2016
Fanovozan-kevitra ho an’ny takarivan’ny mpianakavy
October 2016


Fanovozan-kevitra ho an’ny takarivan’ny mpianakavy

Ity laharana ity dia ahitana lahatsoratra sy zavatra atao azo ampiasaina mandritra ny takarivan’ny mpianakavy. Ireto manaraka ireto misy ohatra anankiroa.

Sary
children at family home evening

“Ny ankizy madinika sy ny Fanasan’ny Tompo,” pejy 16: Rehefa avy mamaky ilay lahatsoratra ianareo ray aman-dreny dia azonareo atao ny miresaka ireo fomba hampianarana ireo zanakareo mbola kely mikasika ny maha-zava-dehibe ny fanasan’ny Tompo sy ireo fanekempihavanana hataon’izy ireo indray andro rehefa atao batisa izy ireo. Azonareo ampiasaina ireo vavaky ny fanasan’ny Tompo (izay hita ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77, 79) mba hampianarana mikasika ireo fampanantenana ataontsika amin’ny batisa sy ny fomba hamelan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo isaky ny alahady antsika hanavao ireo fampanantenana ireo. Azonareo atao koa ny mitady hevitra hanampiana ireo zanakareo mbola kely hifantoka amin’ny Mpamonjy mandritra ny fanasan’ny Tompo, toy ny mamorona bokin-tsary tsotra feno sarin’ny Mpamonjy.

“Fomba hoenti-mianatra,” pejy 62: Raha manan-janaka efa lehibe kokoa izay mandalina manokana ny soratra masina ianareo dia vakio miaraka amin’izy ireo ity lahatsoratra ity ary asao izy ireo hanandrana ireo hevitra avy ao amin’ilay lahatsoratra. Azonareo asaina ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana hamorona diary fandalinana soratra masina an’ny tena manokana dia hanao tanjona ny hanoratra tsy tapaka ao anatin’izany. Afaka manolo-tena hizara ny eritreriny sy ny fahatsapany avy ao amin’ny diariny ireo olona ao amin’ny fianakaviana mandritra ireo takarivan’ny mpianakavy manaraka.