2016
Anjely antsoina hoe Andriamatoa sy Ramatoa Dunn
October 2016


Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Anjely antsoina hoe Andriamatoa sy Ramatoa Dunn

Sary
angels named Mr. and Mrs. Dunn

Sary nataon’i Wilson Ong

Nijery fahitalavitra aho rehefa niantso ahy ny reniko mba hilaza tamiko fa nararin’ny gripa i Dadatoa Floyd anadahiny izay 92 taona sy i Nenitoa Millie vadin’i dadatoa, ary tsy nisy sakafo tao an-tranon’izy ireo. Tsy afaka nankany an-tsena hividy zavatra ihany koa izy ireo. Tsy nanana fianakaviana hafa akaiky azy ireo i Dadatoa Floyd sy i Nenitoa Millie ka dia tsy nanana na iza na iza hanampy azy izy ireo.

Nanontany tena ny reniko raha afaka manampy aho. Izaho irery no mpikamban’ny Fiangonana tao amin’izany ampahany amin’ny fianakaviako izany, ary efa nantsoina hanampy tamin’ny toe-javatra maro aho teo aloha. Ny olana dia nipetraka tany Utah Etazonia aho, ary tany Hemet Californie, Etazonia no nisy ireo nenitoako sy ny dadatoako.

Nangataka ny reniko hanome ahy minitra vitsy aho hieritreretana izay zavatra hatao. Nanana namana nipetraka tany akaikin’i Hemet aho, ka dia nantsoiko izy ary nanontaniako raha nahafantatra olona tao Hemet. Niresaka tamiko momba ny vehivavy iray niara-nanompo taminy tany amin’ny Tempolin’i Redlands Californie nantsoina hoe Rahavavy Dunn izay filohan’ny Fikambanana Ifanampiana tany izy.

Rehefa namaly ny antso an-telefaonina nataoko Rahavavy Dunn dia hoy aho nanomboka ny resaka hoe: “Manahoana Rahavavy Dunn. Tsy fantatrao aho, fa i Nancy Little no anarako, ary mipetraka aty Utah aho. Mpikamban’ny Fiangonana aho, saingy tsy mpikambana ny nenitoako sy ny dadatoako mipetraka any Hemet. Marary izy ireo ary tsy manana sakafo ao an-tranony.” Nolazaiko azy ny toerana nipetrahan’izy ireo, izay lavitra ny toerana nisy azy, ary nohazavaiko fa te hahafantatra fotsiny ny mombamomba izay trano fisakafoana iray teo akaikin’izy ireo izay mety ho afaka hanatitra sakafo aho.

Naleon-drahavavy Dunn kosa nisisika nilaza fa hanatitra sakafo any amin’ny nenitoako sy ny dadatoako izy sy ny vadiny. Toa hoe nanao lasopy sy mofo tao an-trano izy ireo, ary vao avy nanamboatra cookies ny reniny. Tsy nanaiky aho saingy nisisika ihany izy.

Ora vitsy taty aoriana dia niantso Rahavavy Dunn ary nanome toky ahy fa nandeha tsara daholo ny zavatra rehetra. Niantso ny reniko afaka fotoana vitsy mba hilaza tamiko izay nolazain’i dadatoa Floyd momba ny fitsidihan’izy ireo. Hoy izy hoe: “Nisy anjely antsoina hoe Andriamatoa sy Ramatoa Dunn tato an-tranoko. Tonga niaraka tamin’ny sakafo be dia be novimbininy izy ireo: voankazo, legioma, lasopy sy mofo ary cookies nandrahoina tao an-trano. Izany no cookies tsara indrindra nohaniko hatramin’izay.” Niresaka tamin’ny dadatoako ry Dunn mivady, nanampy azy ireo tamin’ny zavatra nilainy, ary taorian’izay Rahalahy Dunn dia nitondra an’i Nenitoa Millie izay reraka sy narary, izay voan’ny Alzheimer, avy teo am-pandriany nankeo amin’ny seza iray tao an-dakozia mba hahafahan-drahavavy Dunn mamahana azy.

Rehefa niantso ny mamako i Dadatoa Floyd mba hilaza taminy momba izany fitsidihana izany dia nitomany izy. Nilaza izy fa tsy mbola nihaona tamin’ny olona tsara fanahy sy tia miahy toy izany. Nilaza tamin’ny reniko izy fa tsara vintana aho mipetraka any Utah ary hodidinin’ “ireo Môrmôna rehetra ireo.”

Efatra andro taorian’ilay fitsidihana dia nandeha nivoaka nijery ny boaty fitoeran-taratasiny i Dadatoa Floyd dia nibolisatra ka nianjera. Voadona ny lohany ka dia maty izy efatra andro taty aoriana. Ankoatra ny olona iray mpikarakara azy ireo tao an-trano dia Rahalahy sy Rahavavy Dunn no olona hitan’ny dadatoako farany talohan’ny nahafatesany.

Feno fankasitrahana aho noho ny ohatra tahaka ny an’i Kristy izay nasehon’ny iray amin’ireo rahavaviko ao amin’ny Fikambanana Ifanampiana izay nipetraka tany amin’ny kilaometatra maro lavitra ahy, olona iray izay tsy mbola nihaona tamiko mihitsy, izay nanampy ny nenitoako sy ny dadatoako.