2016
Niresaka tamiko tamin’ny alalan’ny lahateny tamin’ny fihaonambe ny Ray any An-danitra
April 2016


Zatovo

Niresaka tamiko tamin’ny alalan’ny lahateny tamin’ny fihaonambe ny Ray any An-danitra

Mipetraka ao Sergipe Brésil ny mpanoratra.

Nisalasala aho ny amin’izay zavatra tokony hianarako any amin’ny oniversite. Tsy nankasitraka ny taranja tiako hianarana ny ankamaroan’ny olona, ka noho izany dia nivavaka tamin’ny Tompo aho mba hahitako raha nekeny ny fanapahan-kevitro.

Tonga ny ampitson’io ny valim-bavaka nandrasako rehefa namaky lahateny iray tamin’ny fihaonamben’ny Fiangonana tao anaty Liahona aho. Tsapako toy ny hoe nilaza tamiko ny Ray any An-danitra fa tsy afaka misafidy ho ahy Izy—fanapahan-kevitra tokony horaisiko samirery izany. Fantatro fa na inona na inona no hofidiako dia tsy maintsy ho niasa mafy aho mba hahitako fahombiazana.

Fantatro fa novaliana ny vavaka nataoko. Nanampy ahy handray fanapahan-kevitra ny fanamafisan’ny Fanahy Masina. Nianatra nanome ny ezaka tsara indrindra avy amiko aho ary fantatro fa hanampy ahy ny Ray any An-danitra.