2016
Fanovozan-kevitra ho an’ny takarivan’ny mpianakavy
April 2016


Fanovozan-kevitra ho an’ny takarivan’ny mpianakavy

Ity laharana ity dia ahitana lahatsoratra sy zavatra atao azo ampiasaina mandritra ny takarivan’ny mpianakavy. Ity manaraka ity misy ohatra anankiray.

Sary
family on a bench

“Na dia saro-kenatra aza ianao,” pejy 60: Azonao ampiasaina ny takarivan’ny mpianakavy ataonareo mba hizarana ny filazantsara! Ifanakalozy hevitra miaraka amin’ny fianakaviana ireo tahotra izay mahatonga ny fizarana ny filazantsara ho sarotra aminareo. Afaka manao vavaky ny mpianakavy ianareo mba hanampian’ny Tompo anareo hanana fahatokian-tena amin’ny fizarana ny filazantsara ary aorian’izay dia miaraha mivavaka mikasika ny olona izay azonareo asaina hanatrika takarivan’ny mpianakavy. Asao ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana mba hanao fijoroana ho vavolombelona mandritra ny lesona. Azonao atao ny misafidy ny hampianatra lesona mikasika ny Famerenana amin’ny laoniny na ny drafitry ny famonjena. Soraty ao amin’ny diarinareo ny zavatra niainanareo.