2016
Tenin’ny mpaminany tany amin’ny toerana tsy nampoizina
October 2016


Tenin’ny mpaminany tany amin’ny toerana tsy nampoizina

Nipetraka tany Argentine ilay mpanoratra tamin’ny vadiny filohan’ny misiôna.

Hanova ny fiainan’i Oscar Castro mandrakizay ny gazetiboky iray navelan’olona.

Sary
abandoned Church magazines

Natao batisa sy noraisina ho mpikambana i Oscar Castro rehefa avy nahita Liahona momba ny Fihaonamben’ny Fiangonana tao amin’ny trano nifindrany.

Sary nataon’i Dan Burr; sary nomen’ny mpanoratra

Ny andro nandaozan’ny vadin’i Oscar azy sy ireo zanany kely anankiroa no iray tamin’ireo andro sarotra indrindra teo amin’ny fiainany. Fanapahan-kevitra maro no tsy maintsy noraisina. Nitady asa efa ela izy, ary tamin’izay fotoana izay izy dia nila toerana vaovao nipetrahana. Toy ny nikorontana tanteraka ny fahitany ny fiainany. Nieritreritra ny hilavo lefona tsotra izao izy, ary mety efa nilavo lefona raha tsy nanana ireo zanany roa tsara tarehy.

Tsy betsaka ny trano azo nofaina tamin’ny sarany izay zakan’i Oscar tao San Juan Argentine. Kanefa nisy trano kely iray teo amin’ny toerana azo antoka vao nialan’ny andian-jatovolahy iray, ka dia nofain’i Oscar izany ary niomana ny hanorim-piainana vaovao niaraka tamin’ireo zanany izy.

Nisy gazetiboky sy boky tavela teo amin’ny tany tao amin’ny tranon’izy ireo vaovao, ka rehefa avy niasa nandritra ny tontolo andro nanadio sy nanary zavatra maromaro i Oscar dia nipetraka ary nijery ny iray tamin’ireo gazetiboky. Nahalasa eritreritra azy noho ny antony manokana ilay fonony. Teo ambanin’ilay lohateny hoe Liahona, dia nisy sarina lehilahy antitra nijoro teo ambony tilikambo niresaka tamin’ny vahoaka. Nampahatsiahy azy ireo sarin’ny mpaminany ao amin’ny Baiboly ilay lehilahy.

Nosokafan’i Oscar ilay gazetiboky dia nanomboka namaky izy: “Isika tsirairay dia mahafantatra fa tokony hiteny amin’ireo olona tiantsika hoe tiantsika izy ireo. Saingy ny zavatra fantatsika matetika dia tsy hita taratra eny amin’ny zavatra ataontsika.”1 Nieritreritra ireo teny henjana izay nifanaovan’izy sy ny vadiny matetika i Oscar. Naniry ny hampianatra ny zanany mba ho tsara kokoa noho izany izy. Nanohy namaky ilay gazetiboky i Oscar, dia nanomboka nahatsapa fanantenana nitsiry tao anatiny. Talohan’ny nifaranan’ilay herinandro dia efa voavakiny ny lahatsoratra rehetra ka naniry ny hahalala bebe kokoa izy.

Iray volana taty aoriana dia nisy misiônera roa nandeha an-tongotra teny amin’ny faritra nisy an’i Oscar. Nanatona azy ireo i Oscar dia nanontany raha toa izy ireo ka misiônera Olomasin’ny Andro Farany ary tokony ho ohatrinona no mahazo bebe kokoa amin’ireo gazetibokin’ny Fiangonana ireo? Nilaza taminy ireo elder fa 20 minitra amin’ny fotoany fotsiny no hotakiana aminy.

Ny ampitson’io dia namangy ny tokantranon’i Oscar ireo misiônera roa. Notantarain’i Oscar tamin’izy ireo ny fifindrany tao ka nahitany boky tonta, gazetiboky, ary kiboky izay nanome fahafahana azy hahafantatra zavatra momba ny Fiangonana. Nohazavainy fa ny lahatsoratra voalohany novakiny dia nifandray mivantana tamin’ny zavatra niseho teo amin’ny fiainany tamin’izany fotoana izany. Efa fantany ny lanjan’ny fianakaviana ary naniry ny hahalala bebe kokoa momba ny takarivan’ny mpianakavy sy ny vavaky ny mpianakavy izy. Nolazainy an’ireo elder ny zavatra hafa nianarany momba ny Fiangonana, ka anisan’izany ny momba an’i Joseph Smith sy ny Famerenana ny filazantsara tamin’ny laoniny.

Nibanjina ny mason’ireo elder izy dia nilaza ny teny izay irian’ny misiônera rehetra ho heno: “Mino aho fa mpaminanin’ Andriamanitra i Joseph Smith.” Nanasa azy hatao batisa ireo elder dia nanaiky i Oscar sady nanganohano ny masony. Herinandro vitsy taty aoriana dia natao batisa i Oscar Castro ary noraisina ho mpikamban’ny Fiangonana.

Nanomana an’i Oscar ny Tompo, ary ny fanahiny dia nanenina sy vonona ny hianatra ary hivoatra. Tamin’io andro tsy hay hadinoina sady nampihetsi-po io dia nikasika ny fon’i Oscar ny fanahin’ireo hafatra tao amin’ny Liahona momba ny Fihaonamben’ny Fiangonana. Ireo olona nipetraka tao amin’ilay trano teo aloha dia tsy nahalala izay mety ho fiantraikan’ny famelana gazetibokin’ny Fiangonana vitsivitsy, nefa ireo hafatry ny filazantsara tao anatin’ireo gazetiboky ireo dia lasa fitaovana fitoriana manan-danja. Nanova mandrakizay ny fiainan’i Oscar izy ireo tamin’ny fitarihana azy ho amin’ny fahamarinana izay nokatsahiny.

Fanamarihana

  1. David A. Bednar, “Hazoto sy Hikarakara Bebe Kokoa ao An-tokantrano,” Liahona, nôv. 2009, 17.