2016
Ny pejintsika
October 2016


Ny pejintsika

Sary
our page

Tia mahita ny Tempoly izahay

Sary
drawing of married couple at the temple

Teo am-panaovako ity sary ity dia nieritreritra aho hoe raha manaraka ny didy aho dia afaka hiditra ny tempoly indray andro any, tahaka ireo ray aman-dreniko, ary hofehezina sy hanana ny fianakaviako mandrakizay manokana. Tiako ny fianakaviako sy ny Ray any An-danitra.

Manolita G., 8 taona (tamin’ny fotoana nanaovana ny sary), Chimaltenango, Guatemala

Sary
photograph of family at the temple

Nahafinaritra tokoa ny niaraka tamin’ny fianakaviako tany amin’ny tempoly. Lavitra ny dia avy eo amin’ny tanàna misy ahy mankany amin’ny tempoly—efa ho adiny 14. Nandany herinandro teny akaikin’ny tempoly izahay. Tsy andriko izay hahafeno 12 taona ahy mba hanao batisa ho an’ireo razambeko. Iray amin’ireo hira tiako indrindra ny hoe “Oh, j’aime voir le temple.” Te hanambady any amin’ny tempoly aho dia hanana fianakaviana mandrakizay. Fantatro fa ny tempoly dia tranon’ny Tompo.

Júlia Q., 11 taona (tamin’ny fotoana nakana ny sary), Goiás, Brésil

Sary
sisters and a drawing of the temple

Izaho sy ny zandriko vavy dia tia mandeha any amin’ny tempolin’i Mérida, Yucatan, Mexique, isak’izay asaina mankany ny paroasinay. Nandeha teo an-jaridaina izahay dia niara-nilalao tamin’ny ankizy hafa izay nankany amin’ny tempoly. Miomana ny hiditra ny tempoly aho indray andro any.

Martha S., 6 taona (tamin’ny fotoana nakana ny sary), Yucatán, Mexique

Sary
drawing of temple

Nataon’i Allen E., 10 taona (tamin’ny fotoana nanaovana ny sary), San Salvador, El Salvador