2016
Zanakavavin’ny Raintsika Mandrakizay
April 2016


Hafatra ho an’ny Famangiana Isan-tokantrano

Zanakavavin’ny Raintsika Mandrakizay

Halalino ombam-bavaka ity hafatra ity ary katsaho ny hahafantarana izay tokony hozaraina. Ahoana no hahafahan’ny fahatakarana ilay fanambarana “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’ Izao Tontolo Izao” hampitombo ny finoanao an’ Andriamanitra sy hitahiana ireo olona izay iandraiketanao amin’ny alalan’ny famangiana isan-tokantrano? Ho fanampim-pahalalana bebe kokoa dia tsidiho ny reliefsociety.lds.org.

Sary
Fitomboky ny Fikambanana Ifanampiana

Finoana, Fianakaviana, Fanampiana

Sary
elderly woman

Mampianatra antsika ny soratra masina hoe: “terak’Andriamanitra isika” (Asan’ny Apostoly 17:29). Nantsoin’Andriamanitra hoe “zanako vavy” i Emma Smith, vadin’ny Mpaminany Joseph Smith (F&F 25:1). Ny fanambarana ho an’ny fianakaviana dia mampianatra antsika fa isika tsirairay dia “fanahy zanakalahy sy zanakavavy malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra.”1

“Tany amin’ny fanjakana [talohan’ny nahaterahana], dia nianatra ny tena maha-izy antsika vehivavy isika,” hoy i Carole M. Stephens, mpanolotsaina voalohany ao amin’ny fiadidian’ny Fikambanana Ifanampiana maneran-tany.

“Tsy nampiova ireo fahamarinana ireo ny diantsika hiaina eto an-tany.”2

“Mahafantatra ny anaranao sy ny toe-javatra iainanao ny Rainao any an-danitra,” hoy ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. “Maheno ny vavaka ataonao Izy. Fantany ny fanantenanareo sy ny nofinofinareo ary ao anatin’izany koa ny tahotrareo sy ny fahadisoam-panantenanareo.”3

“Ao anatin’ny fianakavian’Andriamanitra isika tsirairay ary ilaina ao isika,” hoy ny Rahavavy Stephens. “Tsy mitovy daholo ny fianakaviana eto ambonin’ny tany. Ary rehefa manao ny tsara indrindra azontsika atao isika mba hananganana fianakaviana matanjaka dia tsy miankina amin’ny fifandraisana hafa ananantsika—ara-panambadiana, amin’ny maha-ray aman-dreny, ara-bola, ara-piarahamonina, eny na ireo karazana fari-piainana asehontsika ao amin’ny tambazotra ifaneraserana aza ny maha-mpikambana ao amin’ny fianakavian’Andriamanitra.”4

Soratra masina fanampiny

Jereo ny Jeremia 1:5; Romana 8:16; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:23-24

Avy amin’ny tantarantsika

Ny Mpaminany Joseph Smith tao amin’ny fitantarany ny Fahitana Voalohany,5 dia nanamafy fahamarinana maro—tafiditra ao anatin’izany ny hoe fantatry ny Raintsika any an-danitra ny anarantsika.

Sahirana ny zatovolahy Joseph namantatra izay fiangonana tokony hidirana saingy nahita fitarihana tao anatin’ny Jakoba 1:5 izy. Nanapa-kevitra i Joseph fa hanontany an’Andriamanitra.

Indray marain’ny lohataona iray tamin’ny 1820, dia nandeha tany anaty ala kely izy mba hivavaka saingy tonga dia voagejan’ny ny herin’ny maizina. Toy izao no nosoratany mikasika izany:

“Tamin’izay fotoam-pahatairana lehibe izay no nahitako andrim-pahazavana teo ambonin’ny lohako indrindra mihoatra ny famirapiratan’ny masoandro nidina tsikelikely teo amboniko.

“Raha vantany vao niseho izany dia hitako fa nafahana tamin’ny fahavaloko izay efa nihazona ahy aho. Rehefa nijanona teo amboniko ilay hazavana dia nahita Olona roa aho izay mihoatra ny famaritana rehetra ny famirapiratany sy ny voninahiny nijoro nitsingevaheva teo amboniko. Niteny tamiko ny anankiray Taminy, niantso ahy tamin’ny anarako sady nanondro ilay anankiray no nanao hoe—Ity no Zanako Malalako. Henoy Izy!” (Joseph Smith—Tantara1:16–17).

Fanamarihana

  1. “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’ Izao Tontolo Izao,” Liahona, nôv 2010, 129.

  2. Carole M.Stephens, “Avy amin’Andriamanitra ny fianakaviana,” Liahona, mey 2015, 11.

  3. Jeffrey R. Holland, “To Young Women,” Liahona, nôv. 2005, 28.

  4. Carole M. Stephens, “Avy amin’Andriamanitra ny fianakaviana,” 11.

  5. Jereo ny Gospel Topics, “First Vision Accounts,” topics.lds.org.