2016
Fandikana ny soratra masina: Amin’ny fitenin’ny fontsika
April 2016


Fandikana ny soratra masina: Amin’ny fitenin’ ny fontsika

Tsy tambo isaina ireo toe-javatra niseho izay naneho ny fiasan’ny tanan’ny Tompo ao anatin’ny asa fandikana ny soratra masiny.

Sary
scriptures and woman

Sarin’ireo pejin’ny Bokin’i Môrmôna amin’ny teny Japôney, Pôrtogey ary Alemana nalain’i Laura Seitz, Deseret News

Tsy vaovao amin’ireo izay efa nandray anjara tamin’ny fandikana ny soratra masina miainga amin’ny teny Anglisy mankany amin’ny fiteny hafa izany toe-javatra izany. Miverimberina miseho izany:

Nisy tovolahy Arimeniana iray izay nihazona Bokin’i Môrmôna iray nadika vao haingana tamin’ny fiteniny nanatona ny mpikambana iray tao amin’ilay vondron’olona nanampy tamin’ny fandikan-teny: “Misaotra,” hoy izy. “Efa namaky ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny teny Anglisy aho. Efa namaky ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny teny Rosiana aho. Efa namaky izany tamin’ny teny Okireniana aho. Saingy tsy tena takatro tsara izany raha tsy efa namaky izany tamin’ny teny Arimeniana aho. Rehefa namaky izany tamin’ny teny Arimeniana aho dia nazava ihany izany tamin’ny farany. Toy ireny hoe tonga ao an-trano fonenana ireny izany.”

Tonga ao an-trano fonenana

Raha toa ka ny filazantsaran’i Jesoa Kristy no trano fonenantsika ara-panahy dia tena rariny raha toa ka mampahazo aina sy toy ny zavatra mahazatra izany. Miala sasatra isika ao an-trano. Mikolokolo ny tenantsika isika. Miresaka amin’ireo izay tiantsika amin’ilay fiteny nampianarin’ny renintsika antsika isika. Ny fitenin’ny fontsika izany ary satria ny fo no tsy maintsy kendren’ny filazantsara, dia tena zava-dehibe ny famakiana ny soratra masina amin’ny fitenin’ny fontsika.

Manambara ny fahamarinan’izany ny Fotopampianarana sy Fankempihavanana. Nambaran’ny Tompo ao anatin’izany fa amin’ny alalan’ireo fanalahidin’ny fisoronana hazonin’ny Fiadidiana Voalohany dia, “hampisehoana amin-kery ny sandrin’ny Tompo ho fandresen-dahatra ny firenena … ny amin’ny filazantsaran’ny famonjena azy ireo.

“Fa ny zavatra hitranga amin’izany andro izany dia handre ny fahafenoan’ny filazantsara amin’ny teniny avy ny olona tsirairay ary amin’ny fiteniny avy amin’ny alalan’ireo izay voatokana ho amin’izany hery izany amin’ny fitaoman’ny Mpampionona nalatsaka tamin’izy ireo ho fanambarana an’i Jesoa Kristy” (F&F 90:10–11).

I Jim Jewell izay niasa tao amin’ny sehatra misahana ireo vondron’olona manao ny fandikana ny soratra masina tany amin’ny foiben’ny Fiangonana, dia nitantara ny maha-lasa akaikin’ny tena manokana ny soratra masina rehefa voadika amin’ny fitenin’ny fo izany:

“Rehefa nadika tamin’ny fiteny Sesotho ny Bokin’i Môrmôna, izay fiteny fampiasa ao amin’ny firenena Afrikanin’i Lesotho, dia nila nitady olona mba hanampy anay hanombantombana ny asa nataon’ilay vondron’ny mpandika teny izahay. Nahita mpikamban’ny Fiangonana anankiray avy any Lesotho izay mpianatra nahazo mari-pahaizana tao amin’ny Utah State University i Larry Foley, izay tompon’andraikitr’ilay fandaharanasa. Ny teny Anglisy no teny enti-mampianatra ao Lesotho. Noho izany dia nianatra ny teny Anglisy nanomboka tany amin’ny ambaratonga fototra io vehivavy io sy ny zanany, saingy mbola mifampiresaka amin’ny teny Sesotho izy ireo.

“Nanaiky ny hanao ilay asa mikasika ilay fandikan-teny izy. Tena nanampy ny fanombantombanana nataony tamin’ireo toko nalefanay tany aminy. Nalefanay toy ny mahazatra ireo fanontaniana manokana momba ny voambolana sy ny firafitry ny teny izay novaliany tamin’ny alalan’ny fanomezana fanamarihana tena nanampy. Tsikaritray anefa fa navahany tamin’ny loko mavo ny andinin-tsoratra masina maro izay tsy nifandray tamin’ireo fanontananiana napetrakay. Rehefa nanontanianay mikasika ireo andinin-tsoratra masina nolokoina izy dia nilaza hoe: ‘Hay ve e! soratra masina nanohina lalina ny foko ireo izay tsy takatro tanteraka tamin’ny teny Anglisy. Nolokoiko izy ireo mba hahafahako mampianatra izany amin’ny zanako.’”

Rafitry ny fandikana ny soratra masina

Manana tantara lava sy mahavariana ny fandikana ny Baiboly nanomboka tamin’ny fandikana ny ampahan’ny Testamenta Taloha niainga tamin’ny teny Hebreo nankany amin’ny teny Grika. Taty aoriana dia nadika niainga tamin’ny teny Grika nankany amin’ny teny Latina ny Baiboly ary avy amin’ny teny Latina, Hebreo sy Grika nankany amin’ny teny maro dia maro hafa.1 Vokatr’izany dia tsy mandika ny Baiboly amin’ny fiteny maro samihafa ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany fa mampiasa ireo dikanteny izay efa eken’ireo Kristiana mampiasa ireo fiteny ireo fa misongadina.2

Sary
men at work translating

Noho izany ny ankamaroan’ny soratra masina hadikan’ny Fiangonana dia ny Bokin’i Môrmôna (nadika voalohany indrindra), ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, ary ny Voahangy Lafo Vidy. Ny teny niaingana mba handikana ireo boky ireo dia ny teny Anglisy, ilay fiteny nentin’ny Mpaminany Joseph Smith nanambarana azy ireo, ny fitenin’ny fony. Tokony ho zavatra fantatr’ireo mpianatra ny tantaran’ny Fiangonana tsara ny dingana arahina eo amin’ny fandikana ny soratra masina amin’ny fiteny izay tsy teny Anglisy. Dingana mitovitovy amin’izany ihany no nampiasain’ny Mpaminany mba handikana ny Bokin’i Môrmôna amin’ny teny Anglisy.

Tovolahy nanetry tena izay lehibe tany amin’ny toeram-piompiana sy fambolena i Joseph Smith ary tsy nandia fianarana firy. Kanefa nanana ny toetra tsara sy ny hery anaty izay nilain’ny Tompo tamin’ilay asa nilaina natao izy. Tena nomanina sy napetraka tany amin’ny toerana tokony hisy azy ireo tokoa i Joseph sy ny fianakaviany mba hanatanteraka io asa io.3

Nomena fanampiana koa i Joseph —fanampiana avy amin’Andriamanitra sy fanampiana avy amin’olona—rehefa nandika ireo rakitsoratry ny Nefita. Namangy isan-taona an’i Joseph ny anjely Môrônia tao anatin’ny efa-taona talohan’ny nanomezany lalana azy haka ireo rakitsoratra. Tsy fantatsika ny zavatra rehetra nampianarin’i Môrônia ny Mpaminany, saingy raha ny hita dia nanomana azy ara-panahy sy ara-tsaina tamin’ilay asa niandry azy ireo famangiana ireo.4

Nanomana mialoha ireo “fandikan-teny” koa ny Tompo mba ho fitaovana enti-mandika fiteny very iray. Vato mazava anankiroa izay mipetraka amin’ny tahony vy ny endriny. Nanampy ny Mpaminany handika ireo rakitsoratry ny Nefita tamin’ny teny Anglisy izy io sy ilay fitaovana mitovitovy amin’izany ihany izay antsoina hoe vato mpahita. Tsy nilaza tamin’ny antsipiriany ny dingana narahina ny Mpampinany fa nijoro ho vavolombelona tsotra fotsiny izy fa nandika ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny alalan’ny “fanomezam-pahasoavana sy ny herin’Andriamanitra.”5

Ankoatra ilay fanampiana avy amin’Andriamanitra nomena azy dia nahazo fanampiana avy amin’olona koa i Joseph tamin’ny alalan’ireo mpitantsoratra izay namokatra ilay tahadika natao soratanana ka narindran’ny hafa ny endriny, dia natao printy sy namoaham-bola ary naparitaka manerana an’izao tontolo izao izany.

Ireo izay nomena andraikitra hanao asa fandikana ny soratra masina amin’izao fotoana izao dia omanin’ny Tompo sy omena fanampiana amin’ny asany—fanampiana avy amin’Andriamanitra sy avy amin’olona, mitovy amin’ny fanampiana noraisin’i Joseph tao anatin’ny asa fandikan-teny nataony ihany.

Asa mifono fanambarana

Sary
local reviewers reading

Ny dingana arahina amin’ny fandikan-teny izay sarotra dia tarihin’ny hery ara-panahy izay “fanambarana amin’ny alalan’ny filankevitra” angamba no tena tsara hamaritana azy. Ireo olona roa na telo voafidy ho mpandika teny dia miara-miasa amin’ny olona hafa eo amin’ny fanaovana ny asa. Manana mpiandraikitra any amin’ny foiben’ny Fiangonana izy ireo, sy mpamerina mandinika ny asa eo an-toerana ary lisitr’ireo voambolana hanovozan-kevitra,6 torolalana mikasika ny fandikan-teny, fitaovana enti-miasa ampidirina ao amin’ny solosaina, ary fanohanana avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay tonga hatrany amin’ny Fiadidiana Voalohany. (Jereo ity fanehoana an-tsary miaraka aminy ity.) Rehefa maneho ny fankatoavany farany ilay asa nadika anankiray ny Fiadidiana Voalohany dia alefa arindra ny endriny, dia atao printy ary zaraina. Rehefa voaomana amin’ny endriny numérique izany dia apetraka ao amin’ny LDS.org ary ao amin’ny application Gospel Library.

Sady mafy no miaraka amin’ny fitaoman’ny fanahy izany asa tontosaina ao anatin’ny fiaraha-miasa izany. Tafiditra ao anatin’izany ny fifantohana amin’ny fomba hentitra amin’ny kalitaon’ny ao anatin’ilay asa sy ny kalitaon’ilay fitaovana hamoahana izany. Averina dinihina ao anatin’ny ambaratonga maro ireo asa nadika, indrindra ny fandinihana ataon’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay mikatsaka ny fankatoavan’ny Tompo. Tsy afaka mandroso ny asa nadika iray raha tsy efa azo izay fankatoavana izay. Na dia tsy tena hoe mandray fanambarana toy ny tamin’ny nandikan’ny Mpaminany Joseph Smith ny Bokin’i Môrmôna aza, dia tarihin’ny Tompo mazava tsara ny dingana arahina—amin’ny alalan’ny fanomezam-pahasoavany sy ny heriny.

Tsy midika izany akory hoe tonga lafatra ny zavatra nadika iray rehefa vita tanteraka. Matetika, rehefa mandeha ny fotoana ary rehefa misy ny fandinihana fanampiny ataon’ireo mandalina ny soratra masina dia misy ny sosokevitra mivoaka hanatsarana ny fitsipi-panoratana sy ny voambolana na hita ny fisian’ny diso teo amin’ny fandrindrana ny endriny na ny tsipelina. Mahalana vao misy fanovana eo amin’ny lafin’ny fanazavana ny fotopampianarana. Rehefa atao ireo dia atao eo ambany fitarihan’ny Fiadidiana Voalohany.

Manampy ny Tompo

Manohana ity asa fandikan-teny ity amin’ny fomba hafa koa ny Tompo. Matetika ny vondron’ny mpandika teny dia mitatitra fa rehefa misy zavatra ilaina dia manampy ny Tompo.

Ohatra iray ao anatin’ny maro maneho izany ny filana mpandika teny iray mba hanao fandikana sy firaketana amin’ny horonana ny bokin’ny Fiangonana tamin’ny fiteny Mam (taranaky ny fiteny Maya, izay ampiasaina any Guatemala). Nisy elder iray teo anivon’ireo misiônera voalohany voantso hanompo tany Guatemala izay nanana dadabe niteny ny fiteny Mam. Lehibe tany an-drenivohitra io misiônera io ary tsy niteny afa-tsy Espaniôla. Saingy tonga namangy azy tao anatin’ny nofy ny raibeny isaky ny alina ary nampianatra azy ny fiteny Mam. Io elder tanora io no lasa mpandika amin’ny fiteny Mam voalohany tao amin’ny Fiangonana.

Matetika ny asa fandikan-teny no tanterahina ao anatin’ny fahafoizan-tena manokana lehibe. Miankina amin’izay toe-javatra iainana ara-bola, ny mpandika teny sasany dia manao asa soa ary ny hafa dia mandray vola mba hahafahan’izy ireo manana fotoana ifantohana amin’ny fandikan-teny.

Ilay lehilahy lasa iray tamin’ireo mpandika teny Ordo dia niditra ho mpikamban’ny Fiangonana tany Pakistan fony izy mpampianatra. Noho izany fiovampony izany dia namoy ny asany sy ny trano izay nomen’ilay sekoly nampianarany izy ary tsy nahazo nampianatra ny zanany tao intsony. Nisy tompon’andraikitra irain’ny fandikan-teny tao amin’ny Fiangonana niresaka taminy raha te ho mpandika teny izy ka hotolorany karama antonony. Volana vitsivitsy taorian’ny niasany tamin’ny naha-mpandika teny azy, dia niresaka tamin’ilay tompon’andraikitry ny fandikan-teny ilay lehilahy ary nangataka tamim-pahasarotan-kenatra raha toa ka mba afaka mividy stylo à bille vaovao ho azy izy. Lany ny ranomaintin’ilay anankiray nampiasainy. Tamin’izay vao hitan’ilay tompon’andraikitry ny fandikan-teny ny fisian’ny fahadisoana teo amin’ny asa nataony ka nanao fanitsiana izy, ary izany dia nahatonga azy handray vola latsaky ny tokony horaisiny.

Saingy tahian’ny Tompo ireo mpandika teniny toy ny nitahiany an’i Joseph Smith tamin’ny fomba izay nahafahany namita ny asany. Ohatra, ilay mpandika ny soratra masina tamin’ny fiteny Letôniana dia mpitsara nianatra lalàna tany Rosia izay toerana niovany fo ho amin’ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. Nanangana ny orinasany izy rehefa niverina tany Lettonie. Efa filohan’ny sampana koa izy. Tena be zavatra natao izy saingy nilain’ny Fiangonana izy sy ny fifehezany ny teny Anglisy.

Nangataka fotoana mba hivavahana mikasika ilay fangatahana izy satria ny fanekena izany araka ny nolazainy an’ilay mpiandraikitra tao amin’ny Fiangonana dia ho toy ny “fampihenana ny sakafo miditra ao am-bavan’ny zanany.” Taorian’ny vavaka nataony dia nanapa-kevitra izy fa hanaiky saingy nangataka tamin’ny Tompo mba hanome azy ireo fitaovana ahafahana manatanteraka izany asa sarotra sy mitaky fahamasinana ary fotoana betsaka izany.

Nanomboka nandeha tany amin’ny biraony adiny iray mialoha izy isan’andro ary nampiasa izany ora izany mba handikana ny bokin’i Môrmôna. Vitany latsaky ny dimy taona izay fotoana mahazatra tokony hamitana ilay asa izany. Raha ny marina dia iray amin’ireo fandikan-teny faran’izay haingana indrindra taorian’ny an’i Joseph izay nandika ny Bokin’i Môrmôna tao anatin’ny 60 andro teo ho eo izany.

Toe-javatra niseho maro kokoa no azo tantaraina izay maneho ny fiasan’ny tanan’ny Tompo ao anatin’ny asa fandikana ny soratra masiny. Nanambara mazava izy rehetra fa asany ity ary miahy lalina izany izy. Manomana olona hanao ny asany Izy. Manomana ireo fitaovana ilain’izy ireo Izy mba hanafainganana ny asa. Ary manentana ny fanahin’izy ireo sy mitahy azy ireo Izy eny an-dalana eny.

Ny vokany dia tontolo miroborobo amin’ny alalan’ny tenin’Andriamanitra izay omena ny zanany amin’ny fitenin’ny fo.

Sary
family reading the scriptures

Fanamarihana

  1. Jereo ny the eight-part series, “How the Bible Came to Be,” nosoratan’i Lenet H. Read navoaka tao amin’ny Ensign teo anelanelan’ny janoary sy septambra 1982.

  2. Jereo mba hahitana ohatra ny, “Church Edition of Spanish Bible Now Published,” mormonnewsroom.org.

  3. Jereo ny Matthew S. Holland, “The Path to Palmyra,” Liahona, jona 2015, 14–19.

  4. Jereo ny Kent P. Jackson, “Moroni’s Message to Joseph Smith,” Ensign, aog. 1990, 12–16.

  5. Joseph Smith, ao amin’ny teny fanolorana ny Bokin’i Môrmôna. Mba hahitana fanazavana bebe kokoa momba ny fandikan’i Joseph Smith ny Bokin’i môrmôna dia jereo ny Gospel Topics, “Book of Mormon Translation,” topics.lds.org.

  6. Ilay lisitr’ireo voambolana dia manazava ny teny rehetra ao amin’ny soratra masina amin’ny teny Anglisy mba hahatakaran’ireo mpandika teny tsara kokoa ny dikan’ireo teny. Matetika dia manana dikany mihoatra ny anankiray ny teny, noho izany dia tsy maintsy miantehitra amin’ny sahan-kevitra sy ny fanentanan’ny fanahy ary ny fiarahana miasa amin’ny olona ao anatin’ny vondron’ny mpandika teny ireo mpandika teny mba hahitana ny vahaolana. Indraindray dia ny Fiadidiana Voalohany ihany no mahavaly ireo fanontaniana.