2016
Misy milaza amiko fa mila manana namana izay tsy manana fenitra mitovy amin’ny ahy aho mba hampahatanjaka ny ahy. Marina ve izany?’
October 2016


Fanontaniana & Valiny

“Misy milaza amiko fa mila manana namana izay tsy manana fenitra mitovy amin’ny ahy aho mba hampahatanjaka ny ahy. Marina ve izany?”

Mampatanjaka be indrindra ireo fenitra arahinao ianao avy amin’ny fianarana sy ny fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, ary ireo namana dia afaka manampy na manakana anao amin’ny fanaovana izany. Misy fiantraikany lehibe eo aminao ny namana—eo amin’ny fomba fieritreretanao, eo amin’ny fomba fiteninao, ary ny fihetsikao eny fa hatramin’ny karazan’olona hahatongavanao aza. Ny Ry Tanora Mahereza dia manoro hevitra hoe: “Mifidiana namana izay manaja soatoavina mitovy amin’izay hajainao mba hahafahanareo mifankahery sy mifamporisika eo amin’ny fanarahana fenitra ambony” ([2011], 16). Ireo karazana namana ireo dia manampy anao hiaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, sy hitandrina ireo fenitra arahinao ary ho tonga olona tsara kokoa.

Tsy ny olona rehetra izay iarahanao anefa no hanana fenitra mitovy amin’ny anao na koa ho mpikamban’ny Fiangonana. Manan-danja ny tsy miavona amin’ny olona rehetra sy mandray azy ireo amin’ny fomba handraisan’ny Tompo azy ireo—amim-pitiavana sy hatsaram-panahy. Rehefa manohy miaina ireo fenitra arahinao ianao dia afaka ny “ho tonga fianarana ho an’ny mino hianao amin’ny fiteny, amin’ny fitondrantena, amin’ny fitiavana, amin’ny finoana, amin’ny fahadiovana” (1 Timoty 4:12). Ho hitan’izy ireo amin’ny alalan’ny ohatra asehonao fa voatahy ianao noho ny fiainana fenitra ambony, ary afaka mankahery azy ireo hanao toy izany koa ianao.

Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina—ary manàna herimpo hanao asa araka ireo bitsiny—rehefa misafidy namana ianao sy miezaka ny hampatanjaka ireo fenitra arahinao.

Tena namana

Niahiahy aho fony aho kilasy fahenina fa tsy ho afaka ny hahita namana hanaja ireo fenitra arahiko. Afaka fotoana fohy dia lasa mpinamana be tamin’ny mpiara-mianatra iray tamiko aho, ary nolazaiko taminy fa Môrmôna aho. Nanontana ahy momba izany izy ka dia nomeko ny kiboky Ry Tanora Mahereza. Nanomboka tamin’izay andro izay dia tsy niteny ratsy teo imasoko intsony izy. Raha toa ka tena namana marina ireo namanao dia hanaja ireo fanapahan-kevitrao izy ireo ary hanampy anao hihazona ireo fitsipika arahinao.

Candela M., 13 taona, Buenos Aires, Argentine

Araho ireo torohevitry ny mpaminany

Indraindray dia sarotra ny manohitra fakam-panahy raha toa ka miaraka amin’ireo namana izay manao safidy ratsy na miezaka ny hampanao safidy ratsy antsika isika. Ny mpaminany dia niteny tamintsika ao amin’ny kiboky Ry Tanora Mahereza fa ny namana dia “hanana hery hanova ny fomba fieritreretanao sy ny fihetsikao, ary hanampy mihitsy aza mba hamaritra ilay karazan’olona hahatongavanao” ([2011], 16). Amiko dia tokony hanana namana izay vonona hanaja ireo fenitra arahintsika sy maneho fahalianana amin’ny fitandremantsika ireo fenitra arahintsika mihitsy aza isika.

Calvin W., 16 taona, Arizona, Etazonia

Hazony ho ambony ireo fenitra arahinao

Ireo namana izay manana fenitra hafa dia tsy voatery mampatanjaka ireo fenitra arahinao, kanefa rehefa mijanona ho naman’izy ireo ianao dia afaka manome ohatra tsara mba harahin’izy ireo. Rehefa manana namana izay tsy mitovy finoana aminao ianao dia afaka mamporisika anao hitandrina ireo fenitra arahinao ho ambony izany ary manampy anao hijoro amin’ny marina.

Warren S.,14 taona, Oregon, Etazonia

Fitahiana ho antsika ny namana tsara

Raha toa ka tsy manana fenitra mitovy amin’ny anao ireo namanao dia mety ho sarotra kokoa ny manamafy ireo fenitrao. Ny famakiana ny Ry Tanora Mahereza dia nanampy ahy hatrany hisafidy ireo namana tsara izay manaja ahy. Izao aho dia miomana hanao asa fitoriana, ary fantatro fa ny fananana olona manodidina ahy izay miaina ireo fenitra arahiko dia manampy ahy hijanona ho mahatoky ao amin’ny filazantsara.

Nair M., 19 taona, Buenos Aires, Argentine

Hazony ny anja-by

Ny manana namana manana fenitra tsara no tena ilainao. Tianao ho voahodidina namana izay hanampy anao hitandrina ireo didy sy hamporisika anao hiaina araka ny fahamarinana ianao. Mihazona mafy amin’ilay anja-by, izay mitarika mankany amin’ny hazon’aina, fa tsy any amin’ilay trano malalaka sady mijoalajoala. Hitarika amin’ny fakam-panahy ny fanananao olona tsy marina manodidina anao. Manàna namana tsara izay hitaona anao hiaina ny filazantsara.

Annie P., 13 taona, Utah, Etazonia

Tsarovy ireo fenitra arahinao

Ireo namana izay tsy miaina fenitra mitovy amin’ny anao dia mety hamparefo sy hanimba ireo fenitra arahinao. Fony aho nifindra voalohany tao amin’ny sekoly vaovao ianarako dia niezaka ny ho lasa naman’ny hafa aho tamin’ny alalan’ny filazana ireo zavatra izay nolazain’ireo manodidina ahy. Efa saika adinoko avokoa ireo fenitra arahiko teo am-piezahako hitovy amin’ny rehetra. Fantatro ankehitriny fa mila ireo namana izay manohana sy manana fenitra arahina mitovy amin’ny anao ianao mba hampiorenana ireo fenitrao. Feno fankasitrahana aho fa nahita namana mitovy amin’izany taty aoriana satria mampahatsiahy ahy ireo fenitra arahiko izy ireo.

Logan J., 15 taona, Utah, Etazonia

Mivavaha mba hahita namana

Rehefa avy nifindra tany amin’ny faritany vaovao izaho sy ny fianakaviako dia nivavaka tsy tapaka aho mba hahita namana izay azoko iresahana momba ny filazantsara. Rehefa nivavaka aho dia nahatsapa ho nankeherezina ary volana vitsivitsy taty aoriana dia lasa nanana namana tena mahafinaritra maromaro aho. Afaka miantehitra amin’ny fanohanan’izy ireo aho ary nanampy ahy hitombo fitiavana bebe kokoa ho an’ny filazantsara izy ireo. Fantatro fa manan-danja ny namana ary afaka manampy antsika izy ireo mba ho mora amintsika ny miaina ny filazantsara.

Sarah P., 16 taona, Rio de Janeiro, Brésil