2016
Manaraka ny mpaminany sy ny apôstôly
April 2016


Manaraka ny mpaminany sy ny apôstôly

Sary
following prophets and apostles

Miantso mpaminany sy apôstôly Andriamanitra mba hampianatra antsika ny zavatra tian’Andriamanitra ho fantatsika. Afaka mamaky momba ireo mpaminany tahaka an’i Noa, i Nefia, sy i Joseph Smith ary ireo apôstôly tahaka an’i Petera sy Paoly isika ao anatin’ny soratra masina. Manana mpaminany sy apôstôly isika amin’izao fotoana izao!

Inona no atao hoe “mpaminany sy mpahita ary mpanambara”?

Ny mpaminany dia mitondra teny avy amin’Andriamanitra.

Ny mpahita dia afaka mahafantatra ny lasa sy ny ankehitriny ary ny hoavy.

Ny mpanambara dia manambara (na mampiseho) amintsika ny sitrapon’Andriamanitra.

  • Ireo mpikambana ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia samy mpaminany, mpahita ary mpanambara avokoa. Torak’izany koa ireo Apôstôly rehetra.

  • Ny Filohan’ny Fiangonana irery ihany no manana fahefana avy amin’Andriamanitra hitarika ny Fiangonana iray manontolo.

  • Firy raha atambatra ny isan’ny mpaminany sy mpahita ary mpanambara velona ananantsika?

12 15 3 1

Valiny: 15

Nahoana no zava-dehibe ny manaraka ny mpaminany?

Ny mpaminany dia tahaka ny olona iray miambina eny amin’ny tilikambo (jereo koa ny pejy 38). Afaka mahita ny loza mananontanona ary milaza amintsika ny fomba atao mba ho voaro izy. Manampy antsika hanaraka an’i Jesoa Kristy izy.

Inona no nangatahan’ny mpaminanintsika mba hataontsika?

Ny Filoha Thomas S. Monson no mpaminanintsika amin’izao fotoana izao. Ireto misy zavatra vitsivitsy nangatahiny mba hataontsika?

  • Manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa sy mitia ny olona rehetra.

  • Mandoa ny fahafolonkarena ary mandrotsaka anjara biriky ao amin’ny kitapom-bola ho an’ny asa fitoriana.

  • Manalavitra ireo zavatra ratsy hita any amin’ny sarimihetsika sy fahitalavitra ary fitaovan-tserasera hafa.

  • Mametraka sarina tempoly any amin’ny efitrano fandriana rehetra.

  • Mandalina ireo lahateny natao nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany.

  • Mamangy ireo zokiolona ary maneho ny maha-mpifanolobodirindrina tsara toetra.

Mifidiana zavatra iray azonao atao amin’ity volana ity avy ao amin’io lisitra io. Inona no hataonao?