2016
Izy ve no eveka?
April 2016


Izy ve no eveka?

Ny mpanoratra dia monina any Illinois, Etazonia.

Noho izao mpikambana malaindaina taona maro lasa izay dia tsy nino ny mpikambana iray izay nahafantatra ahy tamin’izany fotoana izany fa nantsoina ho eveka aho.

Sary
the bishop

Sary nataon’i Mark Smith © 2016

Nandritra ny fivorian’ny kômity mpanatanteraka tao amin’ny fisoronana dia nanao tatitra ireo misiônera manompo amin’ny fotoana feno fa nihaona tamin’ny mpikambana iray izay tsy hita ao amin’ny paroasy ny mombamomba azy. Fantatro avy hatrany ilay anarana ka nilaza aho fa niray paroasy nandritra ny taona maro izaho sy izy taona maro lasa izay.

Hoy ny iray tamin’ireo misiônera hoe: “Eny ry eveka, nilaza izany izy sady toa gaga ihany fa hoe ianao no eveka.”

Nanontany azy ireo aho hoe “Ahoana hoy izy?”

Nilaza izy ireo fa gaga be izy ka dia niteny hoe: “Izy ve no eveka?”

Nihomehy tokoa aho dia nanazava fa io rahavavy io dia nahafantatra hoe olona hafa mihitsy aho 30 taona lasa izay.

Rehefa nieritreritra io trangan-javatra io aho taorian’izay dia nieritreritra ny halehiben’ny fiovan’ny fiainako nandritra ireo 30 taona mahery naha-mpikambana ahy sy ny fianakaviako. Nahafantatra mpikambana maro be tao amin’ny paroasinay aho nandritra ny 20 taona naha-filohan’ny sampana sy eveka ahy, saingy tsy nisy nahafantatra ahy tamin’ny 30 taona lasa ireo mpikambana ireo. Na dia nitantara tsindraindray ireo zava-nitranga tamin’ny fiainako tany aloha aza aho mba hampianarana mikasika ny fibebahana sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia tsy mahafantatra ny ankamaroan’ny mpikambana hoe tena dingana mahatalanjona tokoa ny fiainana diaviko ato am-piangonana.

Tamin’ny volana mey 1979 no nahafantaranay sy ny fianakaviako ny Fiangonana, ka fantatro avy hatrany fa tao no tokony hisy anay. Natao batisa izahay ny volana Jona, ary navitrika avokoa izahay tamin’ny voalohany, saingy tsy ela akory dia tsy nandeha nivavaka intsony aho ka niverina tamin’ny zavatra fanaoko teo aloha. Tsy mbola tena nanana ahiahy mikasika ny fahamarinan’ny filazantsara sy ny Famerenana amin’ny laoniny izany mihitsy aho, kanefa tsy nihevitra aho fa nanana ny zavatra notakina mba ho lasa mpikambana tsara ato amin’ny Fiangonana.

Tamin’ny taona 1982, noho ny fiankinan-dohako tsy tapaka tamin’ny toaka dia nangataka ny hisaram-panambadiana ilay vadiko izay tsy mba nivadika mihitsy tamin’ny finoany. Tamin’izany fotoana izany ny fianakaviako dia nipetraka tao Oklahoma, Etazonia, saingy niverina tany Illinois, Etazonia aho, izay toerana nitaizana ahy. Efa saika namoy ny zavatra tokana izay tena nanan-danja tamiko mihitsy aho: ny fianakaviako.

Nanomboka nandohalika nivavaka maraina sy hariva tamin’Andriamanitra aho, izay tsy azoko antoka intsony hoe tena nisy na, raha nisy Izy, dia noheveriko fa efa nanadino ahy hatry ny ela. Na izany aza dia nivavaka tamim-pahatokiana aho nandritra ny telo volana. Indray maraim-be, raha mbola teo am-pivavahana mafy aho, dia nahatsapa hamaivanana lehibe tonga teo amiko ka fantatro fa velona Andriamanitra, fantany aho, ary tiany aho. Fantatro ihany koa fa tsy hisotro toaka intsony aho na dia indray mitete aza.

Tamin’io hariva io dia niantso ahy ny vadiko mba hampahafantatra ahy fa handefa aty amiko ny taratasy fisaraham-panambadiana izy mba hosoniaviko. Nandritra izany fifampiresahana izany dia niteny tampoka izy hoe “Misy fiovana be eo aminao izany. Tsy mino aho hoe mbola hisotro indray ianao, ka dia horovitiko ireto taratasy ireto.” Niverina niaraka indray izahay ka dia niteraka ny zanakay lahy fahatelo izy roa taona taorian’izay.

Mety nihevitra ny olona fa niverina ho mavitrika tanteraka tao amin’ny Fiangonana aho, saingy lehilahy mafy loha aho. Niverina vetivety aho ary nahazo antso ho mpampianatra tao amin’ny kôlejin’ny loholona mihitsy aza. Saingy vetivety aho dia nahatsapa ho tsy nahay nampianatra ka dia lasa malaindaina indray.

Tamin’ny taona 1991 dia nifindra tao amin’ny sampana kely iray izahay. Volana maromaro nialohan’ny nahafenoan’ny zanakay faralahy valo taona dia nanontany azy ny vadiko, izay filohan’ny Kilonga, hoe iza no tiany hanao ny batisany. Mazava ho azy fa ny rainy no tiany hanatanteraka ilay ôrdônansy. Nilaza taminy ny vadiko fa angamba tena tsy hisy izany. Tsy nanaiky izany valinteny izany izy ka dia nanomboka nanao ny asa fampahavitrihana ny rainy. Tsy nilavo lefona mihitsy izy ka fotoana fohy dia lasa mpitarika ny Skoto aho, ary taty aoriana dia nanao batisa sy nandray ny zanako lahy ho mpikambana aho.

Maro be ny zava-nitranga tao anatin’ireo valo volana taorian’ny niverenako ho mavitrika. Nofehezina tao amin’ny Tempolin’i Chicago Illinois ny fianakavianay, ary dia nantsoina ho mpampianatra tao amin’ny kôlejin’ny loholona indray aho, fa tamin’ity indray mitoraka ity kosa aho dia tsy nihemotra. Taorian’izay aho dia nantsoina ho mpanolotsaina tao amin’ny fiadidian’ny sampana, ary dimy volana taty aoriana dia nantsoina ho filohan’ny sampana. Iray volana teo ho eo taorian’ny nahazoako ilay antso dia tsaroako aho nieritreritra hoe: “Izaho ve no filohan’ny sampana?”

Nolazaiko tamin’ireo Olomasina maro izay nandalo fahasarotana tao anatin’ireo taona maro nifandimby fa raha afaka mivoatra ao amin’ny filazantsara aho dia afaka daholo na iza na iza. Ny ilaina amin’izany dia ny fahatakarana ny tena herin’ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany ary ny fanaovana ireo dingana ilaina mba hanatonana Azy.

Ho feno fankasitrahana mandrakizay amin’ny vady aman-janako aho ary ireo mpampianatra isan-tokantrano mahatoky, ireo mpitarika tao amin’ny kôlejy, ireo eveka, ary ireo Olomasina hafa mahatoky izay naneho ohatra tena mahafinaritra toy izany tamiko. Tombontsoa lehibe ho ahy ny nanompo ny Tompo sy ireo Olomasina nandritra izay 20 taona izay. Notahiana mihoatra izay zavatra azoko noheverina ny fiainako.