2016
Nifady hanina sy nivavaka ho an’i Emma
October 2016


Ny tokantranontsika, ny fianakaviantsika

Nifady hanina sy nivavaka ho an’i Emma

Mipetraka any amin’ny faritry ny renivohitr’i Danemark ny mpanoratra.

Taorian’ny nianjeran’ny zanako vavy avy teo amin’ny varavarankely iray dia nataoko fa tanteraka ilay zavatra ratsy natahoranay indrindra.

Sary
windows in Denmark

Sary © iStock/Thinkstock

Vao niverina avy nanao fialan-tsasatra nahafinaritra ny fianakaviako. Taorian’ny sakafo antoandro dia navelako hilalao tany amin’ny efitrano fatoriana tany ambony tao amin’ny tranonay tany amin’ny rihana fahefatra ny zanakay roa, dia i Markus efa-taona ary i Emma telo taona. Ny varavarankely any Danemark dia misokatra mankany ivelany toy ny varavarana kopa-droa. Mazàna ireo varavarankely no mihidy, saingy navelanay nivoha kely izany nandritra ny fialan-tsasatray mba hidiran’ny rivotra tao amin’ny tranonay nandritra ny dianay.

Teo am-panasako lovia dia tsapako tampoka teo fa nisy zavatra tsy nety mihitsy. Nihazakazaka nankany amin’ny trano fandraisam-bahiny aho teo raha nihazakazaka nidina ny tohatra i Markus. Nikiakiaka tamin-tahotra izy dia nilaza fa nianjera avy teo amin’ny varavarankely i Emma—varavarankely eo amin’ny 12 metatra miala ny sisin-dalana vita simenitra iray. Nihazakazaka nidina ny tohatra aho sady namerimberina nikiakiaka nanonona ny anaran’i Emma. Hitako nivalampatra teo amin’ilay lalana vita simenitra ny zanako vavy kely, toy ireny hoe tsy niaina intsony ireny. Nalemy tanteraka izy rehefa noraisiko, dia nihevitra aho fa voamarina ny zavatra natahorako indrindra. Ny vadiko, izay nanaraka ahy tany ivelany, dia naka azy ho eny an-tsandriny ary nanome azy tsodranon’ny fisoronana avy hatrany.

Tonga haingana ny fiaravonjimarary, ary izaho sy i Markus dia nivavaka teo am-pikarakaran’ireo mpitsabo mpanampy an’i Emma. Vetivety izahay rehetra dia tafiditra tao anatin’ilay fiaravonjimarary nankany amin’ny hôpitaly.

Vetivety dia tonga nanotrona anay tao amin’ny sampan-draharaha misahana ny fitsaboana olona marary mafy ireo olona ao amin’ny fianakaviana izay tonga mba hanohana anay. Nandeha nody niaraka tamin’ny zanaky ny mpiray tampo amin’ny ray aman-dreniny i Markus, fa izaho sy ny vadiko kosa dia nijanona, sady tsy mbola nahafantatra na inona na inona momba ny toe-pahasalaman’i Emma.

Taorian’ny fiandrasana izay toa ela dia ela tokoa dia tamy avy any ihany ny iray tamin’ireo mpitsabo ka nangataka ny antsipiriany momba ilay loza. Nilaza izy ireo fa raha ny tokony ho izy, ny fianjerana avy eny amin’ny haavo sahala amin’izany dia ho niteraka ratra tany anaty ka kely monja ny hahafahana ho mbola velona. Nisy tapaka ny taolamaojan’i Emma ary nisy fikorontanana ny atidohany, saingy ivelany fotsiny ihany ireo kiaka taminy. Nilaza ilay mpitsabo fa mety nisy anjely nitaty azy angamba.

Na dia fahagagana aza ny fahaveloman’i Emma dia mbola tsy nahatsiaro tena izy noho ny fahavoazana teo amin’ny lohany. Mbola nanome tsodrano an’i Emma indray ny vadiko sy ny namana roa akaiky anay. Tao anatin’izany tsodrano izany dia nomena fampanantenana izy ny ho sitrana tanteraka tsy hisy olana maharitra ary ho traikefa tsara eo amin’ny fiainany izany zavatra nitranga izany. Nahatsapa fankasitrahana lehibe tokoa aho noho ny herin’ny fisoronana. Nohenoina ireo fitalahoako rehetra nandritra ny alina.

Nifoha avy tamin’ny tsy fahatsiarovan-tenany i Emma efatra andro taty aoriana. Nandritra ireo efatra andro ireo dia nifady hanina sy nivavaka ho azy ireo namana sy mpikamban’ny Fiangonana ary ireo olona hafa. Tsapako nanemitra ahy ny vavak’ireo Olomasina mahatoky, izay nampahery ahy sy ny fianakaviako. Tsapako ho toy ny hoe nofihinin’ Andriamanitra tamin’ny sandriny aho ary nofenoiny fiononana tao anatiko.

Nanao fifadian-kanina ny tsatòkanay tamin’ilay andro mialoha ny nifohazany. Mino izahay fa nahare ny vavakay ny Ray any An-danitra ary ny fifohazan’i Emma dia vokatra mivantana avy amin’ilay fifadian-kanina. Nanomboka tamin’izay dia sitrana haingana i Emma. Dimy andro taty aoriana dia niteny ny teniny voalohany hatramin’ny nisehoan’ilay loza izy, ary sivy andro taty aoriana dia nivoaka ny hôpitaly izy. Nipetraka dimy herinandro teo ambony seza misy kodiarana izy ary taorian’izay dia nanomboka nanaraka fitsaboana fanazarana ny vatana hihetsika indray.

Tokotokony ho iray volana taorian’ilay loza dia nipika tampoka ny lamosiko noho izaho nibata an’i Emma. Tonga tao amiko ny fahatsapana ho tsy nanana hery, tsy ara-batana ihany fa ara-panahy ihany koa. Amin’ny fomba ahoana no hahafahako hanohy hikarakara azy?

Indray alina dia nanjary mafy loatra ka toa tsy zaka intsony ny fahatsapana ho meloka noho ny tsy fananana hery hanao na inona na inona. Nivoaka ny trano aho dia nandeha tany amin’ny seza iray teny amin’ny zaridaina lehibe iray, dia nivavaka tamin’ny Ray any An-danitra tao nandritra ny adiny iray teo aho. Vao voalohany teo amin’ny fiainako no nahatsapako ilay hery mahagagan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy nandrakotra ahy. Nesorina tamiko avokoa ireo fanaintainana sy alahelo nentiko. Nesorina teo an-tsoroko ireo enta-mavesatro rehetra taorian’izany vavaka izany. Mbola nampiasa seza misy kodiarana i Emma, ary izaho dia nanaraka fitsaboana lamosina matetika, kanefa nampahatanjahina aho mba hanohy ny ezaka nataoko.

Herintaona taty aoriana dia afaka nihazakazaka i Emma, nihomehy, nitantara tantara, ary nieritreritra tahaka izay tokony hieritreretan’ny zaza efa-taona.

Fantatray fa misy Ray any An-danitra be fitiavana any, izay mikarakara anay sy mahafantatra anay tsirairay avy. Fantany izay olana hatrehanay. Tsy hisalasalako mihitsy ny fahagagana nomeny anay tamin’ny alalan’ny vavaka, ny fifadian-kanina, ary ireo tsodranon’ny fisoronana.