2016
Ny Fisoronana: Vatofantsika azo antoka
April 2016


Fianarana filazantsara

Ny Fisoronana: Vatofantsika azo antoka

Ity lahatsoratra ity dia nomanin’ny Loholona L. Tom Perry mba hozaraina amin’ireo tanora mpihazona ny fisoronana tamin’ny 28 mey 2015, roa andro talohan’ny nahafatesany.

Sary
Aaronic Priesthood members passing the sacrament

Ny hery lehibe indrindra teo amin’ny fiainako dia ny fisoronan’Andriamanitra. Mino aho fa ho vatofantsika azo antoka ho anareo zatovolahy ihany koa izany. Kanefa mba hananan’izany hery eo amin’ny fiainanareo dia mila mahatakatra sy mampiasa izany ianareo.

Zavatra niainana momba ny fisoronana fony mbola kely

Lehibe tao anatin’ny tontolon’ny fiadanam-piainana tao Logan, Utah aho. Tsy nanana olana mikasika ny sakafo na ny trano fialofana na ny fianarana aho tamin’ny fahazazako. Saingy angamba noho ny hamoran’ny fiainana dia nila nifikitra tamin’ny zavatra izay tsy hampihozongozona ahy aho.

Ny fisoronan’Andriamanitra izany vatofantsika izany ho ahy. Niaina tao anatin’ny toe-javatra tsy nahazatra aho tamin’ny fotoana nitomboako. Nantsoina ho eveka ny raiko tamin’izaho herintaona, ka evekako nandritra ny 19 taona izy. Ny fitarihany tamin’ny maha-ray azy sy ny fitarihany ara-panahy dia fanampiana goavana ho ahy.

Heveriko fa izay no tena antony naniriako fatratra ny handray ny Fisoronana Aharôna rehefa feno 12 taona katroka aho. Tsaroako ilay andro niavaka izay nahatsapako ny tanan’ny raiko teo ambony lohako teo am-panendreny ahy. Taorian’izay dia niakatra tao amin’ireo anjara fanompoan’ny Fisoronana Aharôna aho ka nahazo antso maromaro izay tena nankafiziko.

Fotoana tena niavaka ho ahy ny nizara ny fanasan’ny Tompo. Afaka mahita ireo olona manolo-tena ny hankatò ny Tompo sy hitandrina ny didiny ianao rehefa mandray ny tandindon’ny vatany sy ny rany izy ireo.

Mivoatra amin’ny fahatakarana ny fisoronana

Rehefa nandeha ny fotoana dia nahavita ny fianarako tao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa aho, ary taorian’ny nahavitako taona iray tao amin’ny oniversite dia nantsoina hanao asa fitoriana aho. Nankafiziko ny minitra tsirairay tamin’izany ary tiako ny mpiara-mitory tamiko. Nanome hery lehibe ho ahy ny iray tamin’izy ireo. Nianatra zavatra maro avy taminy aho rehefa nanatanteraka ny andraikitray izahay.

Koa satria tao anatin’ny ady ny fireneko dia nirotsaka tao amin’ny Vondron-tafika an-dranomasin’i Etazonia aho rehefa nahavita ny asa fitoriana nataoko. Rehefa tapitra ilay ady dia niverina tany amin’ny oniversite aho, nanambady, ary nanangana fianakaviana. Nitondra ahy tany amin’ny toerana maro manerana an’i Etazonia ny fiovana asa nisesisesy, ary nianatra zavatra maro tao amin’ireo toerana ireo aho rehefa nanompo tamin’ireo antso maro tao amin’ny fisoronana. Nifindra tao Boston, Massachusetts aho nony farany, ary filohan’ny tsatòka tao ny tenako. Tao aho no nantsoina ho mpanampy ny Roambinifololahy, ary avy eo, rehefa afaka 17 volana, dia nantsoina ho ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo.

Ireo lesona nianarako avy amin’ny maha-Apôstôly ahy

Inona no nianarako avy amin’ny maha-mpikambana ahy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo?

Nianatra aho fa misy mpitarika sy vatofantsika ary fiarovana ao amin’ny fisoronana.

Efa nisy hatrizay ny fisoronana. Efa nanana ny fisoronana i Adama talohan’ny nahatongavany teto an-tany. Rehefa niparitaka naneran-tany niaraka tamin’ny fisoronana ny taranak’i Adama dia nanjary nilaina ny fandaminana ny fomba hitantanana ny fisoronana. Nandamina ny fisoronana ny Tompo tamin’ny alalan’ny fiantsoana an’i Abrahama hiahy ireo mpihazona ny fisoronana tao amin’ny fianakaviany. Io fandaminana io dia nitohy teo ambany fitarihan’i Isaka sy i Jakoba, izay niova hoe Isiraely ny anarany taty aoriana.

Taonjato maro taty aoriana dia tafalatsaka tao anatin’ny fahababoana ny zanak’Isiraely. Naniraka an’i Mosesy ny Tompo hanafaka azy ireo, saingy rehefa nanao izany izy dia nampiseho izy rehetra fa tsy vonona ny handray ny Fisoronana Melkizedeka. Koa dia ny Fisoronana Aharôna no nomen’Andriamanitra azy ireo mandra-pahatongan’ny fotoan’ny Mpamonjy.

Tena mahaliana ahy ny zavatra nataon’ny Mpamonjy voalohany rehefa nanomboka ny asa fanompoany Izy. Nandamina ny Fisoronana Melkizedeka Izy. Niantso Apôstôly roa ambin’ny folo izy dia nampianatra azy ireo ireo lalàna sy ny lamin’ny fisoronana. Niantso an’i Petera Izy mba ho Apôstôly mpitarika ary nametraka fitohizam-pahefana tao amin’ny Fiangonany. Tamin’izany fotoana izany sy amin’izao fotoana izao dia i Jesoa Kristy no mifidy ny Apôstôly mpitarika mba hiahy ny Fiangonana, ary ny Mpamonjy no mitarika azy amin’ireo adidiny ao amin’ny fisoronana.

Noho izany ny fisoronana dia mitohy mivantana avy amin’ny Tompo sy Mpamonjy antsika amin’ny alalan’ny Apôstôly zokiny mankany amin’ireo Apôstôly hafa ary mitohy mankany amin’ireo olona hafa mpihazona ny fisoronana ao amin’ny Fiangonana. Omena ireo fanalahidin’ny fahefana ireo Apôstôly ka raha mbola eto an-tany ireo fanalahidy ireo dia hotarihin’ny Tompo mivantana isika. Io fitarihana avy amin’Andriamanitra io dia miaro antsika sy manome antoka antsika fa tsy hiovaova amin’ny fahamarinana ny Fiangonana. Hijanona ho marina izany satria tsy tarihin’iza na iza eto an-tany. Ny Tompo no mitarika izany.

Ianaro ireo fotopampianaran’ny fisoronana

Ny torohevitra manan-danja indrindra tiako homena anareo ry zatovolahy dia ny handalina ireo fotopampianaran’ny fisoronana, ny hahatakatra ny hery izay anananareo amin’ny fampiasanareo ny fisoronana anananareo, ary ny hianatra ny fomba ahafahan’izany mitahy ny fiainanareo sy ny fiainan’ny hafa.

Mampanantena aho fa raha mianatra ireo fotopampianaran’ny fisoronana ianareo ary manatanteraka ireo adidinareo ao amin’ny fisoronana dia ho vatofantsika azo antoka ho anareo ny fisoronana izay hiaro anareo eo amin’ny ara-panahy sy hitondra fifaliana lehibe ho anareo. Aoka ianareo ho kôlejin’ny fisoronana tena mahatoky. Atony ireo namanareo dia ento ho ao amin’ny kôlejy misy anareo. Mamorona firahalahiana ao amin’ny kôlejinareo mba ho fototra maharitra eo amin’ny fiainanareo.