2016
Afo sy lesona momba ny fankatoavana
October 2016


Ho an’ny zatovo

Afo sy lesona momba ny fankatoavana

Indray mandeha ny Filoha Thomas S. Monson dia nitantara mikasika ny fotoana iray nianarany ny maha-zava-dehibe ny fankatoavana. Fony izy valo taona dia nandeha tany amin’ny tranon’izy ireo tany an-tendrombohitra ny fianakaviany. Te hanadio faritra iray feno bozaka mba hanaovana afondasy izy sy ny namany. Niezaka nanala ny bozaka tamin’ny tanana izy ireo, nanongotra sy nisintona mafy araka izay azony natao, saingy tsy nahazo afa-tsy ahitra eran’ny tanana izy ireo. Nanazava ny Filoha Monson hoe: “Ary avy eo dia tonga tao amin’ilay sain-jaza valo taona nananako ilay noheveriko fa ho vahaolana tonga lafatra. Hoy aho tamin’i Danny hoe: ‘Ny hany ilaintsika dia ny mandoro ireo ahi-dratsy ireo. Faribolana iray fotsiny no hodorantsika ao anatin’ireo ahi-dratsy!’”

Na dia fantany aza fa tsy nahazo nampiasa afokasoka izy dia nandeha nihazakazaka tany amin’ilay trano haka afokasoka vitsivitsy, dia nandrehitra afo kely tao anatin’izany faritra feno bozaka izany izy sy i Danny. Nanantena izy ireo fa ho faty ho azy ilay afo, saingy lasa afo lehibe sy nampidi-doza anefa izany. Nihazakazaka nitady fanampiana izy sy i Danny, ka vetivety dia nisy olon-dehibe tonga haingana hamono ilay afo mialoha ny hitaran’izany teny amin’ireo hazo.

Hoy ny Filoha Monson nanohy izany hoe: “Nianatra lesona sarotra maro kanefa manan-danja izaho sy i Danny tamin’izay andro izay—ampahany lehibe tamin’izany ny maha-zava-dehibe ny fankatoavana.” (Jereo ny “Mitondra fitahiana ny fankatoavana,”Liahona, mey 2013, 89–90.)

Efa nianatra lesona momba ny fankatoavana tamin’ny fomba henjana tahaka ny Filoha Monson ve ianao? Inona avy ireo tanjona azonao apetraka mba hiarovana ny tenanao amin’ny alalan’ny fankatoavana amin’ny ho avy?