2016
Mandehana manampy azy
April 2016


Ny Feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Mandehana manampy azy

Thomas Robbins, Californie, Etazonia

Sary
woman with kids at the register

Nilahatra teo amin’ny tobin-tsolika iray aho. Nisy renim-pianakaviana iray niaraka tamin’ny zazakely roa nijoro teo alohako dia nividy solika $3 sy gilasy lavanilina roa.

Tsikaritro avy hatrany fa tsy dia nanana firy izy ireo. Tsy nikiraro ireo ankizy sady nanao akanjo rovidrovitra.

Reko toy ny hoe nametraka vola madinika maro dia maro teo amin’ny fandoavam-bola ilay vehivavy mba handoavana ireo zavatra novidiany.

Rehefa avy nandoa ny vidin’ny solika novidiako aho dia nivoaka ka nijery ny fiaran’ilay renim-pianakaviana. Fiara efa tranainy izay tena hita fa tsy handeha lavitra amin’ny solika $3 izany.

Nahatsapa fangorahana kely ho an’io reny manan-janaka roa io aho kanefa novelomiko ny môtôko dia notohizako ny lalako.

Tsy ampy iray minitra akory ny nandehanako teny an-dalambe dia nisy feo tonga tao amiko hoe: “Mandehana manampy azy.” Tonga indroa ilay bitsika.

Nahifikifiko ny lohako satria nihevitra aho fa tsy maintsy efa lasa izy izay. Inona koa moa no holazaiko azy eo?

Tonga fanintelony sady nazava tsara ilay feo nanao hoe: “Mandehana manampy azy!”

Niverina tany amin’ilay tobin-tsolika aho sady niezaka namantatra izay holazaiko azy raha mbola tao izy.

Rehefa tonga teo aho dia hitako nisokatra ny varavaran’ny fiarany. Teo amin’ny toeran’ny mpamily izy ary nankafy ny gilasiny tao amin’ny seza aoriana ireo zanany kely roa.

Nanao vavaka kely aho mba hanontany ny Ray any An-danitra izay tokony holazaiko. Nilaza tamiko indray ilay feo hoe: “Ampahafantaro azy hoe iza ianao dia anontanio izy raha mila fanampiana.” Nanatona ny fiarany aho dia nampahafantatra ny tenako. Nolazaiko azy fa nanana fahatsapana aho fa tokony hanontany azy raha mila fanampiana izy.

Nanomboka nitomany izy dia nilaza hoe: “Vao avy nivavaka tamin’i Jesoa aho nangataka Azy mba haniraka olona hanampy ahy.”

Namaly ny vavaka nataony ny Ray any An-danitra. Nividy solika hamenoana solika ny fitehirizan-tsolika tamin’ny fiarany aho dia nanome azy ny nomeraon’ny telefaonin’ny olona iray ao amin’ny kôlejin’ny loholona tao aminay izay nitady olona hiasa. Tsy fantatro izay nitranga tamin’io reny tanora io taorian’izay, kanefa feno fankasitrahana aho fa nanaraka ilay bitsika mba hanampy azy.