2016
Tantara momba an’i Story
October 2016


Ankizy mijoro amin’izay inoany

Tantara momba an’i Story

Sary
a story about Story

Manahoana ry namako!

Story no anarako. Nipetraka tany Turkménistan aho. Firenena ao Azia afovoany izany. Tia mamaky boky sy manao sary ary manjaitra aho. Tia mijery kintana miaraka amin’ny dadako aho. Izaho sy ny fianakaviako no hany mpikamban’ny Fiangonana tao anatin’ilay firenena iray manontolo!

Mivavaka ho an’i Missy

Indray andro taorian’ny oram-baratra lehibe iray dia tsy hita i Missy, izay sakan’ny namako. Nitady teny rehetra teny izahay fa tsy nahita azy. Niteny aho hoe afaka mivavaka izahay. Tsy fantatr’ireo namako ny fomba hanaovana izany ka dia nasehoko azy ireo. Nandohalika avokoa izahay rehetra dia nivavaka tsirairay. Nitsangana izahay avy eo dia nanomboka nitady indray. Nisy zazavavy iray nihazakazaka nanatona anay dia nilaza fa hitany i Missy! Faly aho fa nizara ny ampahany tamin’ny filazantsara tamin’ireo namako.

Mianatra avy amin’ny tsirairay

Izaho sy i Sariah rahavaviko dia nandeha nianatra niaraka tamin’ny ankizy avy amin’ny firenena maro. Tianay ny nianatra avy amin’ny tsirairay ary nahazo fahafinaretana izahay.

Asa tanana sy fialamboly

Nanasa ny namanay hilalao miaraka aminay izahay sy i Sariah. Nanao hosodoko sy nanao asa tanana ary nitsangantsangana izahay. Nilalao tantara mikasika ny fahaterahan’i Jesoa Kristy niaraka tamin’ireo namana mpifanolobodirindrina izahay tamin’ny Krismasy.

Miangona ao an-trano

Koa satria izahay no hany mpikamban’ny Fiangonana dia tao an-trano izahay no niangona. Nanao fivoriana fanasan’ny Tompo, fotoam-pihirana, fotoana ifanakalozana, ary leson’ny Kilonga izahay. Nitendry pianô aho nandritra ny fotoam-pihirana.