2016
Mitombina ve ireo torolalana?
April 2016


Fandinihana

Mitombina ve ireo torolalana?

Ity mpanoratra ity izay nipetraka tany Colorado, Etazonia dia nodimandry tamin’ny taona lasa.

Nandresy lahatra ahy ny dia anankiray natao tamin’ny bisikileta fa ilaina ny fijerena tsy tapaka ny sarintanin’ny lalan’ny fiainana izay an’ny Tompo.

Sary
bike riding through France

Nanao dia tamin’ny bisikileta nandehandeha tany Frantsa niaraka tamin’ny rahavaviko, sy ny zaobaviko ary ny zanany vavy aho taona maro lasa izay. Nomena torolalana amin’ny antsipiriany tao anatin’ny pejy miisa telo izahay isa-maraina ary raha arahina tanteraka izy ireo dia hitondra anay any amin’ilay toerana halehanay iny andro iny. Rehefa mandeha amin’ny bisikileta mamakivaky ireo tanimboaloboka izahay dia mety milaza aminay ireo toromarika mba “handeha 50 metatra mianavaratra, avy eo hihodina miankavia ary handeha 100 metatra.” Matetika ireo torolalana no nanome marika famantarana sy anaran’ny ireo arabe.

Indray maraina dia nidina tamin’ny lalana mahasarika iray tamin’ny bisikileta izahay saingy vetivety dia hitanay fa tsy hita tao amin’ireo torolalana nomena anay intsony ilay faritra. Haingana izahay dia very ka nanapa-kevitra ny hiverina tany amin’ilay toerana farany izay nahafantaranay fa marina ny lalana nalehanay mba hahitana raha toa ka azonay fantarina izay lalana tokony haleha.

Rehefa tonga tany izahay dia nahita araka ny nieritreretanay azy takila kely mpanoro lalana izay voamarika tao anatin’ireo torolalana nomena anay, saingy tsy hitanay. Vetivety izahay dia nanohy indray ny dia ka nampifanaraka ny fandrosoanay tamin’ireo torolalana izay hita indray fa tena mitombina.

Io zavatra niainana io dia toy ny fanoharana izay namaly fanontaniana sarotra iray nananako: Nahoana ny olona iray izay efa nanana fijoroana ho vavolombelona momba ny filazantsara no mbola mihemotra? Lasa nazava tamiko fa rehefa mandray fiolanana diso isika (fahotana) na tsy manaraka ny didin’Andriamanitra, dia tsy mitombina intsony ireo torolalana (ny tenin’Andriamanitra). Toa tsy tafiditra tao anatin’ilay sarintany intsony ilay faritra nisy anay. Raha mba tsy dia tena lasa lavitra loatra izahay dia mety ho fantatray hoe anay ny hadisoana ary mila miverina (mibebaka) izahay na manolo-tena indray hiaina araka ny nandidian’Andriamantira mba hiverenana any amin’ilay toerana izay nahafantaranay fa nanaraka ilay lalana marina izahay.

Matetika rehefa tsy mifanaraka intsony amin’izay toerana misy antsika ireo torolalana dia miahiahy mikasika ireo torolalana ireo isika. Raha hoe tokony hiverina isika dia aleontsika manome tsiny ireo torolalana sy mandà azy rehetra. Farany rehefa natsahatsika ny ezaka hahatongavana any amin’ilay toeran-kalehantsika, dia lasa very isika ary mirenireny any amin’ny lalana izay toa tena mahasarika tokoa ao anatin’ny fotoana mandalo ihany saingy tsy hitondra antsika any amin’ny lalana tokony halehantsika.

Manana fahafahana handalinana ny soratra masina isika isan’andro. Ary manana tombontsoa hijery na hihaino ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany isika isaky ny enim-bolana. Moa ve ireny tsy tokony ho fotoana hahafahantsika mijery ny sarintanin’ny lalantsika ary maka antoka fa eo amin’ny lalana izay tokony hisy antsika isika? Nahatsapa aho indray mandeha teo am-pihainoana ny fihaonambe fa na dia tsy lavorary aza isika dia afaka mahafantatra isika fa eo amin’ilay lalana marina raha toa ka mitombina tanteraka amintsika ireo torolalana azo avy ao.

Tahaka ny hitondran’ny fanarahana ny lalana marina antsika any amin’ny toeran-kalehantsika eto amin’ity fiainana ity no hanomezan’ny fandalinana ny soratra masina sy ny fanarahana ny torohevitr’ireo mpaminany velona antsika fahafahana hijery ny lalan-kizorantsika sy hanitsy izany raha ilaina, mba hahatongavantsika any amin’ilay fonenantsika selestialy amin’ny farany.