2016
Ny fomba hanaovana an’i Kristy ho ivon’ny fiainantsika
October 2016


Valinteny avy amin’ireo mpitarika ny fiangonana

Ny fomba hanaovana an’i Kristy ho ivon’ny fiainantsika

Avy tamin’ny fampaherezam-panahy natao tao amin’ny Brigham Young University–Idaho tamin’ny 27 janoary 2009.

Sary
holding the Book of Mormon

Nahatontosa ilay firaisam-po tonga lafatra tamin’ny Ray i Jesoa tamin’ny alalan’ny fanekeny manokana, ny vatany sy ny fanahiny, hanao ny sitrapon’ny Ray. Raha niresaka momba ny Rainy i Jesoa dia nilaza hoe: “Izaho manao izay sitrany mandrakariva” (Jaona 8:29). Satria izany no sitrapon’ny Ray, dia nanaiky ny ho faty mihitsy aza i Jesoa, “ny sitrapon’ny Zanaka dia efa voatelina ao amin’ny sitrapon’ny Ray” (Môsià 15:7). Ny fifantohany tamin’ny Ray no anisan’ireo antony manan-danja iray izay nampazava sy nampafonja ny asa nataon’i Jesoa. Tsy nisy fisalasalana nahavariana azy tao anatiny.

Torak’izany koa izaho sy ianao dia afaka mametraka an’i Kristy ho ivon’ny fiainantsika sy afaka ny ho lasa iray hiaraka Aminy toy ny naha-iray Azy tao amin’ny Ray (jereo ny Jaona 17:20–23). Afaka manomboka manala ny zava-drehetra eo amin’ny fiainantsika isika ary mamerina izany miaraka indray araka ny filaharan’ny laharam-pahamehana ka ny Mpamonjy no ho ivon’izany. Tokony hametraka [ho lohalaharana] ireo zavatra izay hahatonga antsika hahatsiaro Azy mandrakariva isika—toy ny vavaka sy fandalinana soratra masina tsy tapaka, fandalinana amim-pahalianana ny fampianaran’ireo apôstôly, fiomanana isan-kerinandro amin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo amim-pahamendrehana, fandehanana miangona isaky ny Alahady, ary ny firaketana sy fahatsiarovana ireo zavatra ampianarin’ny Fanahy sy ny zavatra iainantsika mikasika ny maha-mpianatra. Mety hisy zavatra hafa tonga ao an-tsainao izay ilainao manokana amin’izao fotoana iainanao izao. Vantany vao manokana ny fotoana sy ny fitaovana ho an’ireo zavatra ireo isika mba hanaovana an’i Kristy ho ivon’ny fiainantsika dia afaka manomboka manampy ireo andraikitra sy zava-manan-danja hafa, rehefa mamela antsika hanao izany ny fotoana sy ireo loharanom-pitaovana, toy ny fianarana sy ny andraikitra eo anivon’ny fianakaviana ary ny fialam-bolin’ny tena manokana. Amin’ny alalan’ity fomba ity ny zavatra manan-danja dia tsy ho voatototry ny zavatra zara raha tsara fotsiny ka ho tafavoaka ny fiainantsika, ary ireo zavatra tsy manan-danja dia tsy ho isan’ny laharam-pahamehana na hiaraka hanjavona.

Na dia tsy ho mora aza izany dia afaka hatrany isika mandroso amim-pinoana ao amin’ny Tompo. Afaka manamarina aho fa rehefa mandeha ny fotoana dia hitombo ny faniriana sy ny fahafahantsika hahatsiaro sy hanaraka mandrakariva ny Mpamonjy. Mila miasa amim-paharetana mankany amin’izany tanjona farany izany isika ary mivavaka mandrakariva mba hahazo famantarana sy fanampiana masina amin’ny zavatra ilaintsika (jereo ny 2 Nefia 32:9).