2016
Fotoana hanaovana tantaram-pianakaviana
October 2016


Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Fotoana hanaovana tantaram-pianakaviana

Sary
a season for family history

Sary nataon’i Wilson Ong

Noho izaho renin’ny zanakavavy kely roa dia matetika aho no manao fialan-tsiny fa tsy afaka mandray anjara amin’ny sasany amin’ireo zavatra tiako hatao satria tsy mbola tonga fotsiny ny “fotoana” tokony hanaovako izany. Iray tamin’ireo zavatra ireo ny asa fanaovana tantaram-pianakaviana.

Na dia nandray anjara tamin’ny firaketana faobe, izay asa fanao nahafinaritra rehefa Sabata aza aho taloha dia nanjary nitady fialan-tsiny aho fa sady tsy manana fotoana no tsy manana fahalalana mba hanolorana tena tanteraka amin’ny fanaovana ny tantaram-pianakaviako tamin’izany fotoana izany.

Niova ny foko indray maraina be volana vitsivitsy lasa izay rehefa nipetraka tao amin’ny tempoly aho. Rehefa namerina nijery ireo anaran’olona maty teo amin’ireo karatry ny tempoly aho ary nivavaka mba haneken’izy ireo ireo ôrdônansin’ny tempoly hotanterahina ho azy ireo, dia nieritreritra hoe: “Tsy mahafinaritra ve raha ny olona ao amin’ny fianakaviana ireo olona ireo? Te hanao ilay asa ho azy ireo aho.” Nanamafy tamiko ny Fanahy fa raha izany no faniriako dia hanampy ahy ny Tompo hanao ny tantaram-pianakaviako, indrindra fa amin’ny andro Sabata. Afaka nanampy ahy hahita fotoana sy hahazo ny fahalalana mba hanatanterahana ny tanjony Izy.

Tamin’io alahady io dia nody aho, dia niditra tao amin’ny FamilySearch.org. Nipatrapatraka avy hatrany ny ranomasoko rehefa nahita ny anaran’ireo razambeko aho. Nanjary natanjaka kokoa ny fifandraisako tamin’izy ireo. Nampitombo kokoa ny fitiavako azy ireo ireo sarin’izy ireo manokana sy tahirin-kevitra izay vao nampidirin’ny renibeko tao, ka nahatonga ireo olona tao amin’ny fianakaviako ho toy ny tena azo notsapain-tanana sy nanan-danja kokoa tamiko. Nahatsapa fifaliana aho tamin’ny nampandraisako anjara ny zanako roa taona, izay nianatra namantatra ny sarin’ny rain’ny dadabeny sy ny renin’ny reniben’ny raibeny, ka niantso azy ireo tamin’ny anarany. Tsapako ilay zavatra nofariparitan’ny Filoha Russell M. Nelson Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Manome fahafahana mahafinaritra mba hanamafy orina ny fifandraisan’ny fianakaviana ny Sabata. Raha ny marina dia tian’ Andriamanitra isika tsirairay avy, amin’ny maha-zanany antsika, mba hiverina any Aminy amin’ny maha-Olomasina vita fanafiana masina sy nofehezina tamin’ny razambentsika sy ny taranatsika tany amin’ny tempoly amin’ny maha-fianakaviana antsika” (“Fahafinaretana ny Sabata,” Liahona, mey 2015, 130).

Hatramin’izay zavatra niainana voalohany izay dia nanohy nandray anjara tamin’ny fanaovana tantaram-pianakaviana aho rehefa Sabata. Nahazo fitahiana aho mba hanao asa atao any amin’ny tempoly ho an’ny sasany amin’ireo olona efa maty tao amin’ny fianakaviako. Fitahiana iray miavaka ny fahafantarana ny momba ireo havako sy ny nananako fifandraisana akaiky tamin’ireo ray aman-drenibeko izay tsy mpikambana ato amin’ny fiangonantsika. Nampahatanjaka ny fahavononako hitandrina ireo fanekempihavanana sy haharitra hatramin’ny farany izany mba ho rohy matanjaka ao amin’ny fianakaviako mandrakizay aho.

Na dia mbola betsaka aza ny asa tokony hatao dia feno fankasitrahana ny Raiko any An-danitra aho noho ny nampitomboany ny fahafahako manao zavatra mba hahafahako mandray anjara amin’ny asany, indrindra fa amin’ny androny. Ho ahy, ny andro Sabata dia tena fahafinaretana.