2016
Nanampy ahy hampianatra ao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa fototra ny Kapiteny Môrônia
October 2016


Ny feon’ireo Olomasin’ny Andro Farany

Nanampy ahy hampianatra ao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa fototra ny Kapiteny Môrônia

Sary
captain Moroni helped me teach middle school

Sary nataon’i Allen Garns

Tao anatin’ny taom-pianarana iray sarotra aho nampianatra ankizy 13 sy 14 taona. Vao tonga tao an-trano aho avy nanatrika fivoriana iray nampitebiteby niaraka tamin’ny tale lefitra ary vao haingana no notsaraina ny hatsaran’ny ny fomba fampianarako. Noho izaho mpampianatra vaovao sady nila namorona ny ankamaroan’ny lesona nampianariko dia sahirana aho nanao izay hifantohan’ireo mpianatra tamin’ny asa natao sy nanao izay hahaliana azy ireo. Tamin’ny ankapobeny ilay fifampiresahana dia niompana tamin’ny hoe mila manery ireo mpianatro hanao safidy aho—hanao ny asa na hidi-kizo—ary hanara-maso ny fanatanterahana ny fampitandremana omeko.

Nandao ilay fivoriana tamin’alahelo sy tamim-pihetseham-po be aho. Io fivoriana io no nataoko zavatra nifantohana ny tontolo andro rehefa nandalina ny soratra masina aho ny ampitson’io. Nahagaga tokoa fa nahazo valinteny aho rehefa namaky ny Bokin’i Môrmôna.

Nivavaka aho mba hianarako avy amin’ny soratra masina ny fomba hahatongavana ho mpampianatra tsara tamin’io maraina io. Nampianatra ahy ny Fanahy Masina rehefa namaky momba ny Kapiteny Môrônia tao amin’ny Almà 44 aho. Tamin’izany fotoana izany dia nohodidinin’ny Kapiteny Môrônia sy ny Nefita teo amin’ny reniranon’i Sidôna ny Lamanita dia nampitahorin’izy ireo ireo Lamanita ka nanjary nanary ny fitaovam-piadiany. Nanohy namaky aho sady nieritreritra ny fomba tiako hahatongavana tahaka ny Kapiteny Môrônia tao an-dakilasy: mifehy, mahatoky tena, ary mahomby.

Namaky ilay resaka nifanaovana aho dia nahatsikaritra an’i Môrônia niteny tamin’i Zerahemnà sy ireo Lamanita fa voatery nanao safidy izy ireo: “Ny hanoloranareo anay ny fitaovam-piadianareo, ary … hotsimbininay kosa ny ainareo, raha ho zorinareo ny lalanareo ka tsy hiverina indray ianareo hiady aminay” na “raha tsy manao izany ianareo dia, … handidy ny oloko aho ny hanafihany anareo” (Almà 44:6, 7). Hitako fa nanao ny zavatra nasain’ny lehibeko ataoko izy! “Omeo safidy roa izy ireo dia araho maso avy eo,” hoy izy. Sady nieritreritra izany aho no nampiasa ny teny filamatr’i Môrônia hoe: “Indro, hofaranantsika ny ady” (Almà 44:10).

Rehefa vonona ny hampiasa ireo fitsipika nianarako tao amin’ny tantara iray tao amin’ny soratra masina momba ny iray amin’ireo olona be herimpo ankafiziko aho dia niverina tany an-dakilasy sady natoky tena niaraka tamin’ny tetik’adiko. Nanana sariolona kely Kapiteny Môrônia aho ary nipetraka tao anatin’ny paosin’ny lobako izy mandra-pahatapitry ny taom-pianarana nampianarako mba hampahatsiahy ahy ny fomba nampianaran’ny Kapiteny Môrônia ahy ny fomba hitondrana ny kilasy ambaratonga faharoa fototra iray. Rehefa nomeko safidy roa ny mpianatro dia nihatsara ny fitondrantenan’izy ireo, nataony ny asa nampanaovina azy, ary nifankahazo tsara izahay. Tapitra ilay taom-pianarana, ary mbola sarotra ihany ilay izy, saingy afaka “namarana ny ady” aho noho ilay vavaka novaliana sy ny herin’ny soratra masina.