2016
Nanao batisa olona maro i Almà
April 2016


Tantara ao amin’ny Bokin’i Môrmôna

Nanao batisa olona maro i Almà

Nalaina tao amin’ny Môsià 16–18.

Sary
Alma baptizes many people 1
Sary
Alma baptizes many people 2
Sary
Alma baptizes many people 3

Mpaminany i Abinadia. Nampianatra ny olona hino an’i Jesoa izy ary hitsahatra tsy hanao zavatra ratsy. Tezitra tamin’i Abinadia ny mpanjaka iray ratsy fanahy nantsoina hoe Nôà. Tsy te hibebaka i Nôà.

Nino an’i Abinadia ny lehilahy iray nantsoina hoe Almà. Nitsoaka izy dia niafina ilay mpanjaka tezitra. Nahatsapa alahelo izy noho ny nanaovany zavatra ratsy, dia nibebaka, tahaka izay nampianarin’i Abinadia azy.

Maro ireo olona tonga nihaino an’i Almà nampianatra momba an’i Jesoa Kristy. Nampianatra i Almà fa raha mibebaka izy ireo ka manaraka an’i Jesoa dia ho azo atao batisa.

Nitehaka tamim-pifaliana ny olona. Nampanantena izy ireo fa hampahery ny hafa. Nampanantena izy ireo ny hitia an’Andriamanitra sy hiresaka momba Azy amin’ny olona hafa. Vonona ny hatao batisa izy ireo.

Nataon’i Almà batisa tsirairay ny olona. Faly tokoa izy ireo fa lasa mpikambana tao amin’ny Fiangonan’i Jesoa.

Rehefa atao batisa isika dia manao ireo fampanantenana nataon’ireo vahoakan’i Almà. Dia lasa mpikambana ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa koa isika!