2016
Lesona avy amin’i neny
October 2016


Lesona avy amin’i neny

Sary
lessons from mother

Rehefa nihalehibe aho, isaky ny nahazo vola izahay, dia nalain’ny reniko ireo vola taratasy tsara indrindra—ireo izay zara raha miforiporitra na maloto—ka nomeny ny mpitandrina tao amin’ny fiangonana nandehananay izany. Nanao izany nandritra ny fiainana iray manontolo izy. Hoy izy: “An’ Andriamanitra ity.” Nanomboka tamin’izay dia tsaroako foana ireo teny ireo. Rehefa natao batisa tato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany aho rehefa olon-dehibe dia tsy sarotra tamiko ny nandoa fahafolonkarena satria nampianarin’ny reniko hankatò io lalàna io aho.

Nampianarin’ny reniko koa aho mba ho marin-toetra, na dia midika hoe manao zavatra sarotra aza izany. Namboly ny karazana voankazo sy legioma rehetra ny mpifanolobodirindrina taminay. Indraindray dia namoa taty amin’ny ilan’ny fefinay ny voankazony. Indray mandeha aho nioty tamin’izany voankazo izany ka nitondra izany tany amin’ny reniko. Nijery ahy izy dia niteny hoe: “Tsy antsika ireto.” Gaga be aho. Hoy aho hoe: “Inona no tianao holazaina? Avy aty amin’ny ilan’ny fefintsika ireo!” Dia nilaza indray izy hoe: “Tsy antsika ireto.” Dia noraisiny ny tanako, dia nandeha tany an-tranon’ilay mpifanolobodirindrina taminay izahay. Nangataka famelan-keloka izahay satria naka ny voankazony. Nilaza ny reniko fa raha toa ka te hanana zavatra isika dia tokony haka izany amim-pahamarinan-toetra.

Mety ho tsy mpikamban’ny Fiangonana ireo ray aman-dreninao, na koa tsy manaiky foana ny safidin’izy ireo ianao. Mbola afaka mianatra fitsipika marina avy amin’izy ireo ianao, toy ny fahamarinan-toetra, ny fandraisana andraikitra, ny fizakan-tena, ary ny fisasarana mafy. Ho fitahiana lehibe eo amin’ny fiainanao ireo fitsipika ireo.