anarany.

Fotoana fanatanterahana

Ry mpivady zokiolona namako isany, tokony hiezaka ny hiaina fotoana toy izany ny ankamaroanareo. Saintsaino ilay tantara izay nolazain’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo momba ny zavatra afaka nataon’ny mpivady zokiolona iray izay nanompo tany Chili. Nodimandry ny iray tamin’ireo ray aman-drenin’ny iray tamin’ireo misiônera tanora. Tena lavitra tokoa ny nisy ny filohan’ny misiôna ka tsy afaka nandeha faingana tany amin’ilay misiônera izy.

“Nisy misiônera mpivady zokiolona mahafinaritra [matotra] anefa nanompo tao amin’ilay faritra,” hoy ny Loholona Holland. “Tonga sy niara-nipetraka tamin’izany misiônera izany izy ireo ka nikarakara sy nankahery azy tamim-pitiavana mandra-pahafahan’ilay filohan’ny misiôna nifandray mivantana taminy. Nanana misiônera tanora mahafinaritra izahay tao amin’ireo misiônanay, saingy tsy nisy misiônera tanora na iray aza afaka nanao ny zavatra azon’izany mpivady izany natao tamin’izany misiônera izany.”1

Ny fahaiza-manao nasehon’izy ireo tamin’izay fotoana izay dia ny mitondra fangorahana tsotra tamin’ny fotoana nanahirana iray. Tsy niahiahy momba izay fahaizana miteny fiteny hafa ankoatra ny fitenin’ny fitiavana araka an’i Kristy izy ireo. Tsy niahiahy mikasika ny tsy fahafahana manatrika ny tsingerintaona nahaterahan’ny zafikely iray na ny fitsofandrano ny zaza iray izy ireo, na dia manan-danja tokoa aza ireo fotoana ireo. Niahiahy momba ny hahatongavana any amin’ny toerana hahafahan’ny Tompo mampiasa azy ireo mba hitahy ny fiainan’ny iray amin’ireo zanany izy ireo. Ary satria vonona izy ireo dia afaka namela azy ireo hisolo tena Azy Izy.

Mahalana izany hoe mora ny fanompoana

Ny marina dia tsy misy misiônera zokiolona mahita fa mora ny mandao ny tokantrano. Nahita izany koa i Joseph Smith, Brigham Young, John Taylor, sy Wilford Woodruff. Nanana zanaka sy zafikely ihany koa izy ireo, ary tiany ny fianakaviany tahaka ny hitiavantsika ny antsika. Tian’izy ireo ihany koa anefa ny Tompo ary naniry hanompo Azy izy ireo. Mety hahita ireo olo-manga ireo izay nanampy tamin’ny fanorenana ity fotoampitantanana ity isika indray andro any. Ary rehefa mahita azy ireo isika dia ho faly fa tsy nisitrisitrika tamin’ny fotoana tokony hanompoantsika.

Ny sasany mety ho tia kokoa ny manompo fa mipetraka any an-trano ihany. Rehefa tapaka lalan-drà i Aase Schumacher Nelson (tsy mpihavana) ka tsy afa-miala eo ambony seza misy kodiarana dia natahotra izy sao tsy ho tanteraka ilay faniriany hatry ny ela mba handeha hanao asa fitoriana miaraka amin’ny vadiny. Dia niresaka tamin’izy ireo momba ny fanaovany asa fanompoana ato amin’ny Fiangonana ao amin’ny trano fitehirizan’ny eveka ny mpifanolobodirindrina iray. Rehefa nahazo fankaherezana izy ireo dia niresaka tamin’ny tompon’andraikitra iray tao amin’ilay toerana, dia nameno ny taratasy fanolorana azy ireo, ary voantso hanompo roa andro isan-kerinandro ao amin’ny trano fitehirizana akaikin’ny tranon’izy ireo.

“Mora ny maka aina dia mieritreritra fotsiny hoe, ‘Tsy ilaina intsony aho e!’” hoy i Aase Nelson. “Saingy tsapako izao fa ilaina aho. Ary fijoroana ho vavolombelona ho ahy izany.”

Tena ilaina tokoa ianareo

Raha toa ka halaim-panahy ianareo hihevitra ho tsy ilaina dia avelao aho hanome toky anareo indray fa ilaina ianareo. Tsy misy filohan’ny misiôna ato amin’ny Fiangonana ka tsy maniry ny hanana mpivady fanampiny hanompo ao amin’ny misiônany. Manome tanjaka ireo misiônera tanora lahy sy vavy ireo zokiolona. Manolotra fanohanana izay manampy ny hafa hanompo tsara kokoa ao amin’ny andraikiny manokana izy ireo. Ary azonareo alaina sary an-tsaina ve ny dikan’izany ho an’ny mpitarika iray izay vao mpikambana nandritra ny taona vitsivitsy ka afaka mahazo ny fanampian’ireo mpikambana efa tranainy toy izany? Matetika no valim-bavaka ara-bakiteny ho an’ireo eveka sy filohan’ny sampana ny mpivady zokiolona.

Mamporisika ireo filohan’ny misiôna izahay mba hitady mpivady hanampy amin’ny zavatra ilain’izy ireo ao amin’ny misiônany. Tokony hitady mpivady izay afaka hanompo ireo eveka. Ny LDS.org dia mitanisa ireo fahafahana manompo maro dia maro ho an’ireo mpivady zokiolona. Fa ny manan-danja indrindra dia azon’ireo mpivady atao ny mandohalika ka manontany ny Ray any An-danitra raha toa ka izao no fotoana tsara indrindra ho azy ireo hiarahana manompo. Ao anatin’ireo fepetra takina rehetra dia ny faniriana hanompo no mety zavatra manan-danja indrindra (jereo ny F&F 4:3).

Eto am-panindrahindrako ny asan’ireo misiônera zokiolona dia fantatro fa maro ireo izay te hanompo kanefa tsy afaka manao izany. Mendrika fanombantombanana mifanaraka amin’ny zava-misy ireo famerana ateraky ny taona sy ny tsy fahasalamana, ary tokony ho izany koa ny mikasika ireo zavatra manan-danja ilain’ny olona ao amin’ny fianakaviana. Rehefa miredareda ao anaty ny faniriana kanefa misy ny famerana toy izany dia afaka ny ho tananareo sy tongotrareo ny hafa, ary afaka manolotra ny vola ilaina amin’izany ianareo.

Ry mpivady zokiolona, na iza ianareo na iza ary na aiza na aiza misy anareo, mivavaha momba izany fahafahana manompo izany mba hiarahana mamorona fotoana mahafinaritra an’ny misiônera zokiolona. Hanampy anareo hahafantatra ny zavatra azonareo atao ny Ray any An-danitra.

Fanamarihana

  1. Jeffrey R. Holland tao amin’ny Joseph Walker: “Elder Jeffrey Holland: LDS Church Desperately Needs More Senior Missionaries,” Deseret News, 14 sept. 2011, 3.