2016
Mandrefy ireo fitahiana any Madagasikara
April 2016


Mombamomba ny fiainan’ny tanora mpitovo sy mpivady vao herotrerony

Mandrefy ireo fitahiana any Madagasikara

Na dia eo aza ny fifanolanana ara-pôlitika sy ny olona ara-toekarena ao amin’ny fireneny dia miantehitra amin’ireo fitahiana avy amin’ny fiainana ny filazantsara i Solofo.

Sary
lemur and baobab tree

Sary: eny amin’ny tampony nomen-dRavelojaona Solofo; ambany © iStock/Thinkstock

Taorian’ny nisedran’ny vadiny fahafahan-jaza izay nahakivy tokoa tao anatin’ny fitondrany vohoka voalohany dia nahatsapa i Solofo Ravelojaona fa voavaly ny vavaka nataon’izy ireo herintaona taty aoriana rehefa bevohoka fanindroany ny vadiny. Raisin’izy sy i Hary Martine vadiny ho toy ny iray amin’ireo fitahiana lehibe indrindra azon’izy ireo ny fahaterahan’ny zanany vavy. Nanazava i Solofo hoe, “Satria nangataka tamin’Andriamanitra izahay dia nomeny anay izy dia nomenay anarana izay midika hoe ‘valim-bavaka avy amin’Andriamanitra’ amin’ny teny Malagasy izy.’”

Sary
Solofo with his daughter

I Solofo, izay lehilahy vao herotrerony efa manambady, dia mifikitra amin’ny fahalalana fa mamaly vavaka Andriamanitra ary mitahy ireo mahatoky amin’ny fotoana mahamety izany. “Mafy ny fiainana,” hoy i Solofo, “ary rehefa tsy mahazo izay tadiaviny ny olona dia manomboka manontany ny sasany hoe, ‘Nahoana no mitranga amiko izao?’ Mety handao ny Fiangonana izy ireo na hiahiahy mikasika ny finoan’izy ireo an’Andriamanitra. Saingy mora kokoa izany rehefa miaina ny filazantsara sy mamaky ny soratra masina isika. Rehefa miaina marina ny filazantsara ianao dia afaka mahita marina ireo fitahiana.”

Mazava ny antony ilazan’i Solofo hoe mafy ny fiainana satria miaina ao anatina firenena iray izay ahitana olana goavana toy ny fahantrana lalina, fitondram-panjakana tsy milamina, rafitra iankinan’ny fiarahamonina tsy zarizary, ary loza ara-boajanahary izy. Kanefa ho azy dia lehibe kokoa noho izay mety ho fahasarotana ireo fitahiana avy amin’ny fiainana ny filazantsara. “Tsy ho voaisako intsony ireo fitahiana rehefa miaina foana ny filazantsara aho,” hoy izy.

Satria vaovao ihany ny Fiangonana any Madagasikara raha jerena (tamin’ny 1990 no naorina ny sampana voalohany), dia nilaza i Solofo fa ny lafiny tena sarotra amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana dia ny fampielezana honohono sy ny tsy fahatakaran’ny olona ny momba ny Fiangonana. Nanao fanamarihana i Solofo hoe tahaka ny tao anatin’ilay nofy nahitan’i Lehia ny hazon’aina dia “mety tsy iainan’ny olona feno ny filazantsara satria mahatsapa ho menatra izy eo anatrehan’ireo namany ary matahotra sao harian’ny fianakaviany.” Ny maha-hafa an’i Solofo araka ny filazany dia hoe, “Tsy mba menatra velively izany aho. Iainako ny filazantsara ary tiako hozaraina foana amin’ireo mpiara-miasa amiko izany na dia tsy liana loatra aza ny sasany amin’izy ireo.” Matetika izy no mizara ny fijoroana ho vavolombelona tsotra ananany, hany ka nomen’ny mpiara-miasa aminy anaram-bosotra hoe “pasitera” izy.

Sary
Solofo and Hary Martine

Ao anatin’ny fisafotofotoana ara-toekarena sy ara-pôlitika dia miantehitra amin’ireo fitahiana avy amin’ireo fanekempihavanana nataony tany amin’ny tempoly i Solofo sy i Hary Martine (nivady tany amin’ny Tempolin’i Johannesburg Afrika Atsimo izy ireo herintaona taorian’ny nanaovan’izy ireo asa fitoriana—Tany Ouganda i Solofo ary tany Madagasikara i Hary Martine), ary miantehitra koa amin’ny fahatokiany ny Tompo. “Manana ny filazantsara aho ary apetrako fotsiny eo am-pelatanan’Andriamanitra ny fiainako,” hoy i Solofo nanazava. Afaka miantehitra amin’ny fijoroana ho vavolombelona mafy orina ananany izy satria efa manana finoana amin’ireo “valiny avy amin’Andriamanitra”.