2016
Vola Pesos ho an’ny Ray any An-danitra
April 2016


Vola Pesos ho an’ny Ray any An-danitra

Mipetraka any Caroline du Nord ao Etazonia ny mpanoratra.

“Tandremo ny didy. Misy fiarovana sy fiadanana ao anatin’izany” (Chants pour les enfants, 68).

Sary
pesos for Heavenly Father

Nitsako ny tortilla indray am-bava farany teny an-tanany i Ana. Nalemy sy natsiro ery ilay izy. Tena tian’i Ana ny tortillas namboarin’ny renibeny. Ireo no tena tiany indrindra tamin’ny sakafo maraina.

Nijery an’i Abuela renibeny nanasa lovia i Ana.

Tahaka ny maraina rehetra izany fotoana izany. Saingy nisy zavatra iray niova.

Mazàna i Abuela no nandeha an-tongotra tany an-tsena mba hividy sakafo. Fa tsy nandeha izy tamin’io andro io. Tsy nisy vola hividianana sakafo tamin’io andro io.

“Inona no hohanintsika rahampitso?” Hoy i Ana nanontany tena.

Dia nahatadidy zavatra i Ana. Fantany hoe taiza no nisy ny vola sasany! Nahita an’i Abuela nametraka pesos vitsivitsy tao anaty kitapo lamba kely fotsy izy ny omaly alin’io.

“Abuela a! adinonao angaha? Manam-bola hividianana sakafo ianao.”

“Vola inona?” Hoy i Abuela nanontany.

Nihazakazaka naka ilay vola i Ana. Nahontsany ilay kitapo kely nisy vola madinika. Klink! Klink!

Nitsiky i Abuela. “Fahafolonkarentsika iny ry Ana a! Volany iny.”

“Ka inona anefa no hohanintsika rahampitso?” Hoy i Ana nanontany.

“Aza manahy,” hoy i Abuela. “Mino aho fa hanampy antsika ny Ray any An-danitra.”

Ny ampitson’izay dia nomen’i Abuela an’i Ana ny tortilla farany vita tamin’ny katsaka. Dia nipetraka teo amin’ny sezany izy. Nanao peta-kofehy voninkazo mena tamin’ny akanjo iray izy dia nitantara tantara mikasika ny fotoana naha-zazavavikely azy. Tsy hita hoe nanana ahiahy izy.

Taorian’izay dia nahare olona nandondona i Ana. Nihazakazaka namoha ny varavarany izy.

“Dadatoa Pedro!”

“Nanana fahatsapana aho fa tokony hamangy anareo roa,” hoy i dadatoa Pedro. Nametraka harona telo teo ambony latabatra izy. Ny iray dia nisy lafarinina katsaka fanaovana tortillas. Ny iray hafa dia nisy hena. Ary ny iray hafa dia nisy legioma mbola vaovao tsara avy any an-tsena.

“Ry zanako lahy tena tiako,” hoy i Abuela. “Hanaovako lasopy misy hena baolina faran’izay tsara indrindra ianao e!’

“Ny lasopinao no tsara indrindra eto an-tany,” hoy i dadatoa Pedro.

Nihomehy i Ana sady nitehaka.

Avy eo dia nijanona izy. Nisy zavatra iray tiany ho fantatra. “Abuela a! nahafantatra ve ianao hoe ho avy dadatoa Pedro androany? Izany ve no tsy nampiahiahy anao?”

“Tsia,” hoy i Abuela. “Rehefa mandoa ny fahafolonkareko aho dia mino fa hitahy ahy ny Ray any An-danitra. Dia tena notahiany aho!”

Nofihinin’i Ana i Abuela. Nahatsapa izy fa toy ny hoe izy no ankizivavy faly indrindra tao Mexique. Nanam-pinoana ny Ray any An-danitra izy sy i Abuela. Tsy andriny intsony tamin’izay ny hihinana ny lasopy matsiro nandrahoin’i Abuela.