2016
Ny Fanasana Farany noraisin’i Melva
October 2016


Fandinihana

Ny Fanasana Farany noraisin’i Melva

Monina any Utah Etazonia ny mpanoratra.

“Te hiezaka handray ny fanasan’ny Tompo ve ianao?” Hoy aho nanontany ilay reniko efa niala aina.

Sary
sacrament with elderly woman

Sary nataon’i Christopher Thornock

Niaina nandritra ny 92 taona ny reniko ary vao haingana izy no nodimandry. Tany amin’ny hôpitaly izy tamin’ny fotoana nanapahan’ny mpitsabo hevitra fa tsy misy zavatra hafa azo atao intsony afa-tsy ny manao izay hahazoany aina araka izay azo atao mandrapahafatiny.

Rehefa natao ireo fiomanana mba hitondrana azy mody dia tonga tao amin’ilay efitrano ny rahalahy roa avy ao amin’ny paroasy iray teo an-toerana dia nanontany ahy raha toa ka te handray ny fanasan’ny Tompo ny reniko. Tamin’ny voalohany dia hoy aho tamin’izy ireo hoe: “Tsia, fa misaotra betsaka.” Zara raha afaka nitelin-kanina i Neny. Dia hoy aho hoe: “Rehefa nieritreritra indray aho anefa dia aleo aloha aho hanontany azy.” Nitongilana nanakaiky ny sofiny aho dia niteny hoe: “Misy mpihazona fisoronana miisa roa ato. Te hiezaka handray ny fanasan’ny Tompo ve ianao?” Namaly tamin’ny feo reraka kanefa mazava izy hoe: “Eny.”

Taorian’ny fanamasinana dia naka sombi-mofo avy teo amin’ilay lovia aho, nanapaka potiny kely, dia nametraka izany tsimoramora tao am-bavany. Niezaka nitsako izany elaela izy dia niala tsiny moramora tamin’ireo lehilahy noho ny naha-elaela izany. Nilaza tamiko izy ireo fa tsy nampaninona izany. Taorian’ilay vavaka faharoa dia naka kaopy kely plastika nisy rano aho dia nampitohoka izany teo amin’ny molony. Nisotro kely fotsiny izy, kanefa nahagaga ahy fa voateliny tsara ilay izy.

Nisaotra ireo rahalahy aho dia nandeha nankao amin’ny efitrano manaraka izy ireo. Nodimandry tamim-piadanana i Neny tokony ho adiny iray taorian’izany.

Tao anatin’ireo andro maromaro taorian’izay dia tsapako fa navela hifampizara fotoana tena sarobidy tamin’ny reniko aho. Ny zavatra farany nataony teto amin’ity fiainana ity dia ny nandray ny fanasan’ny Tompo. Ny teny farany nolazainy dia hoe “Eny”—eny mba handray ny fanasan’ny Tompo, eny mba hanolorany ho sorona “fo torotoro sy fanahy manenina” (3 Nefia 9:20), eny mba hitondra eo aminy ny anaran’i Jesoa Kristy sy hampanantenany ny hahatsiaro Azy mandrakariva, eny mba handray ny Fanahiny. Ny zavatra farany nandalo ny molony dia ireo tandindon’ny fanasan’ny Tompo.

Tsy maintsy hoe tena mamy ho azy izao ny fanasana farany noraisiny! Na dia reraka mafy aza izy ka tsy afaka nihetsika na niteny dia tsy maintsy ho nahatsapa hoe velona tao amin’i Kristy izy! Tsy maintsy hoe feno fankasitrahana noho ny hery manavotra sy mampivoatra avy Aminy izy, izay nitondra azy tao anatin’ireo fotoana farany teo amin’ny fiainany teto an-tany ireo ka nanome azy ny fanantenana hahazo ny fiainana mandrakizay.

Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro isika, dia enga anie isika rehetra ho feno fankasitrahana noho ny fahafahana ananantsika mba hanavao ireo fanekempihavanana nataontsika sy hahatsapa famelan-keloka ary famindram-po rehefa miezaka ny ho tonga bebe kokoa tahaka ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Zanany. Ny mofo sy ny rano noho izany dia afaka ny ho “mamy manoatra noho ny rehetra izay mamy, … ary madio manoatra noho ny rehetra izay madio” (Almà 32:42) ho antsika, tahaka ny naha-toy izany azy ho an’ny reniko.