2016
Inona no ataon’ireo apôstôly?
April 2016


Valinteny avy amin’ny Apôstôly iray

Inona no ataon’ireo apôstôly?

Nalaina avy amin’ny fampitana mivantana maneran-tany nifanatrehana tamin’ny Loholona sy Rahavavy Bednar.

Sary
what do Apostles do

Mpanompon’ny Tompo ny Apôstôly. Manao dia lavitra izy ireo mba hamangiana ireo mpikamban’ny Fiangonana manerana izao tontolo izao.

Ny fotoana voalohany nanaovako dia lavitra tamin’ny naha-Apôstôly ahy dia nifanena tamin’ny lehilahy iray aho izay nahatsapa fa sarotra ny miaina ny Tenin’ny Fahendrena. Nilaza taminy aho hoe “Naniraka ahy aty ny Tompo mba hanome anao hafatra tena tsotra: ‘Afaka manao izany ianao. Mampanantena aho fa hahazo ny fanampiany ianao rehefa miatrika io fanamby io.

Haniraka Apôstôly iray handeha lavitra be eto amin’izao tontolo izao ve ny Tompo mba hanampiana olona iray fotsiny? Ny valiny dia eny. Manao izany foana Izy.