2016
Rehefa nisy fiantraikany teo amin’ny tokantrano ny Pôrnôgrafia—Samy mila sitranina ny mpivady
April 2016


Rehefa nisy fiantraikany teo amin’ny tokantrano ny Pôrnôgrafia—Samy mila sitranina ny mpivady

Efa nahita manokana aho fa ny hery manasitrana avy amin’ny Mpamonjy dia afaka ho tonga amin’ny vehivavy ary koa amin’ny lehilahy izay mpivady rehefa manana olana eo amin’ny pôrnôgrafia ny lehilahy.

Sary
husband, wife, and Christ

Sary nindramana olona mba hatao maodely

Tao anatin’ny enim-bolana voalohany naha-eveka ahy dia mpivady maro no nanatona manokana ahy mba hiresaka mikasika ny olana ananan’ilay lehilahy amin’ny pôrnôgrafia. Ao anatin’ny toe-javatra sasany dia ketraka tanteraka noho ny fahatairana tamin’ny fahafantarana vao haingana ilay tsiambaratelo tena mahakivy ny vehivavy ary ny sasany dia efa nahafantatra izany nandritra ny volana na taona maro.

Nahatsapa fangorahana ho an’ireo mpivady tsirairay ireo aho ary nahatsapa ny hery manavotra avy amin’ny Mpamonjy rehefa nifampidinika tsy tapaka ary tamim-pitandremana tamin’ireo rahalahy tsirairay ireo aho mba hanampy azy ireo “hanakifika ny rojo … [izay] mangeja mafy [azy ireo]” (2 Nefia 9:45).

Azo atao hoe nirotsaka faran’izay betsaka anefa ny Fanahy rehefa nihaona tamin’ny vadin’izy ireo aho. Nahita aho fa na vao haingana aza ny ferin’ny sasany ary na efa mikatona aza ny ferin’ny hafa taorian’ny taona maro nijaliana dia mizaka ratra ara-panahy lalina ireo rahavavy ireo izay vokatry ny fanontaniana toy ny hoe, “Inona no nataoko ka nahatonga azy tsy ho voasarika amiko intsony?” na “Nahoana izy no te hieritreritra hoe miaraka amin’olon-kafa fa tsy miaraka amiko?”

Satria ilay lehilahy no nandika lalàna dia mora ho an’ny eveka ny mahatsapa fa ilay lehilahy dia tena mila manana ireo fanalahidy mba hamahana ilay hery manasitrana avy amin’ny Mpamonjy, saingy nianatra aho fa ny filan’ny vehivavy fanasitranana noho ny fijaliana sy fikorontanan-tsaina dia lehibe mitovy amin’ny filan’ny lehilahy fanasitranana noho ny fahotana sy ny faniriana mafy hanao zavatra izay mibahana ao an-tsaina.

Tao anatin’ny toriteniny ho an’ny Nefita dia nanameloka ny lehilahy i Jakôba mpaminany noho ny fitondrantena tsy mendrika nataon’izy ireo tamin’ny vadiny “izay malia sy madio ary marefo fatratra tokoa ny fihetseham-pon’ny ankamaroany eo anoloan’ Andriamanitra, izay zavatra mahafinaritra an’ Andriamanitra” (Jakôba 2:7). Notohizany hoe: “Efa novakianareo ny fon’ny vadinareo … noho ny ohatrareo ratsy teo anatrehany ary ny fitolokon’ny fony dia miakatra any amin’Andriamanitra miampanga anareo” (Jakôba 2:35). Efa vavolombelona mivantana an’izany fitolokoana izany ny tenako. Matetika izany no tsy hoe tonga noho ny fahatsapana lalina famitahana fotsiny eo amin’ny vehivavy noho ny fironan’ny lehilahy amin’ny pôrnôgrafia fa tonga koa noho ireo teny manambany sy fihetsika tsy manaja izay mitranga matetika vokatry ny tolona anaty atrehan’ilay lehilahy. Tsy mahagaga raha ny marina ny mahita lehilahy, izay miharihary ny fahazarany, ka lasa miampanga ny vadiny ho tompon’andraikitra amin’ny fihetsiny, ka mitanisa zavatra maro izay nataony na tsy nataony. Ny mampalahelo dia tsy mahagaga koa ny mahita vehivavy izay manomboka manaiky na mino mihitsy aza ireo fiampangana ireo.

Nisy mpivady iray toy izany tonga tao amin’ny biraoko andro vitsy taorian’ny nahitana ny fahazaran’ilay lehilahy mirona any amin’ny pôrnôgrafia izay nanimba azy hatrany amin’ny fahatanorany. Rehefa nihaino ny lesona irain’ny Fikambanana Ifanampiana nifototra tamin’ny lahatenin’ny Rahavavy Linda S. Reeves nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana Aprily 2014, “Fiarovana amin’ny Pôrnôgrafia—Tokantrano Mifantoka amin’i Kristy,” ilay vehivavy dia nanomboka namantatra ireo fironana maro nofaritan’ilay mpampianatra teo amin’ny toetran’ny vadiny mpanakiana azy izy. Taorian’ilay lesona dia napetrak’ilay vehivavy tamin’ny vadiny ilay fanontaniana ka dia naborany ilay tsiambaratelo izay nafeniny efa ela. Ilay fanomezany lanja ny tenany izay efa simba dia mbola nihena indray tamin’izay niaraka tamin’ny fananana lolompo mafy. Nandritra ny fotoana voalohany nihaonan’izy ireo tamiko dia sahirana izy ireo naka sary an-tsaina hoe ahoana no ahafahan’ny fanambadian’izy ireo hitohy. Nanome toky azy ireo aho fa misy ny fanantenana dia nomeko torohevitra enti-miainga izy ireo ary avy eo aho nanasa azy ireo mba hiverina sy hihaona amiko tsirairay.

Niaraka tamin’ireo vavaka mafy nataoko hiomanana amin’ireo fihaonana ireo dia naveriko novakina koa ireo torohevitra atolotra ao amin’ny Ministering Resources (Loharano Enti-manampy) ao amin’ny LDS.org, indrindra ao amin’ilay loharano hanampiana ireo vadin’ny olona mirona amin’ny pôrnôgrafia, izay nahitako izao manaraka izao: “Manehoa fitiavana sy fiahiana azy manokana ary amin’ny vadiny koa. Hazavao fa tsy tompon’andrakitra amin’ny fironan’ny vadiny amin’ny pôrnôgrafia izy na ny fihetsika ratsy ataony ary tsy antenaina hizaka fihetsika feno herisetra.”

Rehefa nihaona tamin’io rahavavy io aho dia nanaraka io torohevitra io ary nampiako fanomezana toky izany fa tsy noho izy mihitsy sy noho ny zavatra nataony na tsy nataony ny anton’ireo fihetsika nasehon’ny vadiny fa noho ny tolona ao anatiny kosa. Hitako nisy fahatsapana fahatoniana sy fiononana nanenika azy rehefa takany ireo teny ireo ary nahatsapa ny fanamafisana avy amin’ny Fanahy izy fa marina tokoa izany. Rehefa nifarana ny tafa sy dinika dia nangataka ahy izy raha mba afaka manome azy tsodranon’ny fisoronana aho. Tsapako fa izaho ihany no hany azony nangatahina mba hanome tsodrano toy izany, noho izy nisafidy ny tsy hilaza ny zavatra iainany amin’ny fianakaviany sy ny namany.

Mba hanohanana ilay dingana mitondra any amin’ny fahasitranana dia nanasa ilay lehilahy aho mba hanatrika ny fivoriana ho an’ny vondron’olona Olomasin’ny Andro Farany miady amin’ny fiankinan-doha, ary namporisika ilay vehivavy aho mba hanatrika ny fivoriana mifandray amin’izany ho an’ny vady sy ireo olona ao amin’ny fianakaviana. Nambarany tamiko ny fampaherezana tsapany avy tamin’ny fihaonana tamin’ireo rahavavy hafa izay nahatakatra ny zavatra nianjady taminy ary ny fanantenana nananany rehefa nahita mpivady niaina fitsapana mitovy tamin’ny azy nefa niara-nanao izay hahatafavoahana tamin’izany.

Volana maromaro izay no lasa hatramin’ny nihaonako tamin’io mpivady io voalohany ary dia nitombo ny fitiavako azy ireo vokatry ny fifaneraseranay matetika. Na dia fantatro aza fa tsy hoe tsy hisy sakantsakana intsony ny fanohizan’izy ireo ilay lalana, dia fifaliana ho ahy ny mahafantatra isaky ny mandeha ny volana fa nahafehy ny tenany tamin’ny filan-dratsy sy ny pôrnôgrafia ilay lehilahy ary fifaliana ho ahy koa ny mahita ny fitombon’ny fahatsapan’ilay vehivavy ny maha-manan-danja azy sy ny fananany fahatokian-tena izay tonga dia hita.

Nandritra ny tafa sy dinika vao haingana niarahana tamin’izy ireo dia nosoloin’ny tsikitsiky matetika ary kakakaka mihitsy aza ireo tebiteby sy ranomaso nandritra ireo fivoriana tany am-piandohana. Saingy angamba ny vokany lehibe indrindra dia ny fanantenana—fanantenana fa tsy hoe afaka ny hitohy fotsiny ny fanambadian’izy ireo fa manana hery ho lasa zavatra tena tsara sy mampisandratra mihitsy aza izany.

Indrisy anefa fa tsy ny mpivady rehetra no mahita vokany tahaka izany araka ny fahafantarako azy. Mety ho rava ny fanambadiana sasany rehefa mandà tsy hiezaka ilay olona mirona amin’ny pôrnôgrafia. Na dia eo aza anefa ny lalana nofidian’ilay lehilahy haleha dia nahafantatra aho fa tena tsara ilay torohevitra hoe tokony hampiana ilay vehivavy vadiny. Manantena aho fa tsy misy rahavavy ao anatin’ny toe-javatra toy izany ka hahatsapa fa hadinon’ny evekany na raisiny an-tendrony na tsy azony ny mahazo azy. Ny fanampian’ny eveka dia toy ny fantsona manan-danja izay entin’ny Mpamonjy hanehoana ny heriny hanasitranana tanteraka ny fo tsirairay—na dia ireo izay efa “voatrobaky ny ratra lalina” aza (Jakôba 2:35).

Sary
family studying scriptures

Ambany: Kivy tanteraka i Kerri rehefa nahafantatra fa nanana olana mikasika ny pôrnôgrafia ny vadiny saingy nahita fanantenana sy fanasitranana tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany izy.