2016
Ny fahagagana avy amin’ny hafanana antonontonony
October 2016


Ny fahagagana avy amin’ny hafanana antonontonony

Tianao ho azo izao dieny izao ve izany—sa tianao ho azo araka ny tokony ho izy?

Sary
burnt grilled cheese sandwich

Alaivo sary an-tsaina ny zatovolahy iray izay ao an-trano ary miha-noana (eny, toa tsy mampino izany, saingy ezaho alaina sary an-tsaina). Izao dia alaivo sary an-tsaina izany zatovolahy izany miezaka manamboatra samirery mofo sisihina frômazy natono ka ity no fotoana voalohany hanaovany izany.1 Alaivo sary an-tsaina hoe tsy mbola nampianatra azy hanamboatra mofo sisihina frômazy natono mihitsy ny ray aman-drenin’ity zatovolahy ity ary tsy mbola nijery azy ireo akaiky izy rehefa nanamboatra izany izy ireo.

Alaivo sary an-tsaina anefa hoe naka araka ny tokony ho izy ireo fangaro ilaina rehetra ity zatovolahy ity: mofo, frômazy, dibera kely eo ivelan’ny mofo (ary mayonnaise kely ao anatiny satria marani-tsaina izy). Avy eo dia navoakany ny lapoaly dia napetrany teo ambony fatana. (Alaintsika sary an-tsaina ihany koa fa tsy manana fitaovana manokana hanamboarana izany sakafo izany izy.)

Alaivo sary an-tsaina izao hoe mibahana ao an-tsainy ny eritreritra iray—eritreritra izay ananan’ny olona maro tsy dia ampy fahalalana loatra (na somary tsy misaina amin’io fotoana io) ka dia hieritreritra hoe: “Raha toa ka ampiakariko ambony be ny hafanana dia ho vita vetivety izany.”

Alaivo sary an-tsaina ny zavatra mitranga manaraka. (Na angamba tsy voatery maka sary an-tsaina izany ianao.)

Na izy hahazo mofo mikarepodrepoka sy maimay tsara na frômazy mitsonika tsara—fa tsy izy roa. Azo antoka fa hahazo mofo izay hitovy endrika sy ho tsapa fa tahaka (ary mety ho mitovy tsiro) amin’ny vato avy amin’ny vôlkano sy frômazy zara raha mitsonika izy, izay toa mampilendalenda tahaka ny tantara tsy voatantara hatramin’ny farany.

Ny olany, araka ny hitanareo, dia fitambaran’ny tsy fahalalana (izay tsy omen-tsiny) sy ny tsy faharetana (izay, na dia azo takarina aza dia tsy tena azo ekena). Raha toa ka hamerina izany fahadisoana izany izy amin’ny fotoana manaraka, dia vao mainka tsy azo ekena izany, satria tsy ny tsy fahalalana intsony no hanomezana tsiny fa saika ho avy amin’ny tsy faharetana tanteraka kosa izany.

Mba hahazoana mofo araka ny tokony ho izy dia mila mahita ny fahagagana avy amin’ny hafanana antonontonony izy.

Ny antonontonony dia tsy mankaleo

Ny afo antonontonony eo ambony fatana dia mety tsara ho an’ny frômazy natono sy ireo sakafo maro hafa satria mamela ilay sakafo ho masaka tsara izany ka tsy ho masaka loatra ny ivelany. Ny hany olana amin’izany dia mitaky fotoana sy fifantohana bebe kokoa izany, izay mitaky faharetana.

Hoy ny Tompo: “Koa mitozoa ao amin’ny faharetana mandra-pahatonga anareo ho tanteraka” (F&F 67:13). Eto Izy dia miresaka momba ilay karazana fahalavorariana izay mihoatra noho ny fanaovana mofo sisihina frômazy natono tena lafatra. Tiany ho tonga tahaka Azy isika. Ohatra tonga lafatra indrindra amin’ny faharetana i Jesoa Kristy. Anisan’ny fanarahana ny ohatra nasehony ny fampivoarana ny fomba fijerintsika, ka hijery mihoatra lavitra an’ireo zavatra mitranga eo ambany maso, dia hahita ny valisoa lehibe kokoa izay tonga avy amin’ny fifehezan-tena, ny finoana, ny fankatoavana, ny fiorenana mafy sy ezaka tsy tapaka, ny fahari-po, ary ny fitiavana—raha lazaina amin’ny teny hafa dia fananana faharetana.

Raha ny famaritana no jerena dia milaza fiandrasana izay toa mahakamo ny faharetana, saingy araka ny nampianarin’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany antsika dia mihoatra noho ny miandry fotsiny izany: “Ny faharetana dia midika hoe miandry sady miasa no maharitra amim-pahazotoana. Izany hoe miaritra amin’ny zavatra iray ary manao izay rehetra vitantsika—miasa, manantena ary mampihatra ny finoana; mizaka ny fisapana amin-kerimpo na dia mihemotra aza ireo zavatra irian’ny fontsika. ny faharetana dia tsy hoe maharitra fotsiny fa maharitra tsara!”2

Izany dia tsy hoe fametrahana fotsiny ilay mofo sisihina frômazy natono eo ambony lapoaly dia manadino izany; fa mijery sy mamadika izany amin’ny fotoana mahamety azy.

Tsy hoe mandeha fotsiny any an-tsekoly na any amin’ny seminera na any am-piangonana izany; fa mianatra sy mitsaoka amim-pahavitrihana.

Tsy hoe miandry fotsiny ny fijoroana ho vavolombelona momba ny Bokin’i Mormôna hilatsaka eo aminao izany satria nangataka izany ianao fa manohy mamaky, mandalina, misaintsaina, mivavaka ary miaina araka ireo fitsipika ao amin’izany boky izany.

Izany dia tsy hoe mipetra-potsiny rehefa mandrabiraby ny fivavahanao ireo namanao; fa mivavaka ho azy ireo sy tena maniry ny hananan’izy ireo fiovam-po ary manao izay azonao atao hahatanteraka izany.

Izany dia tsy hoe miandry 16 taona vao mampiaraka fa mianatra ny hitia ny fankatoavana sy miezaka mahatakatra ny fomba hitahian’ny fanarahana ny torohevitry ny mpaminany anao.

Ataovy malefaka ny hafanana

Sary
grilled cheese sandwich

Ny faharetana sy ny fahononam-po, na ny fifehezan-tena, dia samy anisan’ny “vokatry ny Fanahy” (jereo ny Galatiana 5:22–23). Na dia misy aza ireo zavatra maika izay mitaky asa eo no ho eo na valinteny vonona (tahaka ny hoe misy ireo sakafo sasany izay mila hafanana mahamay be), dia tokony hirona mankany amin’ny faharetana sy fifehezan-tena lehibe kokoa ianao. Raha toa ka tsapanao fa mitranga izany dia izay ilay famantarana fa miasa eo amin’ny fiainanao ny Fanahy.

Ny fahagagana avy amin’ny hafanana antonontonony dia mety hanome anao mofo sisihina frômazy natono tena lafatra, mofo fanaovana hamburger izay tsy mitovy amin’ny takela-pisaka fanaovana hockey izay miloko mavokely ny ao afovoany, ovy voakiky mendy tsara fa tsy may be, ary vary malefaka sy mitombo tsara fa tsy mafy sy toy ny fingotra. Kanefa ny faharetana dia manana ny “asa tanteraka” (Jakoba 1:4) ataony eo amin’ny fiainanao, manampy anao hibosesika handroso ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy bebe kokoa, mitondra ny fitaoman’ny Fanahy Masina, ary amin’ny farany dia hanampy hitarika anao any amin’ny fiainana mandrakizay.

Rehefa tsikaritrao ireo zavatra izay mahatonga anao ho lasa tsy manam-paharetana dia eritrereto ilay mofo sisihina frômazy natono (na izay mety ho sakafo tena mety tsara aminao) sy ny zavatra mety ho afoinao rehefa avelanao mitarika ny asanao ny tsy faharetana. Raha toa ianao ka mahatsiaro ho meloka amin’ny fironana amin’ny tsy faharetana matetika loatra dia fantaro fa mitranga amin’ny olona maro izany. Afaka mibebaka ianao ary miezaka indray mba hanaraka ny ohatra sy ny fampianaran’i Jesoa Kristy. Tsy iray ihany ny mofo sisihina frômazy natono tokony hamboarina. Ary tsy tara loatra na oviana na oviana ny mianatra momba ny fahalavorariana izay afaka mitranga amin’ny alalan’ny faharetana.

Fanamarihana

  1. Mazava ho azy fa Amerikana io zatovolahy io. Mety ho avy any amin’ny toeran-kafa koa anefa izy, ary sambany vao nanamboatra fry-up, crêpes, Kartoffelpuffer, Köttbullar, pancakes, tortillas, na nahandro vary. Mitovy ihany ny hevitra tiana hampitaina.

  2. Dieter F. Uchtdorf, “Mitozoa ao amin’ny faharetana,” Liahona, mey 2010, 57, 59.