2016
Ny fitiavana oharina amin’ny filan-dratsy
October 2016


Ny fitiavana oharina amin’ny filan-dratsy

Raha toa ka afaka mahatakatra bebe kokoa ny tena atao hoe filan-dratsy isika dia afaka mianatra ny fomba hisorohana izany sy manao safidy izay hampanakaiky antsika amin’ny Fanahy Masina.

Sary
young couple

Filan-dratsy.

Azo antoka fa teny tsy tsara izany. Tsy te hieritreritra momba izany ny ankamaroantsika, mainka fa hoe hamantatra momba izany. Ilay voambolana dia miteraka fahatsapana mifono fahalotoam-pitondrantena, zavatra maizina—manintona nefa tsy tokony hatao.

Misy antony tsara mahatonga izany. Raha toa ka “ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra” (1 Timoty 6:10), dia azo antoka fa namany miafina ny filan-dratsy. Tsy mendrika sy manambany izany. Ny filan-dratsy dia manova ny olona sy ny zavatra, eny fa na ny hevitra aza ho zavatra tokony hanananana na halaina mba hanomezana fahafaham-po ilay filana maika dia maika. Kanefa raha efa fantatsika izany dia nahoana isika no mila mahafantatra bebe kokoa momba izany?

Satria raha toa ka afaka mahatakatra tsara kokoa ny tena atao hoe filan-dratsy isika dia afaka mianatra ny fomba hamolavolantsika ny eritreritsika sy ny fahatsapantsika ary ny asantsika mba hahafahantsika misoroka sy mandresy ireo fisehon’izany. Izany dia hitarika antsika ho amin’ny fifandraisana akaiky kokoa amin’ny Fanahy Masina, izay manadio ny eritreritsika sy ny fikasantsika ary mampatanjaka antsika. Ary izany dia hitarika antsika ho amin’ny fiainana sambatra sy feno fiadanana ary feno fifaliana bebe kokoa.

Mamaritra ny filan-dratsy

Matetika ny eritreritsika voalohany momba ny atao hoe filan-dratsy dia fahatsapana herin-tsintona ara-batana tsy mendrika sy mahery vaika amin’ny olona iray hafa, kanefa mety hisy ny filana mafy na ny fitsiriritana ny zavatra rehetra: vola, tany, zavatra, ary olona hafa mazava ho azy (jereo ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Fanaranana ny filan’ny nofo”).

Ny filan-dratsy dia mitaona ny olona iray hikatsaka ny hahazo zavatra izay mifanohitra amin’ny sitrapon’ Andriamanitra. Izany dia ahitana izay mety ho fahatsapana na faniriana mahatonga ny olona iray hifantoka amin’ireo zavatr’izao tontolo izao na ireo fombafomba feno fitiavan-tena: ireo zava-mahaliana ny tena manokana, faniriana, firehetam-po ary hetaheta an’ny tena manokana, toy izay ny fitandremana ireo didin’ Andriamanitra.

Raha lazaina amin’ny teny hafa, ny faniriana zavatra mifanohitra amin’ny sitrapon’ Andriamanitra na faniriana ny hanana zavatra amin’ny fomba izay mifanohitra amin’ny sitrapony dia filan-dratsy, ary mitarika ho amin’ny tsy fahasambarana izany.1

Sary
man looking at fancy car

Ny loza avy amin’ny filan-dratsy ara-nofo

Na dia nampitandremana aza isika fa ny filan-dratsy dia endriky ny fitsiriritana ankapobeny, dia mampidi-doza manokana ny filan-dratsy amin’ny sahan-keviny ara-nofo. Nampitandrindra ny Mpamonjy hoe: “Izay rehetra mijery vehivavy hila azy dia efa nijangajanga taminy tam-pony sahady” (Matio 5:28).

Nampitandrina mafy momba ny filan-dratsy amin’ity sahan-keviny iray ity ireo apôstôly taloha. Ohatra iray fotsiny momba izany ny nilazan’ny Apôstôly Jaona hoe: “Fa ny zavatra rehetra eo amin’izao tontolo izao, dia ny filan’ny nofo sy ny filan’ny maso ary ny rehaka momba izao fiainana izao, dia tsy avy amin’ny Ray, fa avy amin’izao tontolo izao ihany” (1 Jaona 2:16; jereo ihany koa ny andininy 17; Romana 13:14; 1 Petera 2:11).

Ary mitohy ireo fampitandremana ankehitriny.2 Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava hoe: “Nahoana ny filan-dratsy no fahotana mahafaty? Eny, ankoatra ny fiantraikany izay mandrava tanteraka ny fanahintsika dia mihevitra aho fa ota izany satria manimbazimba ny fifandraisana ambony sy masina indrindra izay omen’ Andriamanitra antsika eto amin’ity fiainana an-tany ity—dia ny fitiavana izay misy eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy sy ny faniriana ananan’ny mpivady mba hitondra zaza ao anaty fianakaviana iray izay antenaina ho mandrakizay.”3

Ny famelana ny filan-dratsy hitombo no fototry ny fahotana maro. Ny zavatra izay niantomboka tamin’ny topi-maso toa tsy manan-tsiny iray dia afaka mitombo ho tsy fahatokiana feno fahalotoana miaraka amin’ireo voka-dratsy maharikoriko rehetra aterak’izany. Izany no izy satria ny filan-dratsy dia mampisintaka ny Fanahy Masina sy mamela antsika ho mora handairan’ny fakam-panahy hafa sy ireo faharatsiana ary ireo fandriky ny fahavalo.

Ireo safidy mampahonena nataon’i Davida dia ohatra mampalahelo amin’ny hoe tena afaka ny ho mahery vaika sy mahafaty io fihetseham-po io. Sendra nahita an’i Batseba nandro i Davida dia nitsiriritra azy. Nitarika tany amin’ny fanaovan-javatra ilay filan-dratsy, ka dia nampaka azy izy ary niara-nandry taminy. Taorian’izay, dia nanome didy i Davida, noho ny fiezahany tsy tamim-piheverana ny hanafina ny fahotany, ny mba hametrahana ny vadin’i Batseba any amin’ny toerana iray ao anaty ady, izay azo antoka fa hahafaty azy (jereo ny 2 Samoela 11). Vokatr’izany dia namoy ny fisandratany i Davida (jereo ny F&F 132:38–39).

Mety ho toy ny tena henjana ny toe-javatra niainan’i Davida, kanefa izany dia manamarina ny hoe: fakam-panahy mahery vaika ny filan-dratsy. Ny firotsahana ao anatin’izany dia mety hahatonga antsika hanao ireo zavatra izay tsy ho ataon’ny olona mieritreritra tsara. Mahatonga izany ho mampidi-doza kokoa ny maha-mpamitaka izany sy ny maha-mora mampifoha izany ary ny fahaizan’izany maka fanahy antsika mba hanalavirantsika ny Fanahy Masina sy hampanoavantsika ny sitrapontsika amin’ny zavatra voarara. Mety hanomboka amin’ny alalan’ny fijerena pôrnôgrafia izany, na fihainoana tononkira tsy maotina, na firotsahana amin’ny fifampikasoham-batana tsy mendrika. Etsy ankilany, ireo fahatsapana feno filan-dratsy dia mety hitaona ny olona tiray hijery pôrnôgrafia. Tena mahery vaika sy mampidi-doza izany fifandraisana miverimberina izany.4

Ny filan-dratsy ara-nofo dia manambany sy mampihen-danja ny fifandraisana rehetra, anisan’ny manan-danja amin’izany ny fifandraisan’ny olona iray amin’ Andriamanitra. “Ary lazaiko aminareo marina tokoa, toy ny efa voalazako teo aloha, fa ny lehilahy izay mijery vehivavy ka mitsiriritra azy, na raha misy manitsakitsa-bady ao am-pony, dia tsy hanana ny Fanahy izy fa handa ny finoana ary hatahotra” (F&F 63:16).

Nampianatra ny Loholona Richard G. Scott (1928–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Ny fahalotoam-pitondrantena dia miteraka sakana manohitra ny fitaoman’ny Fanahy Masina sy ny fahafahany mankahery sy manazava ary manome hery rehetra. Miteraka fanaitairana ara-batana sy ara-pihetsehampo mahery vaika izany. Amin’ny farany dia miteraka faniriana mahery vaika izay mitaona ilay mpanota hanao fahotana goavana kokoa izay tsy hitsaha-mitombo izany.”5

Inona no tsy atao hoe filan-dratsy

Sary
couple walking on the beach

Rehefa avy namariparitra ny atao hoe filan-dratsy dia zava-dehibe ihany koa ny mahatakatra ny tsy atao hoe filan-dratsy ka hitandrina tsara mba tsy hiantso ireo eritreritra sy fahatsapana ary faniriana tsara hoe filan-dratsy. Karazana faniriana iray ny filan-dratsy, kanefa misy ihany koa ireo faniriana tsara. Ohatra, afaka maniry zavatra tsara sy mendrika izay hanampy antsika hanatontosa ny asan’ny Tompo isika.

Eritrereto ny:

  • Faniriana hanam-bola. Raha izay mihitsy no handraisana azy dia tsy ratsy ny faniriana hanam-bola. I Paoly dia tsy niteny hoe ny vola no fototry ny ratsy rehetra. Hoy izy: “ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra” (1 Timoty 6:10, nampiana fanamafisana). Nanome fanazavana fanampiny ireo fampianaran’i Jakôba: “Nefa mialohan’ ny hikatsahanareo harena, dia katsahonareo ny fanjakan’ Andriamanitra. Ary rehefa avy nahazo ny fanantenana ao amin’i Kristy ianareo, dia hahazo harena raha hokatsahinareo izany; ary ianareo hikatsaka izany noho ny fikasana hanao soa—hampitafy ny mitanjaka sy hamahana ny noana sy hanafaka ny babo ary hitondra fanampiana ho an’ ny marary sy ny ory” (Jakôba 2:18–19).

  • Fananana fahatsapana ara-nofo mendrika amin’ny vadinao. Ireny fahatsapana nomen’ Andriamanitra ireny dia mampatanjaka sy manamafy ny fanambadiana ary mampiray hina ny mpivady. Kanefa mety hisy ny fananana fahatsapana tsy mendrika amin’ny vady. Raha toa ka mikatsaka ny hanatontosa ny faniriantsika manokana isika, na hanome fahafaham-po fotsiny ny hetaheta sy ny fahatsapantsika, dia mety ho tafalatsaka ao anatin’ny faniriana mifono filan-dratsy isika ary mety hanimba ny fifandraisan’ny mpivady izany. Ny fanalahidin’ny fikatsahana sy fihazonana fifandraisana ara-nofo mendrika ao anatin’ny fanambadiana dia ny fikasana madio sy feno fitiavana.

Ny fitsipika manan-danja dia ny mikatsaka zavatra noho ny tanjona marina—ny hanangana ny fanjakan’ Andriamanitra sy hampitombo ny hatsarana eto amin’izao tontolo izao. Mifanohitra amin’izany, ny filan-dratsy dia mamporisika antsika hanao fitondrantena tsy mendrika, ka ireo faniriantsika dia mety hanao tsinontsinona an’ Andriamanitra, handray ny olona ho toy ny zavatra, ary hamadika ny zavatra, ny harena, eny fa na ny fahefana aza ho lasa zava-doza izay manova ny fahatsapantsika ary manimba ireo fifandraisantsika.

Ny antony maha-tafalatsaka antsika ao anatin’ny filan-dratsy matetika

Raha hita fa tena manimba sy mampidi-doza ny filan-dratsy, dia nahoana no tena maka fanahy sy tena mihanaka izany? Nahoana isika no mamela izany handresy tanteraka antsika? Ety ivelany dia toa ny fitiavan-tena sy ny tsy fananana fifehezan-tena no antony fototra mahatonga ny filan-dratsy. Ireo dia anisan’ny antony mitondra izany saingy ny tena fototry ny filan-dratsy matetika dia ny fahatsapana fahabangana. Mety ho tafalatsaka amin’ny filan-dratsy ny olona tsirairay noho ny fiezahana hameno tsy amim-pahombiazana ny fahabangana eo amin’ny fiainan’izy ireo. Ny filan-dratsy dia fihetseham-po sandoka, zavatra ratsy asolo ny tena fitiavana sy ny soatoavina marina, ary ny maha-mpianatra maharitra.

Toetry ny fo ny fifehezana ny fihetseham-po araka ny tokony ho izy, amin’ny lafiny iray. “Fa tahaka ny heviny ao am-pony ihany no toetrany” (Ohabolana 23:7). Na aiza na aiza hametrahantsika ny fifantohantsika ara-tsaina sy ara-panahy dia izay no ho tonga hery mitarika ny eritreritsika sy ny fahatsapantsika ary ny asantsika. Isaky ny mahatsapa ho alaim-panahy hanana filan-dratsy isika dia mila manolo izany fakam-panahy izany amin’ny zavatra mendrika kokoa.

Ny fidonanaham-poana koa dia afaka miteraka eritreritra feno filan-dratsy. Rehefa tsy misy zavatra mandeha firy eo amin’ny fiainantsika dia toa mora andairan’ireo fitaoman-dratsy isika. Rehefa mikatsaka amim-pahazotoana ny hirotsaka amin’ny fanaovan-tsoa isika (jereo ny F&F 58:27) ary miezaka ny mampiasa ny fotoantsika amim-pahombiazana dia tsy ho voasarika amin’ireo eritreritra feno filan-dratsy na ireo fitaoman-dratsy hafa isika.

Araka ny nohazavain’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ireo faniriana safidiantsika hidirana dia misy fiantraikany, tsy amin’ny asantsika ihany fa amin’ny karazan’olona izay hahatongavantsika ihany koa: “Ny faniriana no milaza izay tokony ho laharam-pahamehantsika, ny laharam-pahamehana no mamolavola ny safidintsika ary ny safidy no mamaritra ny zavatra ataontsika. Ireo faniriana izay asehontsika amin’ny asa no mamaritra ireo fiovana misy eo amintsika, ireo tanjona tratrantsika ary ny hiafarantsika.”6

Raha lazaina amin’ny teny hafa dia tsy hoe tokony ho malina amin’ireo fihetseham-po avelantsika hiditra ny tenantsika fotsiny isika fa tokony ho malina koa amin’ireo eritreritra manafaingana ireo fahatsapana ireo na aterak’ireo fahatsapana ireo. Nampianatra i Almà fa raha toa ka maloto ny eritreritsika dia “hanameloka antsika koa ny eritreritsika” (Almà 12:14).

Ny fanefitra: fitiavana tahaka ny an’i Kristy

Sary
young married couple

Tsy hoe tsy azo ihodivirana ny filan-dratsy. Satria nanome antsika ny fahafahana misafidy ny Ray any An-danitra dia manana hery hifehezana ny eritreritsika sy fahatsapantsika ary asantsika isika. Tsy voatery hanaraka ireo eritreritra sy fahatsapana feno filan-dratsy isika. Rehefa tonga ny fakam-panahy dia afaka misafidy ny tsy hidina hanaraka ireo lalana ireo isika.

Ahoana no fomba handresentsika ny fakam-panahy hanarana filan-dratsy? Atombotsika amin’ny fikolokoloana fifandraisana araka ny tokony ho izy amin’ny Raintsika any An-danitra sy amin’ny fisafidianana ny hanompo ny hafa izany. Ary manolo-tena hanana fitondrantenan’ny mpivavaka isan’andro isika, ka ahitana ny vavaka sy ny fandalinana ny soratra masina izany, izay manasa ny Fanahy Masina ho eo amin’ny fiainantsika. Amin’ny farany dia ny fitiavana tahaka ny an’i Kristy no tsiambaratelo—madio, matotra, fitiavana marina, miaraka amin’ny faniriana hanorina ny fanjakan’ Andriamanitra sy hanana maso tsy mibanjina afa-tsy ny voninahiny. Tsy tanteraka izany fitiavana izany raha tsy rehefa manana ny Fanahy Masina ho namana ihany isika.

Ny fanesorana ny filan-dratsy dia mitaky vavaka avy amin’ny fo izay angatahantsika an’ Andriamanitra mba hanaisotra ireo fahatsapana ireo sy hanome, ho solon’izany, fitiavana feno fiantrana (jereo ny Môrônia 7:48). Azo tanterahina izany, tahaka ny fibebahana amin’ny zavatra hafa rehetra, amin’ny alalan’ny fahasoavan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.7 Noho Izy dia afaka mianatra mitia amin’ny fomba hitiavany antsika sy hitiavan’ny Ray any An-danitra antsika isika.

Rehefa mifantoka tsy tapaka amin’ny Raintsika any An-danitra isika, rehefa miaina araka ireo didy lehibe voalohany sy faharoa—ny hitia an’ Andriamanitra sy ny namantsika tahaka ny tenantsika (jereo ny Matio 22:36–39)—ary rehefa manao izay rehetra azontsika atao mba hiaina araka ny nampianariny isika dia hisy fiantraikany mahery vaika tokoa eo amin’ny fiainantsika ireo fikasana madio sy marina. Rehefa mampiray ny sitrapontsika amin’ny sitrapon’ny Ray isika dia hihena ireo fakam-panahy sy ireo vokatry ny filan-dratsy ka hosoloina fitiavana madion’i Kristy izany. Dia hofenoina ny fitiavan’ Andriamanitra isika avy eo izay manolo ireo faniriana ratsin’ity izao tontolo izao ity amin’ny hakanton’ny fanorenana ny fanjakan’ Andriamanitra.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Dallin H. Oaks, “Joy and Mercy,” Ensign, nôv. 1991, 75; sy Thomas S. Monson, “Finishers Wanted,” Ensign, jolay 1972, 69.

  2. Mba hahitana ohatra vitsivitsy monja, dia jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:121; Spencer W. Kimball, “President Kimball Speaks Out on Morality,” Ensign, nôv. 1980, 94–98; Neal A. Maxwell, “The Seventh Commandment: A Shield,” Ensign, nôv. 2001, 78–80; Russell M. Nelson, “Where Is Wisdom?” Ensign, nôv. 1992, 6–8. Mba hahitana fampitandremana bebe kokoa mikasika ny filan-dratsy ao amin’ny soratra masina dia avereno jerena ireto lohahevitra manaraka ireto ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina: Fijangajangana; Ara-nofo; Fahadiovam-pitondrantena; Mitsiriritra; Fanitsakitsaham-bady; Manarana ny filàn’ny nofo; Fitondrantena maloto.

  3. Jeffrey R. Holland, “Aza manome toerana intsony ho an’ny fahavalon’ny Fanahiko,” Liahona, mey 2010, 44–45.

  4. Ho fanampim-panazavana momba ity lohahevitra ity dia jereo ny Dallin H. Oaks, “Recovering from the Trap of Pornography,” Liahona, ôkt. 2015, 50.

  5. Richard G. Scott, “Making the Right Choices,” Ensign, nôv. 1994, 38.

  6. Dallin H. Oaks, “Faniriana,” Liahona, mey 2011, 42.

  7. Jereo, ohatra, ny D. Todd Christofferson, “Ilay fanomezana masin’ny fibebahana,” Liahona, nôv. 2011, 38–41.