2016
Mahatakatra ny anton’ny famonoan-tena: ireo famantarana mampitandrina sy fisorohana
October 2016


Mahatakatra ny anton’ny famonoan-tena: ireo famantarana mampitandrina sy ny fisorohana

Sary
sitting at the edge of a dock

Sary © iStock/Thinkstock

Nisara-panambadiana ny ray aman-drenin’i Kevin fony izy 16 taona. Tokotokony ho tamin’izany fotoana izany ihany dia nijanona tsy nampiasa ireo fanafody fanefitry ny fanintona izy, izay nanampy tamin’ny fampitoniana ny fihetsiny. Noho ny tsy fahafantarany hoe nanana aretin-tsaina izay nahatonga azy ho rera-tsaina be indraindray na mientanentana be loatra dia nanomboka niaina fanondranondranana sy fahaosaosana ary harerahan-tsaina goavana izy. Toa tsy nanampy ireo fanafody. Tonga hatrany amin’ny fahatsapany ho leo ny zava-drehetra izany, ka dia nanapa-kevitra ny hanapitra ny ainy izy ary tsy hamela ny hafa hahafantatra ny fikasany.

Nitantara ilay andro saika hamonoany tena i Kevin: “Nitomany aho. Tena reraka be fotsiny aho, ketraka ara-pihetseham-po. Nijery an’ireo olona fotsiny aho, nitady olona, na iza na iza, hilaza hoe: ‘Ao tsara ve ianao?’ Arakaraka ny naniriako izany no nandrenesako ireto feo ireto tato [an-dohako]: ‘Tokony ho faty ianao.’ … Nitalaho tamin’ny tenako foana aho mba [tsy hamono tena], saingy nahery vaika loatra ireo feo ka tsy voatohitro tsotra izao.”1

Mampalahelo fa tsy nisy nahatsikaritra ny fijaliany. Resy lahatra izy fa tsy nisy niraharaha azy ka dia nanandrana namono tena izy—saingy tsy maty tamin’ny fomba mahagaga.

Moa ve isika afaka mahatsapa na dia kely fotsiny aza ny sasany amin’ireo fijaliany nandifotra azy sy ny fitalahoany mangina tao anatin’ny fahakiviana hahazo fanampiana??

Ny famonoan-tena dia iray amin’ireo fisedrana mafy indrindra eto amin’ny fiainana an-tany, na ho an’ireo izay mijaly noho ny eritreritra te-hamono tena na ho an’ireo fianakaviana manana havana namono tena. Hoy ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Mino aho fa tsy misy fotoana sarotra kokoa ho an’ny fianakaviana iray noho ny fotoana izay hamonoan’ny olon-tiana iray ny tenany. Zavatra iainana tena mampahory tanteraka ny fianakaviana ny famonoan-tena.”2 Satria tena goavana tokoa izany fisedrana izany dia horesahiko ny momba (1) ny zavatra fantatsika momba ny famonoan-tena, ka anisan’izany ireo famantarana mampitandrina izany sy ireo zavatra azontsika atao mba hanampiana hisorohana izany; (2) ny zavatra azon’ny fianakaviana na ny fiarahamonina namoy havana atao; ary (3) ny zavatra tokony hataontsika rehetra mba hampatanjahana ny fanantenantsika sy ny finoantsika an’i Kristy ka tsy hamoy fo isika.

Mahatakatra ny anton’ny famonoan-tena

Olona 800.000 mahery no mamono tena isan-taona maneran-tany.3 Izany dia midika fa misy olona iray mamono tena eto ambonin’ny tany isaky ny 40 segaondra. Ny isa tena marina dia mety ho ambony kokoa satria ny famonoan-tena dia zavatra tena ilàna fitandremana ary tsy ara-dalàna any amin’ny firenena sasany ka tsy atao tatitra noho izany. Ny famonoan-tena mazàna no antony faharoa mahatonga ny fahafatesan’ireo olona eo anelanelan’ny 15 sy 29 taona. Any amin’ny ankamaroan’ny firenena dia eo anivon’ireo olona mihoatra ny 70 taona no avo indrindra ny tahan’ny famonoan-tena. Misy fiantraikany eo amin’ny ampahany lehibe eo amin’ny fiarahamonina misy antsika ny famonoan-tena na mivantana izany na tsy mivantana.

Ireo famantarana mampitandrina

Rehefa tsapa fa tsy vitantsika ny mizaka ireo olana eo amin’ny fiainana dia mety hiaina fahasahiranan-tsaina mihoa-pampana isika. Rehefa tsapa fa tsy hay zakaina ny fijaliana ara-pihetseham-po dia mety ho lasa manjavozavo ny eritreritry ny olona iray ary mety hitarika azy hahatsapa fa toa ny fahafatesana no hany safidy azo atao. Mety hahatsapa izy ireo fa tsy misy olona afaka manampy, izay mety hitarika amin’ny fitokana-monina ary hanampy trotraka ny fijaliana sy ny fahatsapana ho mikatso sy tsy misy fanantenana, ary aty aoriana dia hitarika amin’ny fieritreretana fa ny famonoan-tena no hany safidy azo atao.

Rehefa mampiseho ireto famantarana lehibe mampitandrina manaraka ireto ny olona iray, na inona na inona izany,4 dia tokony hitady fanampiana avy amin’ny mpitsabo saina avy hatrany isika na koa ny sampan-draharaha misahana ny vonjy taitra toy ny mpitandro filaminana:

  • Mandrahona ny handratra na hamono ny tenany

  • Mitady fomba hamonoana ny tenany

  • Miresaka na manoratra momba ny fahafatesana, na ny ho faty, na ny famonoan-tena.

Ireto famantarana manaraka ireto dia mety haneho toe-javatra mitranga tsy dia mahataitra eo no ho eo, kanefa tsy tokony hisalasala ny hanolo-tanana sy hitady fanampiana ho an’ilay olona mampiseho na inona na inona amin’ireto manaraka ireto isika:

  • Maneho tsy fananana fanantenana na tsy fananana tanjona hiainana intsony

  • Mampiseho fahasiahana na fahatezarana na mikatsaka valifaty

  • Tsy mitandrina mihitsy

  • Mahatsapa ho voafandrika

  • Mihamisotro toaka sy mampiasa zava-mahadomelina bebe kokoa

  • Misintaka amin’ny namana, na ny fianakaviana, na ny fiaraha-monina

  • Mahatsapa tebiteby na fisafoahana na miova fihetseham-po be tampoka

  • Tsy mahita tory na matory foana

  • Mahatsapa ho enta-mavesatra ho an’ny hafa izy ireo

Tsy ny olona rehetra manandrana mamono tena no mampahafantatra ny fikasany amin’ny hafa, kanefa mampiseho famantarana mampitandrina toy ireo ny ankamaroany. Koa aza tsinontsinoavina ireo famantarana ireo!

Na dia tsy tonga dia misy avy hatrany aza ny fanampiana avy amin’ny matihanina dia mety ho tena mahery vaika ny hery entin’ireo namana sy fianakaviana tena miraharaha tokoa.

Fisorohana

Sary
elderly man with a cane

Rehefa te hamono tena ny olona iray dia manana anjara asa tena manan-danja ny fianakaviana sy ny namana. Nampianatra i Almà hoe isika dia tsy maintsy “mitondra ny enta-mavesatry ny hafa mba hanamaivana izany, hiara-malahelo amin’ireo izay malahelo ary hampionona ireo izay mila fampiononana” (Môsià 18:8, 9).

Ireto misy zavatra manampy vitsivitsy izay azon’ny fianakaviana sy ny namana atao:

Manolora tanana sy mihainoa amim-pitiavana. Ny torohevitra nomen’ny Loholona Ballard dia hoe: “Tsy misy zavatra mahery vaika kokoa noho ny sandrim-pitiavana izay azo isakambinana ireo izay manana olana.”5 “Mila mijery azy ireo … amin’ny fijerin’ny Ray any An-danitra [isika],” hoy ny nampianarin’ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. “Amin’izany ihany isika vao afaka mahatsapa ny fanirian’ny Mpamonjy hikarakara azy ireny. … Izany fomba fijery mivelatra izany dia hanokatra ny fontsika amin’ny fahadisoam-panantenana sy ny tahotra ary ny ratram-pon’ny hafa.”6

Manampia amin’ny zavatra azo tsapain-tanana. Raha toa ka mandalo fikorontanan-tsaina izay misy fiantraikany eo amin’ny fiarovana ny ainy na ireo zavatra fototra ilainy ilay olona dia manolora tena hanome fanampiana azo tsapain-tanana, kanefa avelao hisafidy hanaiky izany na tsia ilay olona. Ohatra, raha toa ka te hamono tena noho ny fahaverezan’asa ny olona iray dia manome fahafahana azony hisafidianana ny fanampiana azy hitady tolotr’asa ary manampy azy ho afaka amin’ny fahatsapana ho mikatso.

Anontanio raha toa ka mieritreritra ny hamono tena izy ireo. Rehefa matahotra ianareo hoe mahatsiaro mijaly sy mampiseho ireo famantarana mampitandrina mifandray amin’ny famonoan-tena ny olona iray dia anontanio izy raha toa ka mieritreritra ny hamono tena. Mety ho mahasadaikatra ny fanaovana izany saingy tsara indrindra ny mahafantatra izany amin’ny alalan’ny fanontaniana mivantana raha toa ka mieritreritra ny hamono tena izy ireo. Mety hanome fomba iray hiresahan’ilay olona momba ny zava-manahirana sy ny olana ananan’izy ireo izany.

Ny ohatra amin’ireo fanontaniana ireo dia mety hoe: “Toa betsaka loatra izany raha hozakain’ny olona iray. Mieritreritra ny hamono tena ve ianao?” na “Noho ireo fanaintainana rehetra izay iainanao ireo dia manontany tena aho raha toa ka mieritreritra ny hamono tena ianao.” Hampahafantatra anao izy ireo raha toa ka tsy te hamono tena.

Raha toa ka tsapanareo fa tsy te hiresaka aminareo momba ireo eritreritra te hamono tena izy ireo dia henoy tsara ny bitsiky ny Fanahy mba hamantarana izay tokony hatao. Mety hotaomim-panahy hijanona hiaraka amin’izy ireo fotsiny ianareo mandra-pahafahan’izy ireo miresaka aminareo.

Mijanona miaraka amin’ilay olona dia mitadiava fanampiana. Raha toa ka ampahafantarin’ny olona iray ianareo fa te hamono tena izy dia mijanona miaraka amin’ilay olona ary asaivo miresaka aminareo momba izay manahiran-tsaina azy izy. Raha toa ka miresaka mikasika ny fomba sy fotoana voafaritra tsara hamonoana tena izy dia ampio ilay olona mba hiantso ny laharan-tariby hiantsoana ireo olona mila fanampiana maika eo amin’ny fahasalamana ara-tsaina, na hiantso ny departemantan’ny vonjy taitra ho an’ny fahasalamana ara-tsaina eo an-toerana.

Ireo fihetsika aseho manoloana ny famonoan-tena

Mamono tena ny olona sasany na mampiseho ireo famantarana mampitandrina ireo izy ireo na tsia. Rehefa sendra ny famonoan-tena nataon’ny olon-tiana iray izay mampahory tokoa ny fianakaviana sy ireo namana dia matetika izy ireo no mahatsapa alahelo lalina sy goavana ary manahiran-tsaina. Mety ahitana izao manaraka izao ny sasany amin’ireo fihetsika aseho ireo:

  • Henatra sy fahatsapana fa nisy fiantraikany ratsy teo amin’ny lazan’ny tena izany

  • Hatairana sy tsy finoana

  • Hatezerana, na fahatsapana ho maivamaivana, na fahatsapana ho meloka

  • Fanafenana ny anton’ny fahafatesana

  • Fisintahana amin’ny fiarahamonina ary fahatapahan’ny fifandraisan’ny fianakaviana

  • Fandraisana anjara mavitrika na be loatra amin’ireo ezaka fisorohana ny famonoan-tena

  • Faniriana sesehena ny hahatakatra ny anton’ilay famonoan-tena

  • Fahatsapana ho navela irery na tsy tiana

  • Fanomezan-tsiny an’ilay nodimandry, ny tena, ny hafa, ary Andriamanitra

  • Fitomboan’ny eritreritra te hamono tena na fahatsapana te hanimba ny tena

  • Fitomboan’ny fahasahiranan-tsaina mandritra ireo fotoana isian’ny fety na ny tsingerintaonan’ilay fahafatesana7

Ny zavatra azon’ireo fianakaviana namoy havana na ny fiarahamonina atao

Sary
woman sitting on bench

Tsy mitsara. Satria resaka tsy azo hivazivaziana ny famonoan-tena dia nampahatsiahy antsika ihany koa ny Loholona Ballard hoe: “Mazava ho azy fa tsy fantatsika ny tena zava-nitranga rehetra mahakasika ny famonoan-tena rehetra. Ny Tompo ihany no mahalala ny antsipirian-javatra rehetra, ary izy no hitsara ny asantsika teto ambonin’ny tany. Rehefa mitsara antsika [ny Tompo] dia tsapako fa hoeritreretiny avokoa ny zavatra rehetra: ny fototarazontsika sy ny toetrantsika ara-boajanahary, ny toetoetry ny saintsika, ny faharanitan-tsaintsika, ireo fampianarana noraisintsika, ireo fomba amam-panaon’ireo razambetsika, ny fahasalamantsika, sy ny sisa.”8

Avelao hisy sy hajao ny dingan’ny fisaonana ho an’ny olona tsirairay. Hisaona amin’ny fomba samihafa ny olona, satria tsy mitovy amin’ny an’ny hafa ny fifandraisan’izy ireo tamin’ilay nodimandry. Koa ekeo sy hajao ny fomba hanehoan’ny tsirairay ny alahelo tsapany.

Rehefa mandao antsika ny olon-tiana iray dia mety hanenika antsika ireo fihetseham-po manototra. Tsy midika hoe tsy fahampiam-pinoana anefa ny fahatsapana alahelo. Hoy ny Mpamonjy: “Ianareo dia hiara-honina amim-pitiavana, ka hitomany ny famoizana an’izay maty” (F&F 42:45). Mariky ny fitiavantsika ireo olon-tiantsika nodimandry sy ny maha-manan-danja ny fifandraisantsika taminy ny alahelo.

Mangataha fanampiana. Mety ho tsapa toa manototra ny zavatra maro rehefa malahelo ianareo. Afaka manolotra fahafahana masina ho an’ny hafa mba hitia sy hanompo anareo ny fangatahana fanampiana. Ny famelana azy ireo hanampy dia tsy hoe afaka hanasitrana sy hampatanjaka anareo irery ihany fa afaka hanasitrana sy hampatanjaka azy ireo ihany koa.

Mifandraisa foana amin’ny olona. Misaona irery ary indraindray dia mety ho lasa mitoka-monina ny olona sasany, koa mifandraisa foana amin’ny fianakavianareo sy ny namanareo. Miresaha tsy tapaka amin’ireo olona ao amin’ny fianakavianareo sy ny havanareo ary ireo namanareo izay malahelo ary manolora tena hanampy satria mety tsy hanatona anareo izy ireo.

Miantehera amin’ny Mpamonjy. Ny Mpamonjy no loharano lehibe indrindra hahazoana ny fanasitranana sy ny fiadanana. “Ny Sorompanavotany … no manome antsika fahafahana hiantso Azy, Izy izay niaritra ny rofintsika rehetra, mba hanasitranany antsika sy hanomezany antsika ny hery hizakana ireo enta-mavesatry ny fiainana an-tany. Mahafantatra ny fahoriantsika Izy ary afaka manampy antsika Izy. Tahaka ilay Samaritana tsara fanahy dia hamehy ny ferintsika Izy ary hikarakara antsika rehefa mahita antsika maratra eo an-tsisin-dalana (jereo ny Lioka 10:34).”9

Aoka ho fantatsika fa isika rehetra dia mila miantehitra tanteraka amin’ny Tompo Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany rehefa mikatsaka ny hanao ny anjara andraikitsika isika. Rehefa miaiky izany amim-panetrentena dia aoka isika hikatsaka ny hahatakatra izay mahazo ireo fianakaviantsika sy namantsika izay mijaly, hanolo-tanana azy ireo amim-pitiavana, ary hiaraka hikolokolo finoana sy fahatokiana bebe kokoa ny Mpamonjy, izay hiverina ary “hofafany ny ranomaso rehetra amin’ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana” (Apokalyspy 21:4).

Fanamarihana

  1. Kevin Hines, tao amin’ny Amanda Bower, “A Survivor Talks About His Leap,” Time, 24 mey 2006, Time.com.

  2. M. Russell Ballard, tao amin’ny Jason Swenson, “Elder Ballard Offers Comfort and Counsel to Those Affected by Suicide,” Church News, 19 des. 2014, news.lds.org.

  3. Jereo ny World Health Organization (Organisation Mondiale de la Santé), Preventing Suicide: A Global Imperative (2014), 2.

  4. Jereo ny M. David Rudd and others, “Warning Signs for Suicide: Theory, Research, and Clinical Applications,” Suicide and Life-Threatening Behavior, boky faha-36, lah. 3 (2006), 255–62.

  5. M. Russell Ballard, tao amin’ny “Sitting on the Bench: Thoughts on Suicide Prevention” (video), lds.org/media-library.

  6. Dale G. Renlund, “Amin’ny fijerin’ Andriamanitra,” Liahona, nôv. 2015, 93.

  7. Jereo ny John R. Jordan, “Is Suicide Bereavement Different? A Reassessment of the Literature,” Suicide and Life-Threatening Behavior, boky faha-31, lah. 1 (2001), 91–102.

  8. M. Russell Ballard, “Suicide: Some Things We Know, and Some We Do Not,” Ensign, ôkt. 1987, 8.

  9. Dallin H. Oaks, “Ankaherezin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy,” Liahona, nôv. 2015, 64.