2016
Lasa nanjono
October 2016


Lasa nanjono

Ny mpanoratra dia monina any Georgie, Etazonia.

Tsy andrin’i Hayden intsony izay handehanana manjono! Raha mba tsy nandeha koa mantsy i Dan a! …

“Dans ma famille chaque jour, Je vois tant de bonté.” Cantiques, 192).

Sary
gone fishing

“Andao alaina ny fitaovana fanjonoana. Fotoana hanjonoana izao!” Hoy i Dada.

Nitsiky be i Hayden rehefa nitazana ny manodidina azy. Namiratra sy nisamonimonina daholo ny zavatra rehetra. Izy ireo irery no teo amin’ilay farihy tamin’izay!

Nanaraka an’i Dada nandeha taorian’ilay fiara i Hayden dia nibata an’ilay boaty be feno fitaovana fanjonoana avy tao amin’ny fitoeran’entana. Navesatra ilay izy, saingy tsy nampaninona azy. Na mavesatra avo roa heny noho izany aza dia ho nentiny raha nilaina mba handehanana manjono miaraka amin’i Dada.

Niara-nihovitrovitra sy nanenoneno ireo fintana rehefa nosintonin’i Dada hivoaka. “Toa resin-tory i Dan izany,” hoy izy. “Azonao fohazina ve izy?”

Mody tsy taitra i Hayden. “Mmhh! Eny ary e!”

Efa saika hadinony fa i Dan zandrilahiny dia nandeha ihany koa. Nihazakazaka tetsy sy teroa sy nitabataba be foana i Dan. Mety hampitahotra ireo trondro izy dia handositra izy ireo!

Nijery teo amin’ilay varavarankely nisokatra izy. “Dan a! Mifohaza amin’izay.”

Saingy mbola natory be i Dan.

Nangina i Hayden. Raha tahiany dia mba mety hatory i Dan mandritra ilay dia iray manontolo.

Nitarika tsimoramora ilay boaty feno fitaovana i Hayden ho eny amin’ny toerana nanjonoan’i Dada teo amoron-drano.

“Ireto ny famandrihana trondro, ny kankana sy ny sisa!”

Nalain’i Dada teny aminy ilay boaty feno fitaovana. “Misaotra betsaka.” Dia nitoditodika i Dada. “Aiza ny rahalahinao?”

Nijery kely tany amin’ilay fiara i Hayden. Tampoka teo dia nanontany tena izy hoe mety ho toy ny ahoana ny zavatra ho tsapany raha nifoha irery tany amin’ny toerana iray vaovao izy. Nanapa-kevitra i Hayden fa ho ratsy ny zavatra ho tsapany. Raha ny marina dia hatahotra tokoa izy angamba. Ary vao dimy taona monja i Dan.

“Andraso vetivety ry Dada a! Vetivety aho dia miverina eo.” Saingy rehefa nijery tao anatin’ilay fiara izy dia efa tsy tao intsony i Dan!

Tsy nahare ireo bibikely nisamonimonina intsony i Hayden. Toa lasa nangina daholo ny zavatra rehetra.

“Tsy ato i Dan!” Hoy i Hayden nivazavaza.

Nihazakazaka nanatona i Dada dia nijery haingankaingana ny tao anatin’ilay fiara.

“Mety mitady antsika fotsiny izy angamba,” hoy i Dada. “Vao tsy ela akory izay. Tsy mbola lasa lavitra izy.”

Niezaka nitony i Hayden, saingy natahotra mafy izy tany anatiny tany. “Afaka mivavaka ve aho?”

“Hevitra tena tsara izany raha ny fijeriko azy.”

Nisaotra ny Ray any An-danitra i Hayden noho ny zandriny lahy dia nangataka mba hahitan’izy ireo an’i Dan avy hatrany mba tsy hatahotra i Dan.

Rehefa vita ny vavak’i Hayden dia tsapany ho tsy teritery intsony ny fony.

Napetrak’i Dada teo an-tsorok’i Hayden ny tanany. “Raha i Dan ianao, dia aiza no halehanao?”

Tsikaritr’i Hayden fa nisokatra ilay varavarana tany amin’ny lafiny ilany tamin’ilay fiara. Tsy nahita azy ireo teo amoron-drano angamba i Dan. Nanondro lalan-kely iray teo akaiky teo i Hayden. “Iny lalana iny angamba no handehanako voalohany,” hoy izy.

Nandeha haingana teo amin’ilay lalana izy ireo.

Toa ela dia ela vao tapitra ny segaondra tsirairay. Teny am-pandehanany teny dia nanohy nivavaka tao am-pony i Hayden. Rehefa nandeha kelikely izy ireo dia tonga teo amin’ny fiolahana iray teo amin’ilay lalana ka nahita an’i Dan tery aloha tery.

“Dan!” Hoy i Hayden niantso mafy.

Nitodika i Dan dia nitsiky. “Fa taiza ianareo?”

Nihazakazaka indray ny fotoana. Nihazakazaka be nankeny amin’i Dan i Hayden dia namihina azy mafy.

“Faly be aho fa hitanay ianao,” hoy i Hayden. Nanao vavaka fisaorana fohy tao am-pony haingana izy.

Nitsiky fotsiny i Dan. “Aiza ny trondro?”

“Andao fa hasehoko anao,” hoy i Hayden. Tsy andriny izay hihazakazahana ho eny amin’ilay farihy. “Andao jerena izay afaka misambotra ny trondro voalohany. Ampiako ianao hanisy famandrihana trondro eo amin’ny lelam-pitanao.