2016
Ny fifaliana avy amin’ny fianarana
October 2016


Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Ny fifaliana avy amin’ny fianarana

Rehefa lasa mpianatra manolo-tena kokoa isika dia hahatsapa ilay fifaliana masina izay azo avy amin’ny fianarana sy ny fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Sary
young woman reading her scriptures

Misy tantara iray momba ny lehilahy iray izay nanjary nalaza ho ilay lehilahy kamo indrindra teo an-tanàna. Tsy te hiasa izy ary tsy te hitady asa. Nivelona tamin’ny hatsembohan’ny hafa fotsiny izy. Nony farany dia leo nanampy azy ny olona teo an-tanàna. Nanapa-kevitra ny hitondra azy tany amin’ny faritra ivelan’ilay tanàna izy ireo ary handefa azy ho sesitany. Raha niaraka taminy tao anaty voatiry ho eny amin’ny sisin-tanin’ilay tanàna ny iray tamin’ireo mponina tao dia nahatsapa fangorahana lehibe ilay mpitondra voatiry. Tokony homena fahafahana hanova ny toe-tsainy angamba ilay lehilahy voaroaka. Noho izany dia nanontany izy hoe: “Tianao ve raha omeko katsaka iray harona ianao mba hoentinao manarina indray ny fiainanao?”

Dia namaly ilay lehilahy voaroaka hoe: “Efa voavaofy ve?”1

Mpampianatra sy mpianatra: manana andraikitra mitovy mba hitondra anjara biriky

Indraindray ny olona dia te hahatakatra ny soratra masina kanefa tsy manao ezaka akory—tian’izy ireo hazavaina aminy mialoha ny hamakiany izany ny soratra masina. Tian’izy ireo ianarana amin’ny alalan’ny fitanisana andiana teny nindramina fohy sy mampiala voly na horonantsary fohy sy mampiala voly ny filazantsara. Tian’izy ireo hanomana sy hanao ny zavatra rehetra hahatakaran’izy ireo ny lesona ny mpampianatra Sekoly Alahady kanefa izy ireo tsy te hanomana na handray anjara.

Mifanohitra amin’izay, indray mandeha dia nanasa ireo mpianany handeha hody ny Mpamonjy satria tsy nahatakatra ny teniny izy ireo Nandidy azy ireo Izy ny hivavaka, hisaintsaina, ary “[hanomana ny sain’izy ireo] ho amin’ny ampitso,” rehefa “[hankany amin’izy ireo indray Izy]” (jereo ny 3 Nefia 17:2–3).

Izao no lesona nampitainy: tsy andraikitry ny mpampianatra irery ihany ny tonga ao an-dakilasy sady efa niomana tsara fa andraikitry ny mpianatra ihany koa. Tahaka ny hananan’ny mpampianatra andraikitra hampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy no hananan’ny mpianatra andraikitra hianatra amin’ny alalan’ny Fanahy ihany koa (jereo ny F&F 50:13–21).

Voarakitra ao amin’ny Bokin’i Môrmôna fa: “ny mpitory dia tsy tsaratsara kokoa noho ny mpihaino, ary ny mpampianatra dia tsy tsaratsara kokoa noho ny mpianatra; ary dia toy izany no nitovian’izy rehetra” (Almà 1:26; nampiana fanamafisana).

Ireto manaraka ireto misy sosokevitra mikasika ny zavatra azontsika atao mba hahatsapa ny fifaliana azo rehefa manao ny anjarantsika isika amin’ny fianarana sy ny fiainana ny filazantsara.

Fianarana ao an-tokantrano

Sary
woman studying at home

Mandalina ny soratra masina

Tompon’andraikitra amin’ny fianarany ny filazantsara manokana ny mpikambana rehetra. Tsy afaka mamindra izany andraikitra izany isika. Ny ankamaroan’izany fianarana izany dia azo avy amin’ny alalan’ny fandalinana soratra masina tsy tapaka. Nanambara ny Filoha Harold B. Lee (1899–1973) hoe: “Raha tsy mamaky ny soratra masina isan’andro isika dia mihamihena ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika.”2 I Paoly Apôstôly dia nilaza fa ny Jiosy tao Beria dia “tsara noho ny tao Tesalonika; satria nandray ny teny tamin’ny zotom-po indrindra ireo,” ary avy eo izy dia nizara ny antony nahatonga azy ireo nandray tsara toy izany: “[Izy ireo dia] nandinika ny soratra masina [isan’andro]” (Asan’ny Apostoly 17:11; nampiana fanamafisana).

Ny fandalinana soratra masina isan’andro dia ampahany manan-danja amin’ny fampitomboana ny fiainam-panahintsika. Tsy misy zavatra hafa mahasolo tanteraka ny famakiana soratra masina raha tsy manao izany isika ao anatin’ny zavatra fanaontsika andavanandro. Noho io antony io dia tokony hatao mandritra ny fotoana natokana ho an’izany ny fandalinana soratra masina fa tsy amin’ny fotoana sisa tavela.

Mety hilaza ny olona sasany hoe: “Ka tsy manana fotoana handalinana soratra masina anie aho noho ireo adidy maro hafa ananako eo amin’ny fiainana e!” Io fomba fiteny io dia mampahatsiahy ahy ilay tantara momba ny lehilahy roa mpanapaka hazo tamin’ny famaky izay nifaninana ny hamantatra hoe iza no afaka manapaka hazo betsaka kokoa ao anatin’ny iray andro. Nanomboka tamin’ny fiposahan’ny masoandro ilay fifaninanana. Isaky ny adiny iray dia nandeha niditra tany anaty ala tany nandritra ny 10 minitra na manodidina an’izany ilay lehilahy kelikely kokoa. Isaky ny nanao izany izy dia nitsiky ilay mpifaninana taminy sady nahatsapa ho natoky tena fa izy no handresy amin’ilay fifaninanana. Tsy niala teo amin’ny toerany mihitsy ilay lehilahy ranjanana kokoa, tsy nitsahatra nanapaka, tsy naka aina mihitsy.

Rehefa hariva ny andro dia tohina ilay lehilahy ranjanana kokoa rehefa nahafantatra fa ilay mpifaninana taminy, izay toa nandanindany fotoana be tokoa, dia nahatapaka hazo betsaka kokoa noho izy. “Ahoana no nahavitanao izany kanefa ianao niato imbetsaka?” hoy izy nanontany.

Namaly ilay mpandresy hoe: “Hay! nandranitra ny famakiko aho.”

Isaky ny mandalina ny soratra masina isika dia mandranitra ny famakintsika ara-panahy. Ary ny ampahany mahagaga indrindra dia hoe rehefa manao izany isika dia afaka mampiasa ny fotoanantsika sisa amim-pahendrena kokoa.

Miomanà mialoha

Maro ireo fanadihadiana naneho fa vitsy dia vitsy amin’ny mpikamban’ny Fiangonana no mamaky mialoha ny soratra masina izay horesahina ao amin’ireo kilasy rehefa alahady. Afaka manova izany toe-javatra izany ny tsirairay amintsika. Afaka manatontosa ny andraikitsika momba ny fianarana isika amin’ny alalan’ny fahatongavana ao an-dakilasy sady efa niomana tsara, no efa namaky ny soratra masina sy vonona ny hizara hevitra. Ny fiomanantsika dia afaka ny ho fanomezana ara-panahy atolotsika ireo olona rehetra ao an-dakilasy.

Mianatra ao an-dakilasy

Sary
participating in class

Mandray anjara ao an-dakilasy

Ny didy mba hanokafantsika ny vavantsika (jereo ny F&F 60:2–3) dia tsy eo amin’ny sehatry ny asa fitoriana ihany no mihatra fa ao an-dakilasy ihany koa. Rehefa mandray anjara isika dia manasa ny Fanahy, izay afaka mijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’ny fanamarihana ataontsika avy eo ary manazava ny saintsika amin’ny hevi-baovao fanampiny. Ankoatra izay, ny fandraisantsika anjara dia mety hitaona ny eritreritry ny hafa ka hamporisika azy handray anjara.

Amin’izay isika dia manaraka fitsipi-pampianarana iray nampianarin’ny Tompo manao hoe: “Aoka hiteny tsirairay ary hihaino izay lazaina ny rehetra, ka rehefa avy miteny ny rehetra, dia ho azo aorina ny rehetra amin’ny alalan’ny rehetra” (F&F 88:122; nampiana fanamafisana). Indraindray ny fandraisana anjara ao an-dakilasy dia tsy mora. Mitaky ny hanaovantsika zavatra tsy dia hahazoantsika aina izany. Ny fanaovana izany anefa dia manampy ny rehetra ao an-dakilasy hitombo ara-panahy.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapa

Tao anatin’ny fotoana naharitraritra dia nitondra karatra fandraisana an-tsoratra tsy nisy na inona na inona tany am-piangonana aho dia nitady ireo hevitra ara-potopampianarana na fahatsapana ara-panahy izay azoko soratana. Azoko lazaina amin-kitsimpo fa nahazo fitahiam-be aho. Nanova ny fomba fijeriko izany fomba hoenti-mianatra izany. Nampifantoka sy nanafaingana ny fianarako izany. Nampitombo ny fieritreretako mialoha ny any am-piangonana izany.

Nahoana no zava-dehibe tokoa ny mirakitra an-tsoratra ireo traikefa ara-panahy azontsika any am-piangonana sy any amin’ny toeran-kafa? Eritrereto vetivety hoe misy renim-pianakaviana miresaka amin’ilay zatovolahy zanany ka ao anatin’izany izy dia miteny hoe: “Neny a! torohevitra tena tsara izany.” Dia mandray kahie izy avy eo dia manomboka manoratra ireo fahatsapana voarainy avy amin’ny resaka nifanaovan’izy ireo. Rehefa nisinda ny fahatairan’ilay renim-pianakaviana, moa ve tsy haniry ny hanome azy torohevitra bebe kokoa izy?

Azo antoka fa mihatra amin’ny torohevitra avy amin’ny Raintsika any An-danitra izany fitsipika izany. Rehefa mirakitra an-tsoratra ny fahatsapana omeny antsika isika dia azo antoka kokoa fa hanome antsika fanambarana fanampiny Izy. Ankoatra izay dia maro amin’ireo fahatsapana voaraintsika no mety ho toy ny kely amin’ny voalohany, saingy rehefa mikolokolo sy misaintsaina azy ireny isika dia mety ho lasa fahatakarana ara-panahy lehibe izany.

Ny Mpaminany Joseph Smith dia niresaka mikasika ny maha-zava-dehibe ny fanoratana ireo hevi-baovao sy fahatsapana: “Raha toa ianao … ka manao drafitra ny hiresaka ireo zavatra manan-danja … kanefa tsy manoratra izany, … angamba, noho ny tsy firaharahiana ny hanoratra ireo zavatra ireo rehefa nambaran’ Andriamanitra izany, sy ny tsy fieritreretana azy ireo ho manan-danja firy, dia mety hisintona ny Fanahy … ary misy, na nisy, fahalalana lehibe, izay tsy manam-petra ny lanjany, izay very.”3

Ny fifaliana avy amin’ny fianarana

Sary
boy reading scriptures

Mihoatra lavitra noho ny andraikitra masina ny fianarana. Natao mba ho fifaliana lehibe ihany koa izany.

Indray mandeha ny matematisiana fahiny iray nantsoina ho Archimède dia nangatahan’ny mpanjakany hamantatra raha toa ilay satroboninahitra vaovaon’ny mpanjaka ka tena volamena tsy mifangaro na nangalatra nampiasa volafotsy ho solon’ny volamena ilay mpanefy. Nosaintsainin’i Archimède ny fomba hitadiavana vahaolana, ka nony farany dia nahita valiny ihany izy. Diboky ny hafaliana izy noho izany zavatra hitany izany ka, araka ny lovan-tsofina, dia nihazakazaka manerana ny tanàna izy sady nihiakiaka hoe: “Eureka! Eureka!”—izay midika hoe “Hitako ilay izy! Hitako ilay izy!”

Na dia nahatsapa fifaliana lehibe aza izy tamin’ny fahitana fitsipika ara-pahalalana iray dia misy fifaliana lehibe lavitra noho izany amin’ny fahalalana ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy: ireo fahamarinana izay tsy manome fampahalalana ho antsika fotsiny fa mamonjy antsika ihany koa. Noho izany antony izany no nilazan’ny Mpamonjy hoe: “Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo … , ka ho tanteraka ny fifalianareo” (Jaona 15:11). Ary noho io antony io dia “nihoby avokoa ireo zanak’ Andriamanitra” (Joba 38:7) rehefa nahafantatra ny drafitry ny famonjena izy ireo. Tahaka ny hananan’ny voa hery ara-boajanahary haniry no hananan’ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara ny hery ara-boajanahary hitondra fifaliana.

Tsy didy masina “[hikatsaka] ny fianarana” fotsiny izany (F&F 88:118), fa asa masina atao ihany koa. Isaky ny mandalina ny soratra masina isika, mandeha mianatra sady efa niomana tsara kokoa, mandray anjara amin’ireo fifanakalozan-kevitra ao an-dakilasy, ary manoratra ireo fahatsapana masina azontsika, dia lasa mitovy bebe kokoa tahaka an’ Andriamanitra isika, ka noho izany dia mampitombo ny fahafahantsika mahatsapa ny fifaliana izay tsapany.

Enga anie isika rehetra hiezaka ny ho lasa mpianatra manolo-tena kokoa, mpianatra masina kokoa—any an-trano, any an-dakilasy, ary na aiza na aiza misy antsika. Rehefa manao izany isika dia hahatsapa ilay fifaliana masina izay azo avy amin’ny fianarana sy ny fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Sary
the joy of learning

Fanamarihana

  1. Misy tantara mitovy amin’io notantarain’ny Loholona D. Todd Christofferson io ao amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana ôktôbra 2014.

  2. Harold B. Lee, semineran’ny tompon’andraikitra isam-paritra, 12 des. 1970.

  3. Joseph Smith, ao amin’ ny History of the Church, 2:199.