2016
Ny ankizy madinika sy ny Fanasan’ny Tompo
October 2016


Ny ankizy madinika sy ny Fanasan’ny Tompo

Monina any Utah Etazonia ny mpanoratra.

Tsapan’ireo zanakay mbola kely fa nanan-danja taminay ny fanasan’ny Tompo. Afaka nanao zavatra bebe kokoa izahay mba hanampiana azy ireo hahafantatra fa nanan-danja ihany koa izany ho azy ireo.

Sary
family partaking of the sacrament

Efa nanontany tena ve ianao hoe nahoana isika no mamela ireo ankizy tsy mbola vita batisa handray ny fanasan’ny Tompo? Moa ve isika manao izany fotsiny mba tsy hiadivan’izy ireo sy hitabatabany rehefa te hahazo sombi-mofo izy ireo? Moa ve isika manao izany fotsiny mba hanamorana ny fanatanterahana ilay ôrdônansy, mba hitandrovana fotsiny ny filaminana?

Tsy izay raha ny fiheverako azy. Mino aho fa misy antony lalina kokoa. Mino izany aho satria inoako fa rehefa niteny i Jesoa Kristy hoe “rehetra” dia ny olona rehetra no tiany holazaina. Ary rehefa niresaka tamin’ny vahoaka maro Izy dia tsy nisy olona navahany.

Rehefa nampahafantatra ny fanasan’ny Tompo tamin’ireo vahoakany tao Amerika fahiny ny Mpamonjy efa nitsangana tamin’ny maty dia nohamafisiny fa nanana lanja manokana ho an’ireo izay efa natao batisa ilay ôrdônansy.1 Nodidiany niaraka tamin’izany koa ireo mpianany mba “[hanome] [ny fanasan’ny Tompo] ny valalabemandry.”2 Izany valalabemandry izany dia nahitana ireo “ankizy madinika.”3

Rehefa manonona ny vavaky ny fanasan’ny Tompo ireo mpihazona ny fisoronana amin’izao fotoana izao dia mangataka ny Ray any An-danitra izy ireo mba hitahy sy hanamasina ny mofo sy ny rano “ho an’ny fanahin’ireo rehetra” izay mandray amin’izany.4 Rehetra. Ny olona tsirairay izay mandray—ka anisan’izany ny ankizy madinika tsirairay.

Raha mandray ireo tandindona ireo ho toy ny fitahiana ny fanahy madiony ireo ankizy amin’ny alalan’ny fandraisany ny mofo sy ny rano dia tsy maintsy misy fomba hanampiana azy ireo hahatsapa ny lanjan’ilay ôrdônansy.

Noho izany fahatakarana ananako izany dia manao jery todika ireo fotoana naha-kely ny zanako aho. Nahita fahombiazana tokoa izaho sy ny vadiko tamin’ny fampanginana azy ireo nandritra ny fanatanterahana ny fanasan’ny Tompo. Tsapan’izy ireo raha ny fiheverako azy fa nanan-danja taminay ilay ôrdônansy. Kanefa afaka nanao zavatra bebe kokoa izahay mba hanampiana azy ireo hahafantatra fa nanan-danja ho azy ireo izany.

Inona no mety ho azonay natao? Tokony ho nahatsiaro izahay fa ny ankizy madinika dia afaka manaja ireo fampanantenana ao anatin’ilay vavaky ny fanasan’ny Tompo. Afaka mahatakatra amin’ny fombany voafetra kanefa mahery vaika ny dikan’ny hoe “mahatsiaro mandrakariva” an’i Jesoa izy ireo. Afaka mampanantena ny “hitandrina ny didiny” izy ireo. Afaka maneho ihany koa aza izy ireo fa “vonona … ny hitondra ny anaran’” i Kristy sady mahafantatra fa hanana izany tombontsoa lehibe izany izy ireo afaka fotoana fohy rehefa atao batisa sy raisina ho mpikambana.5

Ary ahoana kosa ny amin’ny fanavaozana ireo fanekempihavanana? Nampianatra ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana fa rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika, dia manavao ireo fanekempihavanana nataontsika tamin’ny Tompo.6 Tsy manana fanekempihavanana havaozina ny ankizy madinika.

Mieritreritra indray ny fotoana naha-kely ny zanakay aho. Tsy ho afaka nanampy azy ireo hieritreritra ireo fanekempihavanana nataon’izy ireo izahay fa tokony ho afaka kosa nanampy azy ireo hieritreritra ny hanao izany amin’ny ho avy. Maka sary an-tsaina ny tenako miaraka amin’ny zanakalahy na zanakavavy kely rehefa alahady maraina aho:

“Rehefa feno valo taona ianao,” hoy aho, “dia hatao batisa ary handray ny fanomezana ny Fanahy Masina. Hanao fanekempihavanana ianao. Ny fanekempihavanana hataonao amin’izany dia ho toy ny fampanantenana ataonao amin’izao fotoana izao rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo ianao.

“Rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo aho amin’izao dia havaoziko ny fanekempihavanan’ny batisa izay nataoko, toy ny hoe manao ireo fampanantenana ireo indray aho. Hiaraka amiko any ianao, saingy tsy hanavao fanekempihavanana. Tsy mbola nanao ianao. Ho solon’izany dia afaka mizatra manao fanekempihavanana ianao. Isaky ny mandray ny fanasan’ny Tompo ianao dia afaka miomana ny hatao batisa sy horasina ho mpikambana. Amin’izay ianao dia ho vonona rehefa feno valo taona.”

Raha toa ka toy ny tsy mahazatra ny mampiasa ny teny hoe mizatra amin’izany fomba izany dia ataovy ity: afaka manampy ny zanany hiomana amin’ny ôrdônansin’ny batisa ao amin’ny toerana mangina tsara iray ny raim-pianakaviana iray amin’ny alalan’ny fanehoana amin’izy ireo ny fomba hiarahan’izy ireo mijoro ao anaty rano sy amin’ny alalan’ny fanononana amin’izy ireo ireo tonon’ny vavaka amin’ny batisa. Tsy manatanteraka ilay ôrdônansy ao amin’izany toerana izany izy. Amin’ny lafiny iray dia manampy ny zanany hizatra izy. Amin’izay izy ireo dia tsy hanahy ny amin’izay zavatra hitranga rehefa miditra ny ranon’ny batisa. Mino aho fa ny renim-pianakaviana sy ny raim-pianakaviana dia afaka manampy ihany koa ireo zanany hizatra hanao sy hanaja ny fanekempihavanan’ny batisa. Afaka ny ho fotoam-pizarana masina ho an’ny ankizy madinika ny fivoriana fanasan’ny Tompo tsirairay rehefa mandray ireo tandindon’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy izy ireo.

Ka noho izany dia hiverenako indray ilay fanontaniako tany am-piandohana. Nahoana isika no mamela ny ankizy madinika handray ny fanasan’ny Tompo? Moa ve isika manao izany mba hitandrovana fotsiny ihany ny filaminana? Mazava ho azy fa tsia. Manampy ireo ankizy madinika isika handray ny fanasan’ny Tompo mba hahafahan’izy ireo mahatsiaro ny Mpamonjy azy sy hihazona ny fiadanany—fiadanana izay tsy mitovy velively amin’izay azon’izao tontolo izao omena.7 Ampiantsika izy ireo hiomana handray be dia be amin’izany fiadanana izany amin’ny ho avy, rehefa hanao fanekempihavanana Aminy sy hanaja izany izy ireo.