2016
Mahafantatra ny fitaka ataon’i Satana
April 2016


Mahafantatra ireo fitaka ataon’i Satana

Monina any Utah, Etazonia ny mpanoratra.

Rehefa eo anatrehan’ny fitaka ara-panahy isika dia afaka manampy antsika hamantatra izay marina na tsy marina ny Bokin’i Môrmôna.

Sary
woman with money

Raha nampiditra vola dôlara taratasy anankiroa tao anatin’ny paoketrako aho tany amin’ny fivarotana kojakojan-kanina iray dia nanaitra ny masoko ny iray tamin’ireo vola taratasy ireo. Nieritreritra aho hoe matsatso kokoa noho ny teo amin’ireo vola hafa ilay loko maitso teo amin’izany ka dia nodinihiko akaiky izany. Dia tsikaritro fa tsy dia nazava koa ny sarin’ny Filoha George Washington. Na ilay taratasy aza hafahafa. Tena vola sandoka ilay izy! Nosoloin’ilay mpivarotra vola dôlara tena izy izany ary nomeny an’ilay lehiben’ny toeram-pivarotana ilay vola sandoka.

Nieritreritra mafy mikasika an’io vola sandoka io aho nanomboka tamin’izay. Nanontany tena aho hoe hafiriana izy io no nivezivezy tany ary olona firy no voafitaka nandritra ny taona maro. Raha ny marina dia mety ho voafitaka koa aho raha tsy nijery tsara. Saingy rehefa nampitaha izany tamin’ilay tena izy aho ary nifantoka tamin’ireo fahasamihafana fa tsy ireo zavatra mitovy dia afaka nilaza aho fa sandoka ilay izy.

Ny Bokin’i Môrmôna dia feno ohatra mikasika ireo mpamitaka ara-panahy izay nanaraka ny fomba fiasan’i Satana mba handaingana sy hamitahana ny hafa mba hahazoany tombontsoa manokana. Rehefa halalinina ny hafetseny sy ny paik’adiny dia manomboka mahita ny zavatra tsy mety sy ny hadisoana ataon’izy ireo isika, mitovy amin’ny fomba ahitan’ny maso efa mahay ny fahasamihafana misy eo amin’ny vola tena izy sy ny vola sandoka. Rehefa zarintsika bebe kokoa ny masontsika mba hamantatra ireo fahasamihafana dia ho voaomana tsara kokoa isika hahita ireo mpamitaka amin’izao fotoana izao sy hanohitra ny laingany.

Manambatra ny fahalalana eo anatrehan’ny fitaka ataon’i Satana

Mikatsaka ny hampaniasia antsika amin’ny alalan’ny fomba famitahany manokana ara-panahy i Satana, ary raha tsy mitandrina isika dia ho voafitaka. Nampitandrina ny Filoha Joseph F. Smith (1838–1918) hoe: “I Satana dia mpaka tahaka raindahiny ary rehefa omena fahamarinana madio ao amin’ny filazantsara izay tsy mitsaha-mitombo izao tontolo izao dia aeliny koa ny vola sandoky ny fotopampianarana diso. Mitandrema amin’ilay vola sandony izay tsy afaka mividy zavatra hafa afa-tsy fahadisoam-panantenana sy fahoriana ary fahafatesana ara-panahy.”1

Ny fiarovana tena tsara ananantsika mba tsy ho tafalatsaka ao anatin’ny fitaka ataon’i Satana dia ny manao izay azo atao hahafantarana ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara. Rehefa mahafantatra lalina kokoa ny fahamarinana isika dia ho mora kokoa ny mahatsikaritra ireo fahasamihafana rehefa maneho amintsika ny famitahany i Satana. Ka rehefa manao izany izy dia mila mijery ireo fahasamihafana isika fa tsy ireo zavatra mitovy, toy ny nataoko tamin’ireo vola taratasiko dôlara, satria any foana no hahatrarana ny lainga.

Nampianatra ny Filoha Ezra Taft Benson (1899–1994) hoe: Ny Bokin’i Môrmôna dia mampiseho ireo fahavalon’i Kristy. … Namolavola ny Bokin’i Môrmôna noho izany Andriamanitra miaraka amin’ilay fahalalany zavatra mialoha izay tsy misy fetra, mba hahitantsika ireo fahadisoana sy hahafantarantsika ny fomba hiadiana amin’ny hevi-diso ara-pampianarana, ara-pôlitika, ara-pivavahana, ary ara-pilôzôfia amin’izao androntsika izao”2

Ankehitriny dia miady amin’i Satana isika. Mila mahafantatra ny zavatra kononkononin’ny fahavalo isika tahaka ny tafika rehetra. Ny fahafantarana ny fotoana sy ny toerana hamelezan’ny fahavalo ohatra dia fampahalalana sarobidy. Izany no mahatonga ny fiantsoana ny fanangonana fampahalalana toy izany ho hoe “manambatra ny fahalalana.” Ny atao hoe mahafantatra ny fahavalontsika dia lasa maranin-tsaina kokoa noho ny fahavalontsika. Ny Bokin’i Môrmôna dia afaka manampy antsika “hanambatra fahalalana” eo anatrehan’ireo fomba famitahan’i Satana.

Famitahana ny teny manasohaso

Antsasany mahery amin’ireo mpamitaka ao amin’ny Bokin’i Môrmôna no mampiasa fiteny manasohaso sy toetra miavaka mahasarika olona mba hanatanterahana ny tanjony. Ohatra, i Serema dia “olo-mahay ka nanana fahalalana tomombana ny momba ny fitenin’ny vahoaka; noho izany izy dia afaka nampiasa fanasohasoana betsaka sy hery be tamin’ny lahateny araka ny herin’ny devoly” (Jakôba 7:4). Ireo mpisorona ratsy fanahin’i Noà Mpanjaka dia nampiasa “teny poak’aty sy manasohaso” (Môsià 11:7), izay nahatonga ny olona hirotsaka ao amin’ny fanompoan-tsampy sy ireo zava-dratsy hafa. Nitondra vokany nitovy tamin’izany koa i Kôrihôra tamin’ny androny izay, “nampaniasia ny fon’ny maro” (Almà 30:18). I Amalikia sy i Gadiantôna dia samy nampiasa ny fahaizany manasohaso mba hananganana tafiky ny mpanara-dia ratsy fanahy (jereo ny Almà 46:10; Helamàna 2:4).

Tsy hoe toe-javatra tsy nampoizina izany. Ny fanasohasoana dia zavatra ivelany ihany, tsy mahitsy, tsy mifototra amin’ny fahamarinana ary itarina. I Nefia dia nampitandrina ireo izay “hampianatra araka izany fomban’ny fotopampianarana diso sy tsy ilaina ary tsy misy heviny izany ary hizihitra ao am-pony izy sady hikatsaka lalina ny hanafenany ny fiokoany amin’ny Tompo ary ho ao amin’ny maizina ny asany” (2 Nefia 28:9).

Matetika ampiasaina mba hamitahana ny fanasohasoana; mifono tanjona sy drafitra miafina izany raha ny mahazatra. Ny fanasohasoana dia manome lanja ny fomba entina miresaka fa tsy ny votoatin’ny zavatra resahina ary manaitra ny eboebo sy ny avonavon’ilay olona araka ny nofo ao anaty. Ireo mpaminanin’ny Tompo anefa dia milaza amintsika ireo fahamarinana tsotra nefa ilaina mba ho rentsika.

Ny fanasohasoana no fiteny ampiasain’i Satana. Nanazava ny Filoha James E. Faust (1920–2007), Mpanolotsaina Faharoa tao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe: “Matetika ny feon’i [Satana] dia toy ny feno fahendrena ary mora hamarinina ny hafany. Feo mahasarika sy hafahafa izay mahafinaritra izany. Sady tsy mafy no tsy mikorontandrontana izany. Tsy hisy olona hihaino ny feon’i Satana raha toa izany ka mafy sy masiaka.”3

Sary
whispering

Rehefa manolotra amintsika hevitra na hevi-dalina izao tontolo izao, izay tsy manaitra afa-tsy ny eboebontsika sy ny avonavontsika ihany na toa tsara loatra tsotra izao raha ny marina, dia natao ho fampitandremana antsika haingana izany. Raiso ho toy ny fitaka ireo hevitra ireo. Ampitahao amin’ireo fahamarinana nampianarin’ireo mpaminany izany. Tadiavo ireo fahasamihafana fa tsy ireo zavatra mitovy ary dia hiharihary ireo hevitra mifono fitaka.

I Nehôra—Mpamitaka malaza iray

Nampiasa malalaka tsara ny fomba fanasohasoan’i Satana i Nehôra. Ndeha hojerentsika ny momba azy mba ho ohatra iray hodinihina amin’ny maha-mpamitaka ara-panahy azy. I Nehôra, izay nanana fotopampianarana toa ahitana hevitra hoe misy ny mpanavotra, dia mpitory teny malaza sy nanana toetra nahasarika teo anivon’ny Nefita. Nahasarika olona maro nanaraka azy i Nehôra tamin’ny alalan’ny fampianarana fa “hovonjena ny olombelona rehetra amin’ny andro farany” ary “hahazo fiainana mandrakizay” (Almà 1:4).

Hitantsika ve ny antony mahatonga ny hafatr’i Nehôra hahasarika tokoa tahaka izany? Nampianatra mikasika ny Andriamanitra iray izay tsy mivaky loha sy migedragedra fitondra izy—Andriamanitra iray izay hanavotra ny olona rehetra na inona na inona nataony satria tia ny olona rehetra Izy. Noho izany, mandehana dia ataovy izay tianareo satria tsara daholo izany. Fotokevitra mahasarika izay neken’ny olona maro tamin’ny andron’i Nehôra izany (jereo ny Almà 1:5) toy ny isarihan’izany olona maro koa amin’izao fotoana izao. Ny fahazoana tapakila maimaim-poana hidirana ny lanitra dia zavatra tadiavin’ny olona araka ny hita.

Noho izany inona no olana ao anatin’ny hafatr’i Nehôra? Ndeha hojerentsika indray ireo hevi-dehibe ao anatin’ny fotokeviny:

  • Nahary ny olona rehetra Andriamanitra—marina.

  • Tia ny olona rehetra Andriamanitra—marina.

  • Tsy tokony hatahotra an’Andriamanitra isika—marina.

  • Tokony hifaly isika amin’ilay hevitra hoe misy ny famonjena—marina.

Hatreto aloha dia misy fitoviana maro eo amin’ny zavatra nampianarin’i Nehôra sy ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara. Saingy tsarovy—fa tahaka ilay vola sandoka dia mila mijery ireo fahasamihafana isika fa tsy ireo zavatra mitovy. Noho izany dia ndeha hojerentsika ilay hevi-dehiben’i Nehôra farany:

  • Homen’Andriamanitra ny fiainana mandrakizay daholo ny olona rehetra—diso!

Eto izao dia misy fahasamihafana lehibe izay milaza amintsika fa mpamitaka ara-panahy i Nehôra. Ny famonjena amin’ny fahafatesan’ny vatana dia omena ny rehetra, saingy ny famonjena amin’ny fahafatesana ara-panahy dia miankina amin’ny fahavononantsika hibebaka. Rehefa mibebaka isika dia afaka mahazo ny fiainana mandrakizay (jereo ny Jakôba 6:11). Fa tsy omena maimaim-poana izany.

Nahafantatra ilay mpamitaka i Gideôna sy i Almà

Niharihary ny ratsy nataon’i Nehôra ny andro nihaonany tamin’i Gideôna izay mpampianatra marin-toetra tao amin’ny Fiangonan’Andriamanitra. Nanohitra tamim-pahasahiana an’i Noà Mpanjaka i Gideôna taona maro talohan’izany ka dia nanana traikefa mikasika ireo mpamitaka ara-panahy (jereo ny Môsià 19:4–8). “Nanomboka nifanditra mafy tokoa taminy i Nehôra hahazoany mitarika ny olon’ny fiangonana haniasia fa i [Gideôna] kosa nanohitra azy sady nananatra azy tamin’ny tenin’Andriamanitra” (Almà 1:7). Fantatr’i Gideôna fa mpamitaka i Nehôra. Rehefa tratra i Nehôra dia nampiasa fomba iray hafa an’i Satana—famonoana olona. Saingy tsy zava-poana ny fahafatesan’i Gideôna. Nentin’ny vahoaka teo anoloan’i Almà mba hotsaraina i Nehôra mpamitaka.

Nahatsapa i Almà fa tsy hoe meloky ny fanaovana komiberaky ny mpisorona sy ny famonoana olona fotsiny i Nehôra fa raha tsy voasakana koa, ny komiberaky ny mpisorona eo anivon’ny vahoaka dia “hiafara amin’ny faharavany tanteraka” (Almà 1:12). Noho izany dia nohelohina ho faty i Nehôra, ary dia “niaritra fahafatesana mahatsiravina” (Almà 1:15).

Ohatra ho antsika i Gideôna sy i Almà. Rehefa manana ny Fanahy miaraka amintsika isika dia hahita sy handre zavatra “araka ny tena toetrany” (Jakôba 4:13). Hahafantatra ny drafitr’i Satana izay feno fitaka isika “amin’ny fahalalana tanteraka, dia miavaka toy ny hazavan’ny andro amin’ny haizin’ny alina” (Môrônia 7:15).

Ilay fahavalontsika “mpamitaka” dia marani-tsaina saingy afaka ny ho marani-tsaina bebe kokoa isika tahaka an’i Gideôna sy i Almà. Toa ny nanombohako nahafantatra tsikelikely ny fahasamihafana nisy teo amin’ireo vola dôlarako anankiroa dia afaka manazatra ny masontsika sy ny saintsika ary ny fanahintsika koa isika mba hamantatra ny fahasamihafana misy eo amin’ny fahamarinana sy ny lainga. Rehefa manao izany isika dia hahafantatra ireo mpamitaka sy hahatohitra ny laingan’izy ireo.

Fanamarihana

  1. Joseph F. Smith, Gospel Doctrine, edisiôna faha-5 (1939), 376.

  2. Enseignements des Présidents de L’Église: Ezra Taft Benson (2014), 132.

  3. James E. Faust, “The Forces That Will Save Us,” Liahona, jan. 2007, 4.