2016
Manompo any an-dafin’i Jordana
October 2016


Manompo any an-dafin’i Jordana

Na any amin’izay toerana hafa ilan’ny Tompo anareo.

Sary
Amman Jordan

Sary © iStock/Thinkstock

Tena goavana tokoa ny filàna.

Tamin’ny fiandohan’ny taona 2013 dia nahitana olona dimy voan’ny kitrotro tao amin’ny tobin’ny mpitsoa-ponenana tao Za’atari tany amin’ny firenen’i Jordanie any Moyent Orient. Mpitsoa-ponenana Siriana maherin’ny 100.000, izay niaina tao anatin’ny toerana rakotra olona no notandindomin-doza hahazo ity otrik’aretina tena mora mifindra sy mampidi-doza be ity. Nanao drafitra ny hanatanteraka fanaovana vaksiny faobe ny governemanta jordaniana mba tsy hiparitahan’ilay aretina. Ny hanao vaksiny mpitsoa-ponenana Siriana enim-bolana ka hatramin’ny 30 taona miisa 90.000 farafahakeliny ao anatin’ny tapa-bolana no drafitra.

Saingy nisy olana. Nanana ilay vaksiny ny UNICEF. Nanana ireo tobim-pahasalamana ny Ministeran’ny fahasalamana jordaniana. Ny zavatra tsy nananan’izy ireo dia ireo fitaovana tsy maintsy atao mangatsiaka mandritra ny fizarana—fanindronana, fitoeran’ireo zava-maranitra, fampangatsiahana ilay vaksiny—ary niha-nandeha ny fotoana.1

Dia nanomboka niditra an-tsehatra i Ron sy i Sandi Hammond, misiônera mpivady zokiolona izay talen’ny LDS Charities an’ny firenena tao Jordanie. Satria efa niara-niasa tamin’ny UNICEF sy ny Ministeran’ny fahasalamana i Ron sy i Sandi dia nirotsaka faingana tao amin’ny fiaraha-miasan’ireo fikambanana roa ireo izy ireo mba hamantarana ny fomba ahafahan’ny LDS Charities manampy.

Hoy i Ron: “Nanontany momba ny vidin’ireo fitaovana tsy maintsy atao mangatsiaka mandritra ny fizarana izahay. Rehefa nolazain’izy ireo anay izany dia niteny izahay hoe: ‘Mihevitra izahay fa afaka manampy ny LDS Charities.’ Hoy izy ireo hoe: ‘Rahoviana no haingana indrindra? Mila mandroso isika!’”

Nanome lalana ny fividianana ireo fitaovana ilaina izay tsy maintsy atao mangatsiaka mandritra ny fizarana tao anatin’ny 20 ora ny LDS Charities. “Rehefa nampahafantarinay ny Ministeran’ny fahasalamana sy ny UNICEF izany,” hoy i Ron, “dia talanjona izy ireo. Ahoana no nahafahan’ny ONG (fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana) iray nanao zavatra haingana tokoa toy izany? Tsy hoe nandeha tsara ara-potoana fotsiny ilay fanaovam-baksiny fa nitarika fanaovam-baksiny manerana ny firenena izany izay nahafahana niaro Jordaniana sy mpitsoa-ponenana Siriana amana hetsiny.”

Sary
giving immunizations

Ankavia: sary nindramina TAMIN’I SAMIR BARDAN, UNICEF-JORDANIE; kisarisary aoriana sy sarin’i Amman, Jordanie © iStock/Thinkstock

Voasoroka ny loza.

Ankoatra izany dia niteraka ireo mety ho fiaraha-miasa amin’ny hoavy izany fiaraha-miasa nahomby teo amin’ny UNICEF sy ny Ministeran’ny fahasalamana jordaniana ary ny LDS Charities izany.

Ny fomba nahatongavan’i Ron sy i Sandi tamin’izany fotoana manan-danja izany tany Moyen Orient dia porofon’ny finoan-dry Hammond mivady sy ny fitaomam-panahy ao ambadik’ilay fandaharan’asa ho an’ireo misiônera zokiolona ao amin’ny Fiangonana.

Mila misiônera mpivady

Mpanatanteraka ôrdônansy tao amin’ny Tempolin’i Rexburg Idaho ry Hammonds tamin’ny 2012. Mpitsabo nify nahomby i Ron ary nampianatra tao amin’ny Departemanta misahana ny fampianarana ny filazantsara tao amin’ny Brigham Young University-Idaho izy. Niova tampoka anefa ilay fahazarana nilamina izay niainan’izy ireo rehefa nandray fahatsapana ara-panahy miavaka iray mba handefa ireo taratasy hanaovana asa fitoriana izy ireo. Nanampoka azy ireo ny fotoana hanaovana izany. Teo an-dalam-piovana asa sy toeram-ponenana ny zanak’izy ireo efa manambady, ary tsy mbola nieritreritra ny handeha hisotro ronono i Ron. Nanome toky azy ireo anefa ny Fanahy fa nilaina izy ireo ary handeha tsara ny zavatra rehetra.

Raha ny zava-nitranga dia nifady hanina sy nivavaka mba hahita ny mpivady tena mety mba hanompo ho talen’ny LDS Charities an’ny firenena tany Amman, Jordanie ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana tao amin’ny foiben’ny Fiangonana.

“Tena nazava be,” Hoy i Sandi, “fa efa niasa talohanay ny Tompo, nanomana ireo antsipirian-javatra momba ilay asa ampanaoviny anay manokana. Fantatray fa manao izany Izy ho an’ny misiônera rehetra izay manompo. Mahafaly ny mahafantatra fa alamin’ny Mpamonjy mialoha ny hahatongavanao any ny zavatra rehetra.”

“Rehefa manao jery todika,” hoy i Ron, “dia feno fankasitrahana izahay fa tsy nilaza mivantana ny toerana tianay hanompoana na niziriziry tamin’izany. Ny famelana ny zavatra toy izany eo am-pelatanan’ny Tompo dia namela Azy hanome anay traikefa izay tsy ho azonay raha tamin’ny fomba hafa.

Izany traikefa izany dia nahitana ny fiarahana miasa tamin’ny fianakavian’ny mpanjaka tao Jordanie tamin’ireo fandaharan’asa fanampiana olona izay nanan-danja tamin’ireo mpanjaka. Niara-niasa tamin’ireo hôpitaly sy tobim-pahasalamana teo an-toerana ry Hammond mivady mba hanolorana fanofanana ho an’ireo mpitsabo Jordaniana mikasika ireo fahaiza-manao eo amin’ny famelomana zazakely vao teraka, izay nampihena be tokoa ny fahafatesan’ireo zaza vao teraka. Tamin’ny alalan’ireo ezaka nataon’izy ireo sy ireo ezaka nataon’ireo misiônera mpivady hafa dia nanolotra fanofanana sy fitaovana ho an’ireo tobim-pahasalamana mitsabo maso sy ireo fikambanana manompo ireo izay manana fahasembanana ny LDS Charities. Anisan’ireo notohanan-dry Hammond mivady sy ireo misiônera mpanao asa soa hafa ny ivontoerana iray izay mampianatra vehivavy manana fahasembanana ny fomba hamoronana sy hanamboarana fitafiana ilàna fahaiza-manao manokana sy taozavatra. Ireo fahaiza-manao ireo dia nanome ireo mpianatra ny fahafahana hamelona ny tenany sy ny fianakaviany.

Sary
midwives practice neonatal resuscitation techniques

Ankavia: sary nindramina tamin’ny LDS Charities; ankavanana: sary nindramina tamin-dry Hammond mivady

Ireo fandaharan’asa hafa dia nahitana ny fiaraha-miasa tamin’ny ONG (Fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana) hafa sy ny governemanta jordaniana teo amin’ny lafiny vonjy taitra sy ny fifantenana ireo mpianatra jordaniana mba hahazo vatsim-pianarana iray amin’ireo vatsim-pianarana anankiroa isan-taona hianarana any amin’ny Brigham Young University. Anisan’ireo zavatra niainana tena nahafinaritra an-dry Hammond mivady ny fiaraha-miasa tamin’ny Fiangonana Katôlika Latina mba hanorina sekoly ho an’ireo Kristianina Irakiana izay tsy nanana toerana hivoriana.

Miaraka amin’ny Tompo ao amin’ny tanimboalobony

Raha tany Jordanie ry Hammond mivady dia nianatra ny maha-marina ny fampanantenan’ny Tompo ho an’ireo izay manompo Azy izy ireo: “Ary Izaho handeha eo anoloanareo. Ho eo ankavananareo sy eo ankavianareo Aho, ary ho ao am-ponareo ny Fanahiko, ary hanodidina anareo ny anjeliko mba hanohana anareo” (F&F 84:88).

“Mandray anjara ao amin’ny asa Andriamanitra,” hoy i Ron. “Mirotsaka ao amin’ny tanimboaloboka miaraka amin’ireo mpanompony Izy. Miaraka amin’izay mpivady rehetra mandeha manao asa fanompoana ao amin’ny tanimboaloboka ny Tompon’ny tanimboaloboka. Tsy nino fotsiny ireo fahagagana tao Jordanie izahay; niaina azy ireny izahay.”

Tsy hiadian-kevitra fa ireo anjely izay tsapan’izy ireo “nanodidina” azy ireo dia nahitana ireo izay avy any an-danitra, sy nahitana ihany koa ireo izay avy eto an-tany, indrindra fa ny zanak’izy ireo izay nanohana ny fanapahan-kevitr’izy ireo hanompo lavitra ny tokantrano.

Ary ny fianakavian’izy ireo koa vokatr’izany dia notahiana tamin’ny hery miaro sy manohana avy amin’ny Tompo. Fanapahan-kevitra goavana momba ny asa sy fifindran-toerana no noraisina, ary voavaha ireo ahiahy momba ny mety ho fahasarotam-piterahana rehefa nitodika tany amin’ny Tompo ny zanak’izy ireo, sy niara-nifanakalo hevitra, ary nifampivavaka sy nifady hanina.

Lehibe tokoa ireo fitahiana azon’ny zanak’izy ireo ka rehefa nasaina mba hanitatra ny asa fanompoany roa taona ho lasa telo taona Rahalahy sy Rahavavy Hammond dia naneho fanohanana tamim-pahavitrihana ny zanak’izy ireo tsirairay. Tsapan’izy ireo fa nanao zavatra tena miavaka ho azy ireo ny Tompo ho vokatra mivantana avy amin’ny asa fanompoan’ny ray aman-drenin’izy ireo.

Na izany aza dia mbola fahafoizan-tena ny fisarahana izay tsapan’ny fianakaviana Hammond. Sarotra ny hoe lavitra be an’ireo olon-tian’izy ireo. Saingy tsy sarotra toy ny taloha izany. Ny teknôlôjia dia nahatonga an’ilay fianakaviana handray anjara amin’ny fiainan’ny tsirairay matetika araka izay nilàna izany. Nilaza i Sandi hoe: “Mifandray foana amin’ny fianakaviany ireo mpivady. Nifandray matetika tamin’ireo fianakavian’ny zanakay tany an-trano izahay. Noho ny Face Time sy ny email dia nahafantatra anay sy feno fitiavana ary nandray tsara anay rehefa nody izahay ny zafikelinay efatra vaovao, izay teraka raha mbola tany am-panompoana izahay.

Maso sy fo nisokatra

Sary
the Hammond family

Ankavia: sary nindramina tamin’ny LDS Charities; ankavanana: sary nindramina tamin-dry Hammond mivady

Anisan’ireo fitahiana marobe tsapan-dry Hammond mivady fa azon’izy ireo avy tamin’ny asa fanompoana nataony ny fahitan’ny mason’izy ireo ilay falalahan-tanana sy hatsaram-panahy nananan’ny vahoaka Jordaniana. Tsy nahafantatra tsara ny momba ny vahoaka hotompoin’izy ireo ry Hammond mivady rehefa nahazo voalohany ny antsony izy ireo.

“Kanefa hitanay fa malefaka sy malala-tanana ireo Silamo namanay,” hoy i Ron, “ary azonay antoka fa raha toa ka tsapan’izy ireo fa tandindomin-doza izahay dia ho nanao izay rehetra azony natao hiarovana anay izy ireo.

“Mampitolagaga ny fiantran’izy ireo. Tsy zakan’ny Jordaniana ny mahafantatra fa misy olona sahirana kanefa afaka manampy izy ireo. Talohan’ireo andron’i Davida tany izy ireo dia efa nandray mpitsoa-ponenana. Ny Baiboly dia ahitana andinin-tsoratra masina maro misy ny hoe ‘any an-dafin’i Jordana,’ ary nanomboka nanao sonia ny taratasinay tamin’ny hoe ‘Aty an-dafin’i Jordana,’ izahay ho fankasitrahana ny asa fanompoana feno fangorahana izay voninahitra ho anay ny nanolotra izany tato amin’ity firenena be fangorahana araka ny tantara ity. Toeran’ny fiantrana i Jordanie nandritra ny taon-jato maro, ary nitahy ny vahoaka noho izany ny Tompo.”

Ny fiarahana miasa akaiky tamin’ny vahoana Jordaniana dia nahafahan-dry Hammond mivady nikolokolo finamanana matanjaka. “Nahazo fanasana maro mba hihinana ny sakafo Iftar izahay, izay ny sakafo mamarana ny fifadian-kanina isan’andro mandritra ny Ramadan,” hoy i Sandi. “Ireo Silamo namanay ihany koa dia nanasa anay hanatrika ireo fety amin’ny fifamofoana, fampakaram-bady ary fotoana hafa izay mifantoka amin’ny fianakaviana.”

Tsy mitory na manome lalana ny hanaovana batisa ireo Silamo any Jordanie na any amin’ireo toeran-kafa handraràn’ny lalàna izany ny Fiangonana, koa dia tsy nizara fampahalalana momba ny Fiangonana ry Hammond mivady. Fa nifantoka tamin’ny fanorenana sy fihazonana fifandraisana kosa izy ireo—tamin’ny fianakavian’ny mpanjaka, ireo mpiara-miombonantoka amin’ny asa fanampiana olona eo an-toerana, ireo misiônera mpivady niara-nanompo tamin’izy ireo, ary ireo mpitarika ara-pivavahana sy tao amin’ny governemanta. Rehefa nanontaniana momba ny Fiangonana ry Hammond mivady dia namporisika ireo mpanontany izy ireo mba hitsidika ny LDS.org.

Ilay antso mba hanompo

Raha eritreretina ireo zavatra mahagaga niainan’i Ron sy i Sandi, dia moa ve izy ireo mahatsapa ho somary miavaka amin’ireo mpivady izay nantsoina hanompo—na izay azo antsoina hanompo?

Eny—dia tsia ihany koa. “Nanompo tany amin’ny toerana sy tamin’ny fotoana nilan’ny Tompo mpivady nanana ny fahaiza-manaonay manokana sy ireo traikefa teo amin’ny fiainana anananay izahay,” hoy ry Hammond mivady. “Marina anefa izany ho an’ny misiônera zokiolona rehetra. Ny mpivady rehetra manana fahafahana hanao asa fanompoana dia nomanina mba hanompo amin’ny fomba miavaka amin’izy ireo. Mila mampihatra finoana ampy handehanana any amin’ny toerana ilàn’ny Tompo azy ireo fotsiny izy ireo ary Izy dia hampiasa azy ireo mba hitondra fiovana eo amin’ny fiainan’ny hafa.”

“Afaka mitondra fiovana ireo mpivady,” hoy ny Loholona Robert D. Hales ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. “Afaka manatontosa zavatra mahagaga izay tsy vitan’ny olona hafa ireo misiônera mpivady. …

“… Saika ho tsy manam-petra ireo fomba ahafahan’ny mpivady manompo. Manomboka amin’ny fanohanana ny biraon’ny misiôna sy ny fampiofanana ireo mpitarika ka hatramin’ny tantaram-pianakaviana, ny asa atao any amin’ny tempoly, ary ny asa fanampiana olona—dia misy fahafahana mba hampiasana izay mety ho fahaiza-manao na talenta rehetra nomen’ny Tompo anao. …

“… Nahazo betsaka ianareo teo amin’ny fiainanareo; mandehana dia manolora tena amin-kalalahana ao amin’ny fanompoana ny Tompo sy Mpamonjintsika. Manàna finoana. Fantatry ny Tompo ny toerana ilàna anareo. Tena betsaka tokoa no ilaina, ry rahalahy sy anabavy, ary vitsy tokoa ireo mpiasa tany.”2

Fanamarihana

  1. Jereo ny “Mass Vaccination Campaigns in Syria, Jordan, Lebanon, Iraq and Turkey Amid Measles Outbreaks,” 30 apr. 2013, unicef.org.

  2. Robert D. Hales, “Couple Missionaries: A Time to Serve,” Liahona, jol. 2001, 30, 31.