2016
Aza mitifitra
April 2016


Ny Feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Aza mitifitra!

Tsy nambara ny anarana

Sary
police officer on a bridge

Nipetraka tao anatin’ny fiaran’ny pôlisy nentinay izaho sy i Bob, niandriandry ny filazana momba izay mety ho fihetsiketsehana nisy teny amin’ny arabe. Nanomboka ny fanaraha-maso tamim-pitandremana nataonay izahay adiny roa talohan’izay rehefa avy nahatsikaritra ilay fiara voalazan’ny fanairana avy amin’ny radiô an’ny pôlisy.

“Misy fanafihana mitam-basy mitranga amin’izao fotoana izao,” hoy ilay fanairana. “Lehilahy roa samy mitam-basy. Vao hita tao anaty fiara mivolom-boasary izy ireo. Nilaza ireo vavolombelona fa mahery setra ireo lehilahy ireo ary vonona ny hitifitra.”

Vao haingana no nisy fanafihana mitam-basy teo amin’ilay faritra, kanefa na dia teo aza ny fanaovanay izay azonay natao rehetra, dia tafatsoaka hatrany ireo mpangalatra. Nitsahatra tsy nieritreritra izany intsony aho raha vantany vao nahita ireo olona roa nivoaka ny tokantrano iray teo amin’ilay lalana maizina dia niditra haingana tao anatin’ilay fiara mivolom-boasary. Namily fiara nizotra nankany aminay izy ireo.

“Mangataka mpitandro filaminana hafa aho hanampy ahy,” hoy aho tamin’ny radiô. “Lasa nandeha nianavaratra miala eto amin’ny misy anay ireo mpangalatra ahiahiana.”

Nandeha nisongona ilay fiara ireo pôlisy roa mpitsikilo nanao fitafy sivily izay nirahina hanampy anay. Rehefa tafiditra teo amin’ny tetezana iray ireo fiaranay miisa telo dia nijanona tampoka nitsivalana teo ambonin’ilay tetezana teo alohan’ilay fiara volom-boasary ireo pôlisy mpanampy anay ary izahay dia nijanona taorian’ilay izy, tsy namela ireo olona nahiahianay ho mpangalatra hivoaka. Nijanona avy hatrany ilay fiara ka nilentika tao anaty fiara mba tsy ho tazanay ireo olona roa.

“Mivoaha ny fiara dia ataovy ambony loha ny tananareo!” Hoy aho nanome baiko rehefa avy nivoaka ny fiarako. Tsy nisy namaly.

“Rehefa voafahana ny basiko ary efa vonona ny hitifitra aho dia nandidy indray hoe: “Mivoaha ny fiara dia ataovy ambony loha ny tananareo!” Izao dia izao!

Tampoka teo dia niarina tao ilay mpamily ka nitodika tany amiko. Nahatazana zavatra nanjelatra toy ny metaly teny an-tanany aho.

Nilaza tamiko ny fiofanana azoko tao amin’ny pôlisy sy ny feon’ny fieritreretako fa tokony hisintona ny fihatsim-basy aho mba hanavotako ny aiko. Saingy na dia henjana tokoa aza ny toe-javatra nisy tamin’izany dia nahare feo aho. Tony ilay izy kanefa sady feno fahefana no nahery vaika: Aza mitifitra!”

Efa niandry aho hoe tsy maintsy hisy hitifitra ahy eo, kanefa niandry olona iray avy tao amin’ilay fiara aho mba hitifitra voalohany. Tsy izay anefa no niseho fa nanangana ny tanany ilay mpamily, nanangana teo ambony lohany ny zavatra iray miendrika basy, dia nampidina ny tanany teo amin’ny feny.

“Aza mihetsika na dia kely aza!” Hoy aho rehefa nihazakazaka nankeny amin’ilay fiara aho. Aza mihetsika!”

Toy ireny fandaharana amin’ny fahitalavitra ireny izany fotoana izany—mandra-pahitako fa ireo izay noheveriko fa jiolahy loza be tao anaty fiara dia tovovavy roa tena raiki-tahotra raha ny tena izy. Ilay noheveriko fa basy dia vy fanidina ny fehikibo fiarovana amin’ny loza ihany.

Vetivety dia fantatray fa nampindramin’ireo zazavavy ireo ny olon-tiany ilay fiara. Tsy fantatr’izy ireo velively hoe lehilahy manao ahoana izy ireo.

“Nataoko fa maty ianao ry Cal!” Hoy i Bob tamiko taoriana kelin’izay. “Efa saika nitifitra aho. Tsy fantatro izay antony tsy nitifirako.”

Izany koa no nolazain’ireo mpitsikilo roa tao amin’ilay fiaran’olon-tsotra, na dia tsy nisy nahare ilay feo afa-tsy izaho irery aza. Fantatro fa ny herin’ny lanitra ihany no afaka namonjy ireo zazavavy roa ireo tsy ho faty ary nanakana pôlisy efatra tsy hanao fahadisoana mampivarahontsana. Nanome ahy fahalalana azo antoka io zavatra niainana io fa afaka miditra an-tsehatra ary hiditra an-tsehatra mba ho tombotsoantsika ny Raintsika any An-danitra.