2016
Misiônera zokiolona: Ilaina, tahina ary tiana
April 2016


Misiônera zokiolona: Ilaina, tahina ary tiana

Mety ho mora kokoa sy tsy mandany vola loatra ary mahafinaritra kokoa noho izay nieritreretanareo azy ny manompo amin’ny maha-mpivady misiônera.

Sary
the Malmroses serving in Ghana

“Afaka ny ho tonga ka hanampy ve ianareo?”

Fanontaniana efa novalian’i Gerald sy Lorna Malmrose avy any Washington, Etazonia izany tany aloha tany. Namaly ilay antso izy ireo rehefa nangatahan’ilay evekany taloha, izay filohan’ny misiôna tamin’izany fotoana izany, raha afaka manompo any Antilles miaraka aminy izy ireo. Mbola namaly ny antso indray izy ireo rehefa nantsoin’ny filohan’ny tsatòkany mba hanatanteraka asa fanompoana any amin’ny foiben’ny Fiangonana any Salt Lake City, Utah, Etazonia, ka hisahana asa mikasika ny solosaina sy ireo mpiasa.

Rehefa niantso azy ireo indray i Reid Robison ilay evekany sy filohan’ny misiônany taloha ary tamin’izay fotoana izay izy filohan’ny ivontoerana fanofanana misiônera tany Accra, Ghana, dia nanontany raha mba afaka manampy indray ry Malmrose mivady.

“Fantatray fa afaka matoky ny Tompo izahay,” hoy i Elder Malmrose. “Noho izany dia nanapa-kevitra ny hatoky azy indray izahay.” Nanaiky izy ireo ary nameno ny taratasy fanolorana azy ireo dia nandray ny antsony ary vetivety dia tonga tany Ghana.

Mpivady manompo

Ireo zavatra niainan-dry Malmroses dia mampiseho fitsipika sasantsasany mikasika ny mpivady zokiolona manao asa fanompoana izay mety tsy dia takatry ny olona maro loatra:

  • Misy karazany roa ny asa fanompoana. (1) Miantso mpivady zokiolona ny Filohan’ny Fiangonana mba hanompo na any amin’ny fonenany any ihany na lavitry ny fonenany. (2) Miantso mpivady misiônera mpanao asa soa ho an’ny Fiangonana mba hisahana andraikitra eo an-toerana na eo amin’ny faritra mandritra ny fotoana voafetra izay eo amin’ny 8 ora ka hatramin’ny 32 ora isan-kerinandro ny filohan’ny tsatòka. Mipetraka sy manompo eo an-toerana izy ireo raha ny mahazatra saingy indraindray dia mety manompo lavitry ny fonenany.

  • Amporisihina ireo filohan’ny misiôna mba hitady mpivady afaka misahana ny zavatra ilaina ao amin’ny misiôna misy azy ireo, ary afaka milaza izay zavatra mba tiany hatao ireo mpivady ireo. “Tsy milaza akory izahay hoe afaka mifidy manokana izay andraikiny ao anatin’ny asa fanompoany ny mpivady,” hoy ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roa ambin’ny folo raha nanazava izany. “Ny antso dia mitoetra ho antso. … [Kanefa] resahanay miaraka amin’ireo mpivady zokiolona ireo ny asa fanompoana mba tian’izy ireo hatao, dia atao ny fandinihana rehetra mba hamelana azy ireo hanompo any amin’izay toerana tiany hanompoana sy hanekena ny fomba tiany hanompoana.”1

  • Mifampiresaka amin’ireo filohan’ny misiôna ireo mpivady mikasika ny fomba ahafahana mampiasa tsara ny fahaiza-manaon’izy ireo. “Mba hiainana zavatra tena miavaka amin’ny maha-mpivady zokiolona,” hoy ny Filoha Robison, “dia mila manana fahafahana miasa ao anatin’ireo sehatra izay sady tianao no hainao ianao ka mahatonga anao hahatsapa fa manana zavatra atolotra ianao.”

Ohatra, fantatry ny Filoha Robison fa miteny Frantsay i Elder Malmrose izay tena manampy satria maro ny Afrikana miteny Frantsay. “Nalaiko sary an-tsaina ho toy ny olona hisahana ny lafin’ny fanaovana dia sy ny fikarakarana ny visa izy,” hoy ny Filoha Robison. “Saingy rehefa tonga teto izy dia tsapako fa tsy izay ny zavatra tena mahaliana azy. Noho izany dia nasaiko izy mba hampiasa ny fahaiza-manaony amin’ny fikirakirana solosaina. Nanokana ora maro dia maro izy ho anay.” Nanampy ireo misiônera koa i Elder Malmrose indrindra ireo misiônera miteny Frantsay mba hanomana anarana sy hanao asa any amin’ny tempoly ho an’ny fianakavian’izy ireo. Rahavavy Malmrose, izay manana mari-pahaizana mpanampy ara-pitsaboana dia notendrena hiasa hiaraka amin’ny dokotera sy ny mpanampy mpitsabo tao amin’ny misiôna.

Manomana ny lalana Izy

Ireo mpivady hafa tahaka an-dry Malmrose mivady dia mahita fa rehefa matoky ny Tompo izy ireo dia manomana lalana Izy. Izany no nitranga tamin’i Alvin sy Corazon Rieta avy any Kawit, Cavite, any Philippines.

Sary
the Rietas serve in the Philippines

“Roa taona talohan’ny fanapahan-kevitray hanompo, dia nanomboka nametraka drafitra mafy orina momba ny orinasan’ny fianakavianay izahay,” hoy i Elder Rieta nanazava. “Nahazo mari-pahaizana tany amin’ny oniversite ny zanakay lahy sy ny zanakay vavy ary afaka mandimby anay saingy nanontany tena izahay hoe iza no hamaha ireo olana eo amin’ny fandraharahana ary ahoana no ho fihetsik’ireo mpanjifanay eo anatrehan’ireo drafitra napetrakay.”

Niasa saina koa mikasika ny hoe handao ilay reniny efa antitra Rahavavy Rieta. “Natahotra aho sao dia hamoy azy mandritra ny fotoana tsy maha-eo anay,” hoy izy. “Nahatsapa ho toy ny tsy hahavita ilay fanamby hampianatra ny filazantsara koa aho.”

Naka hevitra tamin’ny evekany sy tamin’ny mpivady iray vao avy nanompo tany Davao izy ireo. “Nizara fijoroana ho vavolombelona mahery vaika izy rehetra fa hitarika ny mpivady tsirairay ny Tompo mba hahafantarana ny fomba hiatrehana ireo raharahany ao an-tokantrano, ny fiianakaviany ary ny vola hanaovana ny asa fanompoany,” hoy Rahavavy Rieta.

“Rehefa nikatsaka fitarihana izahay,” hoy i Elder Rieta, “dia lasa ny tahotray—nandeha tsara ny orinasanay na dia teo aza ireo olana, naneho fifaliana sy fanohanana ireo mpanjifanay ary niara-nifarimbona ny fianakavianay teo amin’ny fikarakarana ilay reninay narary. Nanomboka nahatakatra izahay fa tena hanampy anay tokoa ny Tompo.”

Misahana ny fanohanana ny mpikambana sy ny mpitarika any amin’ny Misiônan’i Cagayan de Oro Philippines ry Rieta mivady amin’izao fotoana izao.

Maro ny zavatra azonareo atao

Miahiahy mikasika ny fetran’ny tanjany ara-batana ireo mpivady sasany, saingy tsy mba toy izany kosa i Keith sy Jennilyn Mauerman avy any Utah, Etazonia. Taona maro lasa izay, efa-bolana taorian’ny nivadian’izy ireo tany amin’ny Tempolin’i Los Angeles Californie, dia nalefa hiatrika ady i Keith. Mpitarika andia-miaramila mpilatsaka amin’ny elonaina izy ary dia nialoha lalana ny miaramila hafa rehetra, kanjo nisy vanja nilentika tany ambanin’ny tany nipoaka. Namoy ny tongony anankiroa izy. Rehefa nody izy dia niolomay mba ho eo anilany i Jennilyn.

“Fantatro fa tsy tokony hiahiahy aho,” hoy i Keith, “satria fanambadiana mandrakizay ny anay. Nanohana ahy teny foana ny vadiko. Mbola manohana ahy foana izy isan’andro.

Sary
the Mauermans serving in military relations

Rehefa nisotro ronono Rahavavy Mauerman dia nanapa-kevitra ny handeha hanao asa fanompoana izy ireo. Saingy mety hampisy olana ve ny tsy fananan’i Elder Mauerman tongotra roa be izao? “Misy foana ny zavatra tsy azoko atao,” hoy izy, “kanefa tena maro ireo zavatra izay azoko atao, ka fantatray fa hisy toerana ho anay any.”

Rehefa nameno ny taratasy fanolorana azy izy ireo dia nasiany marika teo amin’ilay efamira izay maneho fa nanompo tany amin’ny tafika izy. Vetivety izy ireo dia nandray antso an-tariby tany amin’ny Sampan-draharaha misahana ny Fifandraisan’ny Fiangonana amin’ny Miaramila. “Nanana karatra izay manome fahafahana anay hiditra any amin’ireo toby miaramila aho ka dia niera taminay izy ireo raha afaka manolotra anay hanompo ao amin’ny misiôna misahana ny fifandraisana amin’ny miaramila.”

Voantso mba hanompo any amin’ny toby miaramilan’i Caroline du Nord, Etazonia ry Mauerman mivady. Hoy i Elder Mauerman hoe: “Nisy soratra hoe ‘Fort Bragg, Home of the Airborne’ (Fort Bragg, Fonenan’ny miaramila mpilatsaka amin’ny elonaina) teo amin’ilay takela-bavahady fidirana. Rehefa niarahaba anay tamin’ny alalan’ilay tarigetran’ny miaramila mpilatsaka amin’ny elonaina manao hoe ‘Hatramin’ny farany!’ ilay mpiambina, dia izay indray aho vao naheno izany tao anatin’ny taona maro. Toy ny tany an-tranoko izany aho na dia tsy mbola tao Fort Bragg velively aza. Fantatray fa natao tanteraka ho anay ilay antso hanompo nofidina ho anay ary miahy anay ny Tompo.”

“Nampianatra lesona mikasika ny fizakan-tena sy fahatokian-tena izahay ary mikasika ny fanamafisana orina ny fanambadiana,” hoy Rahavavy Mauerman. “Tsy te hizara ny tantaranay izahay tany am-boalohany saingy hitanay fa nitondra fiovana ny fizarana izany. Nijery anay ireo miaramila sy ny vadiny ary nilaza hoe, ‘Raha vitanareo izany dia vitanay koa.’”

Niaina zavatra tena tsara ry Mauerman mivady tany Caroline du Sud ka nangataka ny hanompo indray izy ireo. Amin’izao fotoana izao izy ireo dia manao dia eo amin’ny 64 km eo miala ny tranony any Orem mankany Salt Lake City indroa isan-kerinandro mba hanompo any amin’ny biraon’ny Sampan-draharaha misahana ny Fifandraisana amin’ny Miaramila. Mampianatra mpivady zokiolona any amin’ny foibe fanofanana misiônera any Provo koa izy ireo izay ahitan’izy ireo fa ny vondron’olona tsirairay dia saika ahitana olona izay nandresy ireo sakantsakana mba hahafahana manompo.

Fiteny iraisan’ny rehetra

Niahiahy i Randy sy Lou Ellen Romrell avy any Utah rehefa voantso hanompo any amin’ny Misiônan’i Cuiabá Brésil. Na dia nanompo tany Brésil aza i Elder Romrell fony izy misiônera tanora, dia tsy nahay teny Pôrtogey firy intsony izy. Ary tsy nahay teny Pôrtogey Rahavavy Romrell. Ny fandalinana sy ny ezaka natao anefa dia nanampy tamin’ny famerenana ny fahaizan’i Elder Romrell ary nanampy ny Rahavavy Romrell hivoatra. Nanampy torak’izany koa ilay gitara ukulele.

“Tsy tena nikasa ny hitondra azy io aho,” hoy Rahavavy Romrell, “fa i Elder Romrell no nentanim-panahy hitondra izany ary mahavariana ny mahita ny zavatra vitany. Rehefa mampianatra ireo naman’ny Fiangonana sy manao asa fampahavitrihana izahay ary mandray olona ho namana, dia mahafinaritra ny mampiasa izany mba hampihirana hira ao amin’ny fihirana ny olona. Nianatra ilay fiteny izahay ary nitondra fanahy matanjaka niaraka taminy ireo hira tao amin’ny fihirana.”

Sary
the Romrells playing a ukulele

Na dia mbola teo andalam-pivoarana aza ny fahaizany teny Pôrtogey dia efa nahafehy tsara ny mozika Rahavavy Romrell. “Mampiray ny olona ny mozika,” hoy izy. “Na tsy azoko aza ny zavatra rehetra lazain’izy ireo mandritra ny famangiana iray dia mifankahazo izahay rehefa mihira.” Rehefa nasaina mba hiresaka any amin’ireo sekoly mikasika ilay andro tsy fiasana ho an’ny Amerikana natokana ho andro fisaorana izy ireo dia nihira hira fankasitrahana ry Romrell mivady—niaraka tamin’ilay ukulele. Ary Rahavavy Romrell ihany koa dia nampiasa zavamaneno kilasika kokoa dia ny pianô izany mba hilalaovana ireo hira ao amin’ny fihirana any am-piangonana.

Ary ahoana ny teny Pôrtogey? “Na dia tsy mahay tsara izany aza ianao dia manampy ny fahaizana teny vitsivitsy,” hoy izy. “Ny fiarahabana ny olona fotsiny dia efa misy fiantraikany be tokoa. Ampahafantaro azy ireo fa mianatra ianao. Tsory izany ary miantehera amin’ny Fanahy.” Ary ny Fanahy mazava ho azy dia fiteny iray hafa azon’ny olona rehetra ifampiresahana.

Manompo any amin’ny faritra onenana

Efa niaraka nanompo tany amin’ny misiôna miisa telo i Paul sy Mar Jean Lewis avy any Utah (Tempolin’i Palmyra New York; Tempolin’i Hong Kong Chine; tany Croatie, Serbie, ary Slovénie tao amin’ny seminera sy institiota). Niomana ny handeha hanao asa fanompoana iray hafa izy ireo rehefa nanontany azy ireo ny filohan’ny tsatòka hoe, “Vonona ve ianareo raha hanompo ato amin’ny tsatòkantsika ihany mba hanohana ny misiôna misy antsika?”

Sary
the Lewises serving at home

“Vaovao izahay tao ka dia tombontsoa lehibe ho anay izany,” hoy Rahavavy Lewis. “Miara-nanompo amin’ireo tovolahy sy tovovavy misiônera izahay ary manana fifandraisana akaiky amin’ny filohan’ny misiôna ary mandeha manatrika ireo fivorian’ny distrika sy fivorian’ny faritra sy miara-miasa amin’ireo mpitarika ny asa fitoriana any amin’ny paroasy.” Mamangy ireo naman’ny Fiangonana sy ireo izay mpikambana mangatsiaka koa izy ireo.

“Nihaona tamina olona mahafinaritra izahay izay tsy ho fantatray velively raha tamin’ny fomba hafa noho izany,” hoy Rahavavy Lewis, “tafiditra ao anatin’izany ireo izay niala tamin’ilay lalana. Fitahiana lehibe ny mahita azy ireo miverina sy mandray ireo ôrdônansy ary mandeha any amin’ny tempoly.”

“Maro ireo mpivady izay rehefa mieritreritra mikasika ny fandehanana hanao asa fanompoana no miahiahy ny amin’ny tranony sy ny fiarany ary ireo zavatra tsy ho hitan’izy ireo mikasika ny fianakaviany,” hoy ny Loholona Lewis. “Afaka nipetraka tao amin’ny tranonay manokana sy namily ny fiaranay manokana izahay. Amporisihina izahay mba handeha hanatrika ireo fiaraha-mientan’ny fianakaviana rehefa tsy manelingelina ny andraikitray amin’ny maha-misiônera anay izany. Ary teto aza izahay tamin’ny nahaterahan’ny zafikelinay anankiray.”

Fitahiana ho an’ny fianakaviana

Etsy ankilany, ry Jill sy Kent Sorensen izay avy amin’io tsatòka io ihany dia nilaza fa ny iray amin’ireo fomba tena tsara indrindra hanamafisany orina ny fianakaviany dia ny fandehanana manompo lavitra ny fonenany. Hoy Rahavavy Sorensen hoe, “Ny iray amin’ireo fialan-tsiny ataon’ireo mpivady mba tsy handehanana dia ireo zafikely, ireo zanaka manambady izay sahirana, ireo zanakavavy mitondra vohoka ary ireo ray aman-dreny efa antitra—ary ireo toe-javatra hafa mitovy amin’izany. Ny fianakaviana no lohalaharana ary malahelo azy ireo ianao isan’andro. Saingy ny fandehanana manao asa fitoriana dia mampita hafatra mahery vaika hoe, manan-danja koa ny fanaovana asa fitoriana.”

Ankoatra izany dia nanamarika i Elder Sorensen hoe, “Maro dia maro ny fomba ahafahana mifandray amin’izao fotoana izao ka afaka mijery izany foana ianao.”

Nanomboka tamin’ny telo taona lasa ny fanaovan-dry Sorensen mivady ilay dian’ny asa fitoriana rehefa nangatahan’ny evekany izy ireo mba hampiantrano isam-bolana ilay takariva amorom-patana ho an’ny mpivady mikasa ny hanao asa fanompoana ao anatin’ny asa fitoriana. “Taorian’ny firesahana tsy tapaka izany,” hoy Rahavavy Sorensen dia “tsy maintsy nandeha ny tenanay!” Nahazo antso hanompo any amin’ireo Nosy Cook izy ireo izay toerana nanompoan’ny ray aman-dreniben’i Jill 50 taona lasa izay.

Sary
the Sorensons teaching Bible classes

Amin’izao fotoana izao dia angatahina izy ireo, ankoatra ireo adidy hafa, mba hampianatra ny Baiboly any an-tsekoly.

“Miresaka momba an’i Kristy ilay vatolampy izahay,” hoy i Elder Sorensen. “Omenay vato kely ireo mpianatra ary amporisihinay izy ireo mba hitoetra ho vato mafy orina ao amin’i Kristy. Amin’izao fotoana izao na aiza na aiza alehanay dia milaza ny olona hoe, ‘Vato mafy orina!’ rehefa mahita anay izy ireo.”

Tongava ary manampia

Raha mikasa ny hanao asa fitoriana amin’ny fotoana feno na asa fanompoana ho an’ny Fiangonana ianareo, dia hametraka aminareo ilay fanontaniana napetraky ny Filoha Robinson an’i Gerald sy Lorna Malmrose ireo mpivady rehetra ireo izay manao hoe: “Afaka ny ho tonga ka hanampy ve ianareo?” Ary hilaza aminareo izy ireo fa na inona fandraisanareo anjara dia azo antoka ity fampanantenana ity: Ilaina ianareo, afaka mitondra anjara biriky ianareo ary hotahiana sy hotiavina ianareo.

Fanamarihana

  1. “Loholona Jeffrey Holland: LDS Church Desperately Needs More Senior Missionaries,” Deseret News, 14. sept. 2011, deseretnews.com.