2016
Ny loharanom-pahendrena masina mitarika ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo
October 2016


Mandra-pihaonantsika Indray

Ny loharanom-pahendrena masina mitarika ao amin’ny Fiangonan’ny Tompo

Avy tao amin’ny “He Slumbers Not, nor Sleeps,” Ensign, mey 1983, 5–8. Nampitoviana ny fitsipi-panoratana sy ny fanavaona sorabaventy.

Manatanteraka ny asany araka ny volavolan-kevitra lehibe Azy manokana Andriamanitra.

Sary
tapestry of prophets

Sary nalain’i Mary Ouzounian, nahazoana lalana avy tamin’ny Tranombakoky ny Tantaran’ny Fiangonana

Mibaribary ny loharanom-pahendrena masina mitarika ny fandaminana io asa io sy ny fiantsoana ho mpitarika. Olona tsirairay avokoa ireo Manampahefana Ambony, samy manana ny toetra mampiavaka azy ny tsirairay. Mitondra karazana traikefa sy tantara betsaka eo amin’ireo andraikiny ny tsirairay. Malalaka hilaza ny heviny ny tsirairay rehefa misy zavatra tokony hifanakalozan-kevitra ao amin’ireo filankevitra mpiahy ao amin’ny Fiangonana. Rehefa mandinika ny fanaovana izany fifanakalozan-kevitra mahaliana izany ny olona iray, dia mahatalanjona ny mahita ny herin’ny Fanahy Masina mitaona ireo lehilahy ireo. Tsy mihamafy na oviana na oviana ny tsy fitovian-kevitr’izy ireo any am-piandohana fa mihamaivana kosa izany dia mitambatra ka lasa fanehoana firaisan-tsaina. “Ny tranoko dia tranon’ny filaminana,” hoy ny Tompo (jereo ny F&F 132:8). Rehefa mahita ny fizotran’izany dingana izany aho dia miaina fanavaozana tsy tapaka ny finoana. …

Ny sasany dia maneho ahiahy fa ny Filohan’ny Fiangonana dia toa lehilahy zokiolona hatrany, izay valiako hoe: “Fitahiana tokoa izany!” Ny asa tato amin’ity fotoampitantanana ity dia notanterahina tamin’ny voalohany tamin’ny alalan’ny fampiasana ny Mpaminany Joseph Smith. Tanora sy natanjaka izy tamin’izany fotoana izany, ary ny sainy sy ny fanapahan-keviny dia tsy mba voataonan’ny fomban-drazana tamin’ny androny. Tanora saina izy ka azon’ny Tompo novolavolaina toy ny tanimanga vaovao sy mando tsara rehefa nanomboka ny asany Izy.

Tanora toy izany ny mpandimby an’i Joseph rehefa niatrika andraikitra makadiry mba hitarika vahoaka iray manontolo hiampita ny tany foana mba hanorim-ponenanana any amin’ny tany vaovao izy.

Saingy mipetraka tsara ankehitriny ireo fitsipika fototry ny fotopampianarantsika, ary miorina mafy tsara isika amin’ny maha-vahoaka iray antsika, farafaharatsiny mandra-pandidian’ny Tompo antsika hifindra indray. Tsy mila fomba vaovao hanaovan-javatra isika. Mila fanolorantena amin’ny fankatoavana ireo fitsipika nambaran’ Andriamanitra isika. Mila matoky an’ilay mpitarika antsika izay notendren’ Andriamanitra isika. Mpaminanintsika sy mpahita ary mpanambara izy. Tsy havela tsy hanana mpaminany na rahoviana na rahoviana isika raha toa ka miaina mba ho mendrika ny hanana izany. Tsy voatery ho tanora izy. Manana ary mbola hanana hatrany lehilahy tanora handeha maneran-tany handray anjara amin’ny asa fanompoana izy. Izy no mpisorona avo mpiahy, ny mpihazona ireo fanalahidy rehetran’ny fisoronana masina, ary ny feon’ny fanambarana avy amin’ Andriamanitra ho an’ny olony.

Misy ohabolana fahiny izay milaza hoe: “Ny fahatanorana dia natao hiasana. Ny fahanterana dia fotoana hananana fahendrena.”

Raha ny eritreritro dia misy zavatra tena manome toky goavana tokoa amin’ny fahafantarana fa amin’ny hoavy izay hitantsika sahady, isika dia hanana Filoha iray izay tsara fitondrantena sy nampianarina, nosedraina sy notsapaina, ary ny fahatokiany amin’ny asa sy ny fahamarinany amin’ny fanatanterahana ny asa dia voavolavolan’ny afo mandrendriky ny fanompoana, ny finoany dia nihamatotra, ary ny fifandraisany akaiky amin’ Andriamanitra dia voakolokolo nandritra ny taona maro. …

Tsy tokony hatahotra ny hoavy isika raha toa ka mifikitra tsara amin’ireo fitsipika izay nambara.