2016
Ampianaro hamaky ny Bokin’i Môrmôna izy ireo
April 2016


Ny Feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Ampianaro hamaky ny Bokin’i Môrmôna izy ireo

Emilien Rioux, Québec, Canada

Nandritra ny fanompoanay tao amin’ny Misiônan’i Genève ao Suisse dia nantsoina sy natokana ho filohan’ny sampana aho, ary ny vadiko dia nantsoina ho filohan’ny Fikambanana Ifanampiana. Niara-niasa tamin’ny herinay rehetra izahay mba hanatanjahana indray ilay sampana nisedra olana. Na dia naorina tamin’ny taona 60 aza ilay sampana dia tsy nahitana batisa nandritra ny taona maro tao ary tsy nandefa misiônera tany amin’ny sahan’ny misiôna nandritra ny 15 taona ilay sampana.

Hita nazava fa nila ny fanampian’ny Tompo izahay mba hitady vahaolana tamin’ireo zava-tsarotra maro nolalovan’ilay sampana. Rehefa avy nivavaka mikasika ireo olana natrehan’ilay sampana aho dia nilaza tamiko ny Fanahin’ny Tompo hoe: “Ampianaro mamaky ny Bokin’i Môrmôna ireo mpikambana, dia hahomby ianao.”

Nanao drafitra avy hatrany izahay mba hanoloran’ny mpikambana rehetra tena hanomboka hamaky ny Bokin’i Môrmôna.

Vokatra maro mahatalanjona no azo taorian’izay. Niverina tao amin’ilay sampana ny fiadanana sy ny Fanahy. Nisy fianakaviana vaovao maro niditra ho mpikamban’ny Fiangonana. Rehefa nentanin’ny faniriana hanompo ny zatovolahy iray dia nandeha nanao asa fitoriana. Lasa natanjaka ireo fanambadiana nisedra olana ary lasa nifanakaiky bebe kokoa ireo fianakaviana. Mbola mandroso hatrany io sampana io amin’izao fotoana izao.

Izahay sy ireo mpikambana tao amin’ilay sampana dia nahita maso ny fiasan’ny hery mahagagan’ny Bokin’i Môrmôna. Tena vato ifaharan’ny fivavahantsika sy ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ny filazantsara sy i Jesoa Kristy tokoa izany. Tianay amin’ny fonay rehetra ny Bokin’i Môrmôna. Loharanon’ny fahalalana tsy misy fiafarana sy tsy miovaova izany.

Ity zavatra niainana ity dia nampianatra anay fa ny Bokin’i Môrmôna no fomba azo antoka indrindra hanampiana ireo rahalahintsika sy anabavintsika hiala ao anatin’ny aloky ny haizina ara-panahy izay mandrakotra ny tany. Ity boky ity dia mitondra fiadanana, fifaliana, fahasambarana, ary faniriana mahery vaika mba hanaraka an’i Jesoa Kristy Mpamonjy.