2016
Mangataka famindram-po
October 2016


Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Mangataka famindram-po

Sary
begging for mercy

Sary nataon’i Stan Fellows

Rehefa nandeha nankany amin’ny tanàna akaiky iray tany Estonie aho dia nahita lehilahy iray nangataka vola. Mahagaga fa fantatro izy fony aho misiônera nanao asa fitoriana tao amin’izany tanàna izany 10 taona lasa izay. Nitondra harona lehibe feno tavoahangy plastika nangonina mba havadika ho vola, tahaka ny taloha izy. Tsaroako fa nangataka vola fanampiny foana izy, ary raha manome vola kely azy ianao dia anontaniany raha toa ka manana bebe kokoa omena.

Tena taitra aho nahita azy. 10 taona taty aoriana dia mbola tsy niova ihany izy––niampy volofotsy kely, saingy toa mbola toy ny teo aloha ihany ny fiainany, nangata-bola isan’andro. Nieritreritra ireo 10 taona nahafinaritra niainako aho tetsy andaniny, izay nahitana ny fanambadiana tany amin’ny tempoly, ny fandrantoana fianarana, ny fahitana asa tsara, ary ny fankamamiana ny fahasalamana tsara.

Fantatro fa izany no mety ho fotoana farany hahitako azy ka nahatsapa aho fa tokony hanome zavatra ho azy. Ny olana anefa dia vola betsaka lavitra noho izay tiako homena azy no taty amiko. Nikentronkentrona aho teo anatrehan’ny safidy nananako––tsy hanome na inona na inona azy na hanome azy mihoatra izay tiako homena. Tapa-kevitra aho fa tsy dia hampaninona ahy akory izany ary koa hahafaly azy fatratra ka dia nomeko azy ilay vola.

Tsy ampy roa andro taty aoriana dia tao anatin’ny toe-javatra nitovitovy tamin’izany aho, kanefa tamin’ity indray mitoraka ity dia izaho no ilay nangataka famindram-po. Nafangaroko ny daty fandefasana fangatahana vatsim-pianarana iray izay mitentina misimisy ihany. Nihevitra aho fa nalefako roa herinandro mialoha izany kanefa raiki-tahotra aho rehefa niverina nijery ilay daty ka nahita fa tara iray andro ny nandefasako izany.

In-jato avo heny katroka mihoatra ilay vola nomeko ilay mpangataka ny fitambaran’ilay vatsim-pianarana, ary toy ny naneso ahy izany ilay toe-javatra nitranga. Sady nanjary nangataka famindram-po tamin’ny Raiko any An-danitra tamin’ny alalan’ny vavaka aho no nanjary nangataka famindram-po tamin’ireo tompon’andraikitra tao amin’ilay oniversite tamin’ny alalan’ny email. Nilaza izy ireo fa handray ilay fangatahana kanefa hanisy marika hoe tara izany.

Nivaly ny vavaka nataoko ary notahiana aho fa nahazo ilay vatsim-pianarana, izay nanampy be dia be anay mivady teo amin’ny ara-bola. Saingy mbola manan-danja bebe kokoa ny hoe nampianatra ahy lesona sarobidy iny zavatra niainako iny: moa tsy mpangataka avokoa va isika eo anatrehan’ Andriamanitra? (jereo ny Môsià 4:19).