2016
Ireo fitahian’ny fankatoavana
October 2016


Hafatra avy amin’ny Fiadidiana Voalohany

Ireo fitahian’ny fankatoavana

Sary
tree of life

Sary nataon’i Jim Madsen.

“Ny lesona lehibe indrindra azontsika ianarana eto amin’ny fiainana an-tany,” araka ny nampianarin’ny Filoha Thomas S. Monson “dia hoe rehefa miteny Andriamanitra ka mankatò isika dia hanana ny marina foana isika.”1

Ho voatahy koa isika. Nilaza ny Filoha Monson nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana iray vao haingana hoe: “Rehefa mitandrina ny didy isika dia ho sambatra kokoa sy hahafapo kokoa ary ho tsotra kokoa ny fiainantsika. Ho mora zakaina kokoa ireo fanamby sy olana, ary handray ireo fitahiana nampanantenain ’[Andriamanitra] isika.2

Ato amin’ireto sombin-dahatsoratra avy amin’ny fampianaran’ny Filoha Monson izay Filohan’ny Fiangonana ireto dia mampahatsiahy antsika izy fa ny didy no mpitarika azo antoka indrindra mankany amin’ny fifaliana sy ny fiadanana.

Torolalana mandritra ny fiainana an-tany

“Ny didin’ Andriamanitra dia tsy nomena mba hahasorena antsika na hanakana ny fahasambarantsika. Ny mifanohitra amin’izany no marina. Izy, ilay nahary sy tia antsika no mahafantatra tanteraka ny fomba tokony hiainantsika mba hahafahana mahazo ny fahasambarana lehibe indrindra. Efa nomeny antsika ireo torolalana izay hiaro antsika mandritra ity dia eto an-tany izay matetika mampidi-doza ity, raha toa ka arahintsika izy ireny. Tsaroantsika ny tononkiran’ilay hira fanaontsika matetika hoe: ‘Tandremo ireo didy! Ao no misy fiarovana; ao no misy fiadanana.’ [jereo ny “Pour trouver la paix,” Cantiques, no. 194].”3

Tanjaka sy fahalalana

“Toetra niavahan’ireo mpaminany ny fankatoavana. Nanome hery sy fahalalana azy ireo tao anatin’ny tantara izany. Zava-dehibe ho antsika ny mahafantatra fa isika koa dia manana zo hahazo izany loharanon’ny tanjaka sy fahalalana izany. Tsy sarotra ho an’ny tsirairay amintsika amin’izao fotoana izao ny hahazo izany rehefa mitandrina ny didin’ Andriamanitra isika. …

“Ny fahalalana katsahintsika, ny valinteny izay tadiavintsika, ary ny hery izay iriantsika hananana mba hiatrehana ireo fanamby eo amin’izao tontolo izao izay manahirana sy miovaova dia afaka ny ho azontsika rehefa mankatò amim-pahavononana ny didin’ny Tompo isika.”4

Safidio ny hankatò

“Ny toetra mahazatra hita amin’izao androntsika izao dia ny fileferana amin’ny ratsy. Ireo gazetiboky sy fahitalavitra dia manoritsoritra ireo olo-malaza mpilalao sarimihetsika sy maherifo ara-panatanjahantena—ireo olona izay tian’ny tanora maro halaina tahaka—izay tsy miraharaha ireo lalàn’ Andriamanitra sy manao zavatra mamohehatra ampahibemaso, ho toy ny hoe tsy hitondra voka-dratsy velively. Aza mino ireny! Ho avy ny fotoana hitsarana antsika—tahaka ny fitantarana tantara iray. Tsy maintsy hitaty ny vokatry ny asa nataontsika isika—raha tsy eto amin’ity fiainana ity dia any amin’ny fiainana ho avy. Ho avy ho an’ny olon-drehetra ny Fitsarana Farany. … Miangavy anareo aho mba hisafidy ny hankatò.”5

Fifaliana sy fiadanana

“Indraindray dia mety toa hitanao hoe mahazo fahafinaretana bebe kokoa noho ianao ireo izay ao amin’izao tontolo izao. Mety mahatsapa ho voafehifehy amin’ireo fitsipi-pitondrantena izay arahintsika ato amin’ny Fiangonana ny sasantsasany aminareo. Ry rahalahy sy anabavy, manambara aminareo aho, anefa, fa tsy misy zavatra izay afaka ny hitondra fifaliana bebe kokoa eo amin’ny fiainantsika na fiadanana bebe kokoa eo amin’ny fanahintsika noho ilay Fanahy izay afaka ny ho tonga ao amintsika rehefa manaraka ny Mpamonjy sy mitandrina ny didiny isika.”6

Mandeha amin’ny fahitsiana

“Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa tsy hay refesina ny fitahiana nampanantenaina antsika. Na dia manangon-drahona toy ny inona aza ny oram-baratra ary na hirotsaka toy ny inona aza ny orana, ny fahalalantsika ny filazantsara sy ny fitiavantsika ny Raintsika any An-danitra sy ny Mpamonjy antsika dia hankahery antsika sy hitondra fifaliana ao am-pontsika rehefa mandeha amin’ny fahitsiana sy mitandrina ny didy isika. Tsy hisy zavatra izay afaka handresy antsika eto amin’izao tontolo izao.”7

Araho ny Mpamonjy

“Iza moa izany lehilahy ory, … sy zatra fahoriana izany? Iza moa ity Mpanjakan’ny voninahitra izay Jehovah Tompon’ny maro ity? Izy no Tompontsika. Izy no Mpamonjintsika. Zanak’ Andriamanitra Izy. Izy no mpanantanteraka ny Famonjena antsika. Miantso Izy hoe ‘Manaraha Ahy.’ Maniraka Izy hoe ‘Mandehana hianao, ka mba manaova toy izany koa.’ Mitalaho Izy hoe ‘Tandremo ny didiko.’

“Tokony hanaraka Azy isika. Handeha isika haka tahaka ny ohatra nataony. Ndeha isika hankatò ny teniny. Amin’ny fanaovana izany no hanehoantsika Aminy ny fanomezana masin’ny fankasitrahana.”8

Fanamarihana

  1. “They Marked the Path to Follow,” Liahona, ôkt. 2007, 5.

  2. “Tandremo ny didy,” Liahona, nôv. 2015, 83.

  3. “Tandremo ny didy,” 83.

  4. “Mitondra fitahiana ny fankatoavana,” Liahona, mey 2013, 90, 92.

  5. “Minoa, mankatoava, ary mahareta,” Liahona, mey 2012, 129.

  6. “Mitsangàna eo amin’ny toerana masina,” Liahona, nôv. 2011, 83.

  7. “Matokia, mamiratra toy ny finoanao ny ho avy,” Liahona, mey 2009, 92.

  8. “Mahita fifaliana ao anatin’ilay dia,” Liahona, nôv. 2008, 88.