2016
Tapa-kevitra ny tsy hanao intsony
April 2016


Tapa-kevitra ny tsy hanao intsony

Mipetraka any New York ao Etazonia ny mpanoratra.

Tsy nihatsara ny fahaizako mitendry pianô na dia efa nanao fanazarana nandritra ny taona maro aza. Nilaza ireo ray aman-dreniko fa afaka mijanona tsy hanao izany aho raha manaja fepetra iray: Tsy maintsy nianatra hira 50 tao amin’ny fihirana aho.

Sary
playing piano

Niditra tamim-pahatezerana tao an-tranoko aho, nipatrapatraka ny ranomasoko mbola taorian’ny fianarana pianô nandiso fanantenana ihany. Izay no taona fahaefatra nianarako pianô ary hiran’ankizy fotsiny ihany no mba haiko notendrena. Niezaka nitady zavatra tsara holazaina mikasika ny fitendreko izay tena ratsy tokoa ny mpampianatro, saingy vao mainka aho nahatsapa ho hafahafa be ihany. Nandoa saram-pianarana tamin’ny fianarana mitendry pianô izay tsy nilaiko sy tsy nantenaiko hanampy ahy akory ireo ray aman-dreniko.

Tiako hamela ahy tsy hanao izany intsony ireo ray aman-dreniko. “Ao moa e!” hoy aho nitalaho. “Hataoko izay azo atao rehetra. Inona no azoko atao handresena lahatra anareo?”

Rehefa avy nifampiresaka izy ireo dia nilaza hoe “Raha mianatra hira 50 ao amin’ny fihirana ianao dia avelanay hijanona.”

Avy hatrany aho dia nanomboka nanao fanazaran-tena. Tena naniry mafy ny tsy hanao izany intsony aho ka dia vonona ny hampitombo ny fotoana hitendrena pianô. Ny hira voalohany hoe “Misaotra Anao noho ny mpaminany” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 72), dia nandaniako iray volana latsaka teo vao tena haiko ny nitendry azy. Mbola tapa-kevitra ny tsy hanao intsony foana aho ka dia nanohy ny fanazaran-tenako.

Nisy zavatra mahaliana nitranga: lasa mora ny nianatra nitendry ireo hira tao amin’ny fihirana. Nahatsapa ho faly kokoa aho nandritra ny herinandro. Nanjary nihirahira ireo hira ao amin’ny fihirana aho nandritra ny andro ary nihira mafy kokoa nandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo.

Taty aoriana dia tsy nanara-maso ny isan’ny hira haiko ao amin’ny fihirana intsony aho. Rehefa lasa nahay nitendry pianô kokoa aho dia nahatsapa fa afaka nianatra nitendry tsara hira vaovao tao amin’ny fihirana tao anatin’ny 30 minitra latsaka aho.

Rehefa nampifanampiako izy rehetra tamin’ny farany dia nianatra hira maherin’ny 50 aho. Ary tsy nieritreritra ny hitsahatra amin’ny fianarana mitendry pianô intsony aho. Lasa natoky tena bebe kokoa aho tamin’ny fahaizako nitendry pianô ary nahatsapa ny herin’ireo hira ao amin’ny fihirana teo amin’ny fiainako.

Tahaka ny soratra masina ny hira ao amin’ny fihirana. Miresaka momba ny fahamarinana izy ireo? Rehefa mitendry ireo hira ao amin’ny fihirana aho dia mahatsapa ho toy ny milona tanteraka ao amin’ny soratra masina. Ny fianarana mitendry hira ao amin’ny fihirana dia nanampy tosika ahy hanomboka hampiorina ny fijoroana ho vavolombelona ananako sy ny fianarako ny fahamarinana. Mamaky ny tonon’ireo hira samihafa ao amin’ny fihirana aho mba hanampy ahy mandritra ny androko. Nampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona tato amiko ny fitendrena pianô ary nanome ahy fahafahana maro hanao zavatra tany amin’izay toerana rehetra nalehako.