Fampiharana fahaiza-manao 5
Miezaka mitadidy soratra masina
“Hery lehibe no azo avy amin’ny fanaovana tsianjery ny soratra masina” (Torio ny filazantsarako [2023], 27). Ny fanaovana tsianjery andalan-tsoratra masina dia afaka mampitombo ny fahatakarantsika ny filazantsaran’ny Mpamonjy sy manatsara ny fahaiza-manaontsika amin’ny fampianarana izany ny hafa.
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Ezaho atao fohy ny fizarana “Farito” sy “Mampisehoa” mba hananan’ny mpianatra fotoana ampy tsara hanaovana fanazaran-tena.
Farito
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Ampio ny mpianatra hitady ilay efajoro mitondra ny lohateny hoe “Ny anjara asan’ny fanaovana tsianjery” ao amin’ny toko 3 ao amin’ny Torio ny filazantsarako (pejy 26–27). Zarao avy eo ireto toromarika manaraka ireto:
Vakio ny andiam-pehezan-teny fahatelo ao amin’ny “Ny anjara asan’ny fanaovana tsianjery” (Torio ny filazantsarako, 27). Tadiavo ny hoe amin’ny fomba ahoana ny fanaovana tsianjery andalan-tsoratra masina no afaka mitahy anao sy ny hafa.
-
Afaka manampy anao amin’ny fomba ahoana ny fanaovana tsianjery amin’ny maha-misiônera anao?
-
Inona no tombontsoa azonao avy tamin’ny fanaovana tsianjery andalan-tsoratra masina iray?
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Azavao fa misy fomba maro azontsika ampiasaina mba hanampiana antsika hanao tsianjery soratra masina. Azonao zaraina ny sasany amin’ireto ohatra manaraka ireto. Azonao atao ny manasa mpianatra hizara hevitra fanampiny.
-
Vakio im-betsaka misesy ireo teny. Avy eo dia afeno ary avereno tsy an-kijery.
-
Zarazarao ho andian-teny fohy maromaro ilay andalan-tsoratra masina. Ataovy tsianjery iray isaky ny mandeha ireo andian-teny sady avereno izay efa hainao tsianjery isaky ny miroso amin’ny iray manaraka ianao.
-
Soraty mihoatra ny indray mandeha ireo teny eo am-pamakianao ilay andininy. Avy eo dia soraty tsy an-kijery ilay andininy ilay andalan-tsoratra masina.
-
Soraty ireo litera voalohany amin’ny teny tsirairay ao amin’ilay andininy ary ampiasao ireo litera ireo avy eo mba ho tari-dalana ho anao rehefa miteny ilay andinin-tsoratra masina ianao.
-
Mamoròna sary tsotsotra hanampiana anao hitadidy ilay andalan-tsoratra masina.
Mampisehoa
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Azavao fa andalan-tsoratra masina iray manan-danja mila hain’ny misiônera tsianjery ny tantaran’ny Fahitana Voalohan’i Joseph Smith izay voarakitra ao amin’ny Joseph Smith—Tantara 1:16–17.
Etsy ambany etsy misy fomba iray azonao ampiasaina ilay hevitra faharoa eo amin’ilay lisitra ao amin’ilay fizarana teo aloha mba hanampiana ny mpianatra hanao tsianjery ny tantaran’i Joseph Smith. Ampio ny mpianatra hanao tsianjery ireto andian-teny manaraka ireto, atao iray isaky ny mandeha, amin’ny alalan’ny famerimberenan’ny iray kilasy izany amin’ny feo mafy.
“Tamin’izay fotoam-pahatairana lehibe izay no nahitako andrim-pahazavana teo ambonin’ny lohako indrindra, nihoatra ny famirapiratan’ny masoandro, nidina tsikelikely teo amboniko. …
“Rehefa nijanona teo amboniko ilay hazavana, dia nahita Olona roa aho, izay mihoatra ny famaritana rehetra ny famirapiratany sy ny voninahiny, nijoro nitsingevaheva teo amboniko.
“Niteny tamiko ny anankiray Taminy, niantso ahy tamin’ny anarako sady nanondro ilay anankiray no nanao hoe—Ity no Zanako Malalako. Henoy Izy!” (Joseph Smith—Tantara 1:16–17).
Manazara tena
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Asao ny mpianatra hizatra hanao tsianjery an’ito ampahany amin’ny tantaran’ny Fahitana Voalohan’i Joseph Smpith ito miaraka amin’ny namana iray. Azon’izy ireo atao ny mampiasa ilay fomba mitovy amin’ilay nanaovan’ny iray kilasy fanazaran-tena niaraka na afaka misafidy iray hafa izy ireo.
Ampiharo
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Zarao ireto toromarika manaraka ireto mba hanampiana ny mpianatra hampihatra ny fahaiza-manao momba ny fitadidiana ny soratra masina eo amin’ny fiainany:
Farito ny fomba azonao hanohizana hampiasa ilay fahaiza-manao momba ny fitadidiana ny soratra masina. Misy hevitra vitsivitsy ireto:
-
Tohizo ny fanaovanao tsianjery an’ilay Fahitana Voalohan’i Joseph Smpith. Mizàra manao tsianjery izany amin’ny olona iray akaikin’ny fonao.
-
Misafidiana soratra masina iray na mihoatra hafa izay tianao hay tsianjery ka manaova ezaka mba hahaizana tsianjery izany.