2016
Loholona Ronald A. Rasband: mpitarika manan-talenta sy raim-pianakaviana feno fanolorantena
April 2016


Loholona Ronald A. Rasband: mpitarika manan-talenta sy raim-pianakaviana feno fanolorantena

Sary
Elder Rasband

Sary nahazoana lalana avy amin’ny fianakaviana Rasband, afa-tsy izay nasiana fanamarihana

Tsy mbola nisalasala mihitsy i Ron Rasband ny amin’ny hanaovany asa fitoriana amin’ny fotoana feno. Ny hany fanontaniana nananan’ity tovolahy 19 taona ity rehefa nanokatra ny taratasy fiantsoana azy hanao asa fitoriana dia ny hoe aiza izy no hanompo.

“Nandeha nanao asa fitoriana tany Alemana ny dadako. Nandeha nanao asa fitoriana tany Alemana ny zokiko lahy. Nandeha nanao asa fitoriana tany Alemana ilay ho zaodahiko,” hoy izy nitantara. “Noheveriko fa handeha tany Alemana aho.”

Saingy nanana drafitra hafa ny Tompo. Nantsoina ho any amin’ny Misiônan’ny Vondrom-pirenena Atsinanana kosa izy, izay tao New York City, Etazonia no nisy ny foibeny. Noho izy diso fanantenana dia nentiny tao amin’ny efitra fatoriany ilay taratasy fiantsoana azy, dia nandohalika teo akaikin’ny fandriany izy, ka nivavaka, nanokatra ny soratra masiny tao amin’izay sendra azy fotsiny dia nanomboka namaky:

“Indro ka jereo, manana vahoaka betsaka Aho eto amin’ity toerana ity, eo amin’ny faritra manodidina; ary varavarana mahomby no hovohana eo amin’ny faritra manodidina amin’ity tany atsinanana ity.

“Koa Izaho Tompo, dia efa namela anareo ho tonga eto amin’ity toerana ity; satria nilaina tao Amiko izany ho famonjena ireo olona” (F&F 100:3–4; nampiana fanamafisana).

Nanamafy tamin’i Ron avy hatrany ny Fanahy Masina fa tsy diso velively ny fiantsoana azy hanompo tany amin’ny Misiônan’ny Vondrom-pirenena Atsinanana.

“Niala avy tamin’ny fahadisoam-panantenana aho dia nahazo ny voalohany tamin’ireo fitaomam-panahy maro tamin’ny alalan’ny soratra masina izay nilaza fa tany no toerana tian’ny Tompo handehanako,” hoy izy nitantara. “Traikefa ara-panahy nanova ny fiainako izany.”

Ny asa fitoriana nataony tany amin’ny Vondrom-pirenena Atsinanana no voalohany tamin’ireo antso tao amin’ny Fiangonana izay nitondra azy tany amin’ny toerana izay tsy nampoiziny handehanana. Ary tamin’ny antso tsirairay—toy ny mpampianatra, eveka, mpikambana ao amin’ny filankevitra avo, filohan’ny misiôna, mpikambana tao amin’ny Fitopololahy, ary Apôstôlin’i Jesoa Kristy Tompo—ny Loholona Ronald A. Rasband dia nanaiky ny sitrapon’ny Tompo ary nanohy niantehitra tamin’ny Fanahiny rehefa nanompo ireo zanak’Andriamanitra.

Nateraky ny ray aman-dreny tsongoin’olom-bolo

Tao anatin’ny lahateniny voalohany amin’ny maha-Apôstôlin’i Jesoa Kristy azy dia naneho fankasitrahana lalina ny amin’ny razambeny ny Loholona Rasband. “Nateraky ny ray aman-dreny tsongoin’olom-bolo tao amin’ny filazantsara aho,” hoy izy, “ary ny razambeko ao anatin’ny taranaka enina mankany aoriana dia nateraky ny ray aman-dreny tsongoin’olom-bolo.”1

Sary
young Elder Rasband with parents

I Verda Anderson Rasband reniny dia mpitarika be fitiavana izay nanolokolo ny fitiavan’i Ron kely ny soratra masina. I Rulon Hawkins Rasband rainy dia mpihazona ny fisoronana mahatoky izay nampianatra tamin’ny alalan’ny ohatra nasehony ny hasin’ny asa mafy.

I Ronald A. (Anderson) Rasband, izay teraka tamin’ny 6 Febroary 1951, tao Salt Lake City, Utah, Etazonia, no zanaka tokana naterak’ireo ray aman-dreniny. Efa samy nanambady sy nisara-panambadiana izy roa teo aloha, ary i Ron dia lehibe niaraka tamin’ny zokilahy anankiroa sy zokivavy anankiray.

“Nandova ny toetoetran’ireo ray aman-dreninay izy, ka noho izany dia tia azy daholo izahay rehetra,” hoy i Nancy Schindler anabaviny. “Tsy nanaiky mihitsy i Ron raha tsy nankeo anelanelan’i Neny sy i Dada na rehefa nijoro nifanakaiky izy ireo na rehefa niara-nipetraka.”

Zazalahy nahafinaritra i Ron tamin’ny ankapobeny fa manaiky izy fa somary nanao hadalana indraindray.

“Imbetsaka ihany izay ireo mpampianatro [tao amin’ny Kilonga] no niresaka tamin’ny reniko, izay filohan’ny Kilongan’ny Tsatòka, ka nilaza hoe ‘Zaza somary mafy loha iny Ronnie Rasband iny a!’” hoy izy. “Saingy tsy nilavo lefona tamiko mihitsy izy ireo. Naneho fitiavana lehibe tamiko izy ireo ary nanasa ahy mandrakariva ny hiverina tao an-dakilasy.”2

Nifantoka tamin’ny Fiangonana ny fahazazan’i Ron—ireo fivorian’ny paroasy, ireo fety nokarakarain’ny paroasy, ireo sakafo nokarakarain’ny paroasy, ary ireo ekipa mpanao fanatanjahantenan’ny paroasy. Rehefa tsy be zavatra natao tao amin’ny trano fiangonan’ny Paroasy Voalohany tao Cottonwood izy dia nanao asa madinidinika teny, nanao ireo fiaraha-mientan’ny Skoto, ary niaraka tamin’ny namana. Tany an-trano dia nifantoka tamin’ny soratra masina, ireo kilalao ary ireo raharaha ao an-tokantrano ny fotoana niarahana tamin’ny fianakaviana.

“Nampianatra ahy ny atao hoe asa tamin’ny alalan’ny ohatra nasehony ny raiko,” hoy izy. “Nampianatra ahy momba ny asa tamin’ny alalan’ny fampanaovana izany ahy ny reniko.”

Namily fiara lehibe mpanatitra mofo ny rain’i Ron, izay nifoha tamin’ny 4 ora maraina isan’andro ary tara vao nody isan-kalina. Nijanona tao an-trano ny reniny mba hitaiza ny ankizy, ary nanampy ny fidiram-bolan’ny fianakaviana tamin’ny fanaovana sy ny fivarotana saribakoly vita tamin’ny bakoly sy nitafy akanjo misy kitaditady.

Ny fahaizana ara-boajanahary nananan’i Ron mba hitarika sy hizara andraikitra ary hamita ireo asa—izay hanampy azy amin’ireo andraikiny arak’asa sy amin’ny fitarihana ara-pivavahana—dia tena nilainy fony izy mbola kely.

“Nomena andraikitra hanapaka ny bozaka i Ron,” hoy ny anabaviny nitantara. Kanefa i Ron dia nahita fomba handresen-dahatra ireo namany hanampy azy tahaka ny nataon’i Tom Sawyer an’i Mark Twain.

“Rehefa nijery tany an-tokotany aho dia ilay namany akaiky indrindra no hitako nanapaka ny bozaka teo amin’ny toerany,” hoy i Nancy. “Ny herinandro manaraka dia ny iray hafa tamin’ireo namany no nanapaka ny bozaka. Nipetraka teo amin’ny lavarangana anoloan’ny trano fotsiny izy dia nihomehy sy nisangisangy tamin’izy ireo teo am-panaovan’izy ireo ny asany.”

Nanana olana ara-bola ny ray aman-drenin’i Ron, saingy nanana ny filazantsara ilay fianakaviana. “Tsy mbola nanam-bola be izany mihitsy izahay,” hoy i Ron araka ny fitadidiany, “kanefa tsy nisy fiantraikany teo amin’ny fahasambarako mihitsy izany.”

Ireo namana sy mpitarika azo nitokisana

Tao anatin’ny fotoana nitomboan’i Ron dia voatahy izy fa nanana namana tsara sy mpitarika ao amin’ny fisoronana izay azo nitokisana, anisan’izany ny filohan’ny tsatòkany nandritra ny 14 taona fony izy zazalahikely—i James E. Faust (1920–2007), izay nanompo tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo sy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany taorian’izay. Nanana fifandraisana akaiky tamin’ny Filoha Faust sy ny fianakaviany ny fianakavian’i Ron. “Nantsoiny hoe iray tamin’ireo zazalahiny tao Cottonwood foana aho satria nanampy tamin’ny fitaizana ahy izy,” hoy izy.

Tsy nanam-potoana hanaovana fanatanjahantena tany an-tsekoly i Ron rehefa tonga tao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa satria niasa foana izy, kanefa nitady fotoana izy mba hanorenana finamanana feno fahatokiana izay naharitra nandritra ny fiainany.

“Nahasondriana ahy foana i Ron noho ny maha-izy azy, kanefa tsy tonga lafatra izy,” hoy i Kraig McCleary izay namany tamin’ny fahazazany. Nampiany tamim-pitsikiana hoe: “Nilaza taminy aho fa raha tonga any an-danitra izy dia ho tonga any koa aho satria nitovy ihany ny zavatra nataonay rehefa nihalehibe izahay.”

Nanomboka ny asa fitoriany i Ron tamin’ny fiandohan’ny taona 1970, fa i Kraig kosa dia nieritreritra ny hanemotra ny asa fitoriana ho ataony mandra-pahavitan’ny vanim-potoana fihazana amin’ny fararano. Tamin’izay i Ron no niantso azy avy any amin’ny misiôna nisy azy.

“Tsy fantatro ny fomba nahazoany lalana hiantso an-telefaonina, fa namelively ahy izy noho izaho tsy nientanentana firy momba ny fandehanana avy hatrany hanao ny asa fitoriako,” hoy Rahalahy McCleary. “Mazava ho azy fa tsy nanemotra izany aho.”

Antsoin’i Ron hoe traikefa “mampitolagaga” ny asa fitoriana nataony. “Nomen’ny Tompo traikefa maro mahagaga sy nampitombo finoana aho,” hoy izy. “Nanana fiantraikany lehibe teo amin’ny fiainako ara-panahy ny asa fitoriana nataoko.”

Nandany ny ampahany tamin’ny asa fitoriany tao amin’ireo nosy Bermuda i Ron. Ireo “misiônera tena nankatò” ihany no nalefan’i Harold Nephi Wilkinson, filohan’ny misiônany tany satria indraindray ihany izy vao afaka nitsidika azy ireo.

“Nitoka-monina tanteraka izahay, saingy tsy nila niahiahy ny aminay ny filohan’ny misiôna,” hoy i Ron nitantara. “Novitainay ny asa fitoriana.”

Ilay “zazavavy lavorary” tao Delta Phi

Rehefa vita ny asa fitoriany tamin’ny taona 1972, dia nahita asa i Ron, nisoratra anarana tao amin’ny Oniversite an’i Utah tamin’izay fararano izay, ary niditra tao amin’ny fikambanana Delta Phi Kappa, izay vondrom-pirahalahiana ho an’ireo misiônera nahavita asa fitoriana. Nandritra ireo asa ara-piarahamonina nataon’ilay fikambanana dia tsy sarotra ho azy ny nahatsikaritra zatovovavy iray nahasarika nantsoina hoe Melanie Twitchell. Iray tamin’ireo voafidy ho “zazavavy lavorary” tao amin’ny Delta Phi i Melanie, izay nanampy tamin’ireo asa fanompoana nataon’ilay fikambanana.

Tahaka an’i Ron, i Melanie dia avy amin’ny fianakaviana Olomasin’ny Andro Farany mavitrika tokoa. Ny rainy izay manamboninahitra miaramila, sy ny reniny dia tsy namela mihitsy ny fifindra-monina matetika nataon’ny fianakavian’izy ireo ho sakana tsy hankanesana tany am-piangonana.

Talanjona tamin’ny hatsaram-panahy sy ny fahalalam-pomba ary ny fahalalan’i Ron ny filazantsara i Melanie. “Niteny anankampo aho hoe: ‘Tena lehilahy mahavariana izy ka tsy mampaninona ahy na dia tsy afaka hampiaraka aminy mihitsy aza aho. Te ho namany akaiky indrindra fotsiny aho.’”

Rehefa nihamafy ny fifandraisan’izy ireo dia nanamafy ireo fahatsapana nananany momba an’i Ron sy ny fanolorantenan’i Ron tamin’ny Tompo ny Fanahy. Vetivety ny finamanan’izy ireo dia nandrombona ho lasa ilay nantsoin’i Melanie hoe “fifandraisana lavorarin’ny mpifankatia toy ireny tantaram-pitiavana ao anaty boky ireny.”

Milaza ny Loholona Rasband fa namana tena nety taminy i Melanie. “Nitovy tamiko i Melanie tamin’ny fanolorantena tamin’ny filazantsara sy ny fahalalana nolovaina momba izany. Lasa mpinamana akaiky izahay, ary tamin’izay aho no nangataka azy ho vadiko.”

Sary
Rasbands wedding day

Nivady tamin’ny 4 septambra 1973 tao amin’ny tempolin’i Salt Lake izy ireo. Nanomboka tamin’izay, hoy izy, “ilay namako mandrakizay izay tsara toetra sy tia ny hafa … [dia] nanampy namolavola ahy tahaka ny tanimangan’ny mpanao vilany tanimanga nandritra ny taona maro ka nahatonga ahy ho mpianatr’i Jesoa Kristy voatefy. Manohana ahy ny fitiavany sy ny fanohanany, sy ny an’ireo zanakay 5 sy ny an’ny vadin’izy ireo avy, ary ny an’ireo zafikelinay 24.”3

“Andao handeha”

Tamin’izy filohan’ny kôlejin’ny loholona tao amin’ny paroasin’ny mpianatra manambady nisy azy dia lasa nahafantatra an’i Jon Huntsman Zokiny, izay mpikambana tao amin’ny filankevitra avo an’ilay paroasy i Ron. Talanjona avy hatrany tamin’ny fomba nitarihan’i Ron ilay kôlejy i Jon.

“Nanana fahaiza-mitarika nahavariana sy talenta tamin’ny fandaminana izy,” hoy ny Loholona Huntsman araka ny fitadidiany azy, izay Fitopololahin’ny Vondrom-paritra nanomboka tamin’ny taona 1996 ka hatramin’ny taona 2011. “Nihevitra aho hoe tsy mahazatra izany hoe misy zatovolahy mbola any amin’ny kilasy ambaratonga ambony afaka mitarika kôlejy iray toy izany.”

Nandritra ny volana maromaro dia nahita an’i Ron namadika ireo hevitra hitany ho asa i Jon rehefa nanatanteraka ireo andraikiny tao amin’ny fisoronana i Ron. Rehefa nisy toerana nisokatra ho an’ny Tompon’andraikitry ny raharaha ara-barotra tao amin’ny orinasan’i Jon—izay lasa Huntsman Chemical Corporation taty aoriana—dia nanapa-kevitra izy fa i Ron no manana ny fahaiza-manao nilainy ka dia nomeny azy ilay asa. Nanomboka tany Ohio, Etazonia ilay asa ny herinandro manaraka izay.

“Hoy aho tamin’i Melanie hoe: ‘Tsy hanapaka fianarana amin’izany aho ka hifindra trano,’” hoy i Ron nitantara. “Efa niasa nandritra ny fiainako aho mba hamita fianarana aty amin’ny sekoly ambaratonga ambony, ary efa kely sisa dia ho tratrako ny tanjoko.”

Nampahatsiahivin’i Melanie an’i Ron fa hitady asa tsara no antony handehanany any an-tsekoly.

“Inona no mampiahiahy anao?” hoy i Melanie nanontany. “Haiko ny mampirina entana dia mifindra. Nanao izay foana aho nandritra ny fiainako manontolo. Avelako hiantso ny mamanao isan-kalina ianao. Andao handeha.”

Sary
Elder Rasband with Jon Huntsman Sr

Voamarina ny fahatokian’i Jon an’i Ron. Nivoatra haingana tao amin’ilay orinasa niroborobo teo ambany fiahian’i Jon i Ron, izay lasa filoha sy tale jeneraly tamin’ny taona 1986. Nitety tany imbetsaka tokoa ho an’ilay orinasa izy—sady teo an-toerana no maneran-tany. Na dia teo aza ny fandaharam-potoany izay feno tokoa dia niezaka ny hody tany an-trano i Ron rehefa faran’ny herinandro. Ary rehefa nandeha nanao dia lavitra izy dia nitondra olona tao amin’ny fianakaviana indraindray.

“Rehefa tao an-trano izy dia nataony nahatsapa ho niavaka sy tiana ny ankizy,” hoy i Melanie. Nanatrika ny fiaraha-mientana sy ireo hetsika ara-panatanjahantena nataon’izy ireo izy isak’izay afaka. I Jenessa MacPherson, izay iray amin’ireo zanakavavy efatr’izy mivady, dia milaza fa matetika ireo andraikitry ny rainy amin’ny maha-mpitarika azy ao am-piangonana isaky ny alahady no tsy mamela azy hiara-hipetraka amin’ny fianakaviany mandritra ireo fivoriana alahady.

“Niady izahay ny amin’ny hoe iza no hipetraka eo akaikiny tao am-piangonana satria zavatra tsy fahita firy ny manana azy ao,” hoy izy. “Tadidiko ny nametrahako ny tanako tao amin’ny tanany dia nieritreritra hoe: ‘Raha mba afaka mianatra ny ho toa azy fotsiny aho dia handeha ao amin’ny lalana marina ka hanjary hitovy bebe kokoa amin’ny Mpamonjy.’ Izy foana no ilay mahery foko.”

Sary
Rasband family

I Christian, zanakalahin’izy mivady dia nitantara fahatsiarovana mamy momba ny “fotoana niarahany tamin’ny rainy.” Tsy naharitra ny fananana namana noho ny fifindran’ny fianakaviana trano matetika, hoy izy, “fa ny raiko foana no namako akaiky indrindra”—na dia namana tia mifaninana aza izy.

Na rehefa mamono baolina basket miaraka amin’i Christian, na manao kilalaon-tsaina miaraka amin’ireo zanany vavy, na manjono miaraka amin’ny fianakaviana sy ny namana, dia tia nandresy i Ron.

“Rehefa nihalehibe izahay dia tsy nisy navelany nandresy mihitsy,” hoy i Christian. “Tsy maintsy nanao izay handresena izahay, fa nahatonga anay ho tsaratsara kokoa izany. Ary mbola mitohy amin’ireo zafikeliny mahate ho tia izany fombafomba izany.”

Tao anatin’ny taona maro, ny fianakavian’i Ron dia nahita mazava tsara ny fomba nampitomboan’ny fanompoana tao amin’ny fitarihana ny Fiangonana ny fahafahany maneho fitiavana sy ny fangorahana, sy milaza ireo fahatsapana avy amin’ny Fanahy, ary mitaona ny hafa hanao izay tsara indrindra vitany. Taorian’ny nahaterahan’i Paxton, zafikelilahin’i Ron sy i Melanie dia niantehitra mafy tamin’ny tanjaka ara-panahy sy ny fanohanan’i Ron ny fianakaviana.

I Paxton, izay teraka niaraka tamin’ny fikorontanana eo amin’ny lafiny “génétique” tsy fahita firy, dia tratran’ny olana ara-pahasalamana marobe izay nisedra ny fianakaviana ara-batana, ara-pihetseham-po, ary ara-panahy. Ny Loholona Rasband dia niantso ny fotoana niainana taorian’ny nahaterahan’i Paxton hoe: “fitsapana sarotra izay nianarana lesona miavaka maro misy ifandraisany amin’ny mandrakizay.”4

Sary
Elder and Sister Rasband with grandson

Nandritra ireo telo taona fohy niainan’i Paxton teto an-tany—izay fotoana nahamaro be ireo fanontaniana napetraka fa nahavitsy kosa ny valinteny azo—dia nijoro ho toy ny loharanon-kery ara-panahy ny Loholona Rasband ka nitarika ny fianakaviany hahazo ny herin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Rehefa nambara ny antsony vaovao dia olona maro tao amin’ny fianakaviana sy namana maro no tsy gaga. “Izay tena mahafantatra azy indrindra aminay,” hoy i Christian, “dia nanangana faran’izay ambony ny tananay rehefa notohanana ho Apôstôly izy.”

“Handeha hanompo aho”

Tamin’ny taona 1995 tamin’izy 45 taona dia mbola niroborobo be tao anatin’ny asa i Ron rehefa tonga ilay antso mba ho filohan’ny misiôna tao amin’ny Misiônan’i New York Avaratra tao New York. Tahaka ireo Apôstôly fahiny, dia “nandao ny harato niaraka tamin’izay izy” (Matio 4:20).

“Tsy nila iray segondra akory aho dia nanaiky ilay antso,” hoy ny Loholona Rasband. Hoy izy tamin’ny Tompo hoe: “Raha tianao handeha hanompo aho, dia handeha hanompo aho.”

Nandritra ny nanompoany dia nampiasa lesona manan-danja azony nandritra ny asany izy manao hoe: “Manan-danja bebe kokoa noho ny zavatra hafa ny olona.”5 Noho izy nanana izany fahalalana izany sy ireo fahaiza-manaony amin’ny fitarihana efa nitombo tokoa dia vonona ny hanomboka asa fanompoana amin’ny fotoana feno ao amin’ny fanjakan’ny Tompo izy.

Sary
Elder Rasband as mission president in New York

I Ron sy i Melanie dia nahita fa ny asa fanompoana tany New York City dia sady feno fanamby no nampientanentana tokoa. Mora tamin’i Ron ny nizara andraikitra tamin’ireo misiônera—izay nitaona azy ireo ho mahatoky, ary nampianatra sy nampatanjaka ary nampahery azy ireo tao anatin’ilay dingana.

Tamin’ny taona 2000, rehefa afaka valo volana monja taorian’ny nahavitan’i Ron sy i Melanie ny asa fanompoan’izy ireo dia nantsoina ho ao amin’ny fitopololahy i Ron, ka ny fiomanany sy ny traikefany ary ireo talenta maro nananany dia nitahy ny Fiangonana tamin’izany. Tamin’izy mpikambana tao amin’ny Fitopololahy dia mpanolotsaina tao amin’ny Fiadidian’ny Vondrom-paritra Eorôpa Afovoany izy, ary nanampy tamin’ny fanaraha-maso ny asa natao tao amin’ny firenena miisa 39. Na dia efa 40 taona mahery lasa aza izy izay no niala tao amin’ny sekoly ambaratonga ambony dia mbola nijanona ho mpianatra matotra, ka nandray tsara ireo fitarihana tsy tapaka avy amin’ireo Rahalahy zokiny rehefa nanara-maso ireo Vondrom-paritra tao Andrefan’i Amerika Avaratra, Avaratra andrefana, ary ireo Vondrom-paritra telo tao Utah izy. Tale jeneraly tao amin’ny Departemantan’ny tempoly izy. Ary nanompo tao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy, ka niara-niasa akaiky tamin’ny Roambinifololahy.

Vao haingana dia nanao fanamarihana ny Loholona Rasband hoe: “Voninahitra sy tombontsoa lehibe ho ahy ny maha-kely indrindra ahy eo anivon’ny Roambinifololahy sy ny mianatra avy amin’izy ireo amin’ny fomba rehetra sy amin’ny fotoana rehetra.”6

“Fantatro ny zavatra fantatr’izy ireo”

Sary
two paintings

Ankavia farany ambony: sary nalain’i Wendy Keeler; ankavanana: Mpitory filazantsara Môrmôna, Misiônera voalohany tany Danemark, nataon’i Arnold Friberg (nalaina avy amin’ny sary hosodoko nataon’i Christen Dalsgaard, 1856); Dan Jones Awakens Wales, nataon’i Clark Kelley Price

Misy sary hosodoko roa mihantona ao amin’ny biraon’ny Loholona Rasband. Sarina misiônera Môrmôna nampianatra fianakaviana tany Danemark tao anelanelan’ny taona 1850 ka hatramin’ny taona 1859 ny iray. Ny faharoa dia sarin’i Dan Jones, misiônera tany aloha tany, izay nitory ny filazantsara teo ambony lava-drano tany amin’ireo nosy Britanika. ireo sary hosodoko (eo ambony ankavanana) dia mampahatsiahy an’ny Loholona Rasband ireo razambeny.

“Ireo mpamaky lay voalohany ireo dia nanome izay rehetra nananany mba hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy hamela lova mba ho arahin’ny taranak’izy ireo,” hoy izy nijoro ho vavolombelona.7 Ny zavatra nandrisika ireo razamben’ny Loholona Rasband handroso tao anatin’ny fahoriana sy ny fanenjehana no tena maha-lany azy indrindra amin’ny antsony vaovao: fahalalana sy fijoroana ho vavolombelona azo antoka momba ny Tompo sy ny Asany.

“Betsaka tokoa ny zavatra tokony hianarako amin’ny antsoko vaovao,” hoy izy. “Tsapako ho manetry tena ny amin’izany tokoa aho. Fa misy lafiny iray amin’ny antsoko izay azoko atao. Afaka mijoro ho vavolombelona ‘[ny amin’ny] anaran’i Kristy eran’izao tontolo izao’ aho (F&F 107:23). Velona Izy!”8

Amin’ny maha-zafiafin’ny mpamaky lay azy dia nampiany hoe: “Tsapako ny zavatra tsapan’izy ireo. “Fantatro ny zavatra fantatr’izy ireo.”9

Ary ny zavatra nantenain’izy ireo tamin’ireo taranany dia miseho eo amin’ny fiainana sy ny fampianarana ary ny asa fanompoana ataon’ny Loholona Ronald A. Rasband, izay manaraka ny ohatr’izy ireo sy manome voninahitra ny lova napetrak’izy ireo eo am-panaovany ny asany amin’ny anjara asany amin’ny maha-anisan’ireo vavolombelona manokan’ny Tompo azy.

Fanamarihana

  1. Ronald A. Rasband, “Endrey mahagaga ahy,” Liahona, nôv. 2015, 89.

  2. Ronald A. Rasband, “Friend to Friend: Golden Nuggets,” Friend, ôkt. 2002, 8.

  3. Ronald A. Rasband, “Endrey mahagaga ahy,” 89.

  4. Ronald A. Rasband, “Lesona miavaka,” Liahona, mey 2012, 80.

  5. Ronald A. Rasband, famoriana mpanao gazety, 3 ôkt. 2015.

  6. Ronald A. Rasband, testimony, Priesthood and Family Department devotional, 1 des. 2015.

  7. Ronald A. Rasband, “Endrey mahagaga ahy,” 89.

  8. RonaldARasband, testimony.

  9. Ronald A. Rasband, Pioneer Day address, Tabernacle, Salt Lake City, 24 jolay 2007.