2016
Ireo alahadiko feno asa fanompoana
October 2016


Manompo ao amin’ny Fiangonana

Ireo alahadiko feno asa fanompoana

Mipetraka any Californie, Etazonia ny mpanoratra.

Feno be ireo alahadiko, saingy feno fankasitrahana aho fa afaka manompo kanefa tsy mila mandia zava-tsarotra tahaka ireo mpitarika ny Fiangonana tany am-piandohana toa ny Loholona Parley P. Pratt.

Sary
Parley P. Pratt in the snow

Sary nataon’i Chidy Wayne

Tonga ity ny alahady maraina. Miandry ahy ny fandaharam-potoana maharitra adiny 12 ahitana fivoriana, dinidinika, fandraisana ho mpikambana ary fanendrena. Hanomboka any amin’ny ivontoeran’ny tsatòka iray aho ary hamarana any amin’ny trano fivoriana iray hafa any amin’ny ilan’ny tanàna—izany rehetra izany mandritra ny andro tena mafana be.

Miandrandra ny fivoriana sy ny dinidinika sy ny fandraisana ho mpikambana ary ny fanendrena tsirairay aho. Kanefa omaly, rehefa nieritreritra aho hoe ho feno be ny fotoako, dia tena ontsa ny tenako aho—mandra-panokafako ny Autobiography of Parley P. Pratt (Tantaram-piainan’i Parley P. Pratt) ka nanombohako namaky teo amin’ny toerana izay nijanonako. Nosamborina ka nogadraina niaraka tamin’i Joseph sy i Hyrum Smith ary ireo hafa ny Loholona Pratt nandritra ireo andro sarotra tany Missouri. Rehefa avy nentina tany Independence ireo Rahalahy dia nogadraina tao amin’ny trano fampiantranoam-bahiny iray izy ireo ka natory teo amin’ny tany niaraka tamin’ny vongan-kazo natao ondana.

Indray maraina mamirifiry sy nisy ranomandry dia nitsangana ny Loholona Pratt ary niporitsaka nitsaoka ilay trano fampiantranoam-bahiny ka tsy nisy nahatsikaritra. Nandeha niantsinanana nandalo ny tanàna izy ary niditra tamin’ireo saha teo akaiky teo. Rehefa avy nandeha 1.6 kilaometatra ny Loholona Pratt dia niditra tao anaty ala iray, ka nanarona ny dian-tongony ny ranomandry nilatsaka ary nanafina azy ireo hazo.

Nieritreritra ny toe-javatra sarotra niainany izy. Raha nanohy ny diany niantsinanana izy dia ho afaka hitsoaka any amin’ny faritany hafa, izay toerana ahafahany manafatra ny fianakaviany. Raha niverina tany amin’ilay trano fiantranoam-bahiny izy dia tsy maintsy nogadraina sy nomelohina ho nanao heloka bevava. Raha nalaim-panahy hitsoaka ny Loholona Pratt dia nieritreritra momba ny “olana goavana, na ny fahafatesana mihitsy aza” izay haterany amin’ireo gadra hafa izy raha toa ka mandeha mitsoaka.

Raha mbola tsy fantany izay tokony hataony dia tadidiny ny andinin-tsoratra masina iray: “Fa na iza na iza ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery azy; ary na zovy na zovy no manolotra ny ainy noho ny foto-kevitro, dia hahazo izany indray, dia ny fiainana mandrakizay” (jereo ny Marka 8:35; F&F 98:13).

Niverina tany amin’ilay trano fampiantranoam-bahiny ny Loholona Pratt. Tsy maintsy hitranga aorian’izany ny fanagadrana amin’ny fomba henjana mandritra ny volana maro—tsy misy fianakaviana, na finamanana amin’ny Olomasina, na ny fahafahana manompo ao amin’ny antsony amin’ny maha-apôstôly azy.1

Rehefa avy nanakatona ilay boky aho dia nisaintsaina ny fahasarinan’ireo Olomasina tany am-piandohana—razambeko ny sasany tamin’izy ireo. Nizaka habibiana sy fanenjehana izy ireo noho ny fijoroana ho vavolombelona nananany momba ny filazantsara sy ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy. Afaka manompo sy mitsaoka amin-kalalahana aho ankehitriny, sady mifamatotra amin’izy ireo amin’ny finoana sy fijoroana ho vavolombelona noho ny zavatra niaretan’izy ireo.

Eto am-piomanako ho amin’ity Sabata ity dia voaro tsara ny fianakaviako ary miandrandra androm-pitsaohana ao anatin’ny trano fivoriana mampahazo aina tsara. Hampamirapiratra ny andronay ny finamanana atolotry ny Olomasina. Hifaly miaraka amin’izy ireo izahay rehefa tanterahina ny fandraisana ho mpikambana sy ireo fanendrena, rehefa tontosa ireo andraikitra, ary nampatanjahina ny finoana. Handray ny fanasan’ny Tompo izahay ary hahatsiaro ny Mpamonjintsika sy ny Sorompanavotany. Ary anio hariva izahay dia hiara-hivory ao an-tokantranonay hamaky ny Bokin’i Môrmôna sy hiara-hivavaka mialoha ny hatorianay ao amin’ireo fandrianay mampahazo aina tsara sy hampandrianay ny lohanay eo ambony ondana malemilemy.

Feno be ireo alahadiko. Feno fankasitrahana sy voatahy aho noho izany.

Fanamarihana

  1. Jereo ny Parley P. Pratt, Autobiography of Parley P. Pratt, ed. Parley P. Pratt Jr. (1979), 194–97.