Antso ao amin’ny misiôna
Lesona 7: Ny fanasana mba hatao batisa sy horaisina ho mpikambana


Lesona 7

Ny fanasana mba hatao batisa sy horaisina ho mpikambana

Torio ny Filazantsarako, toko 13

batisa

Nandidy ny olona rehetra efa tompon’andraikitra hibebaka sy hatao batisa ary handray ny fanomezana ny Fanahy Masina ny Mpamonjy. “Ny fitandremana ny fanekempihavanan’ny batisa no dingana voalohany amin’ny famatorana ny tenantsika amin’ Andriamanitra mba hahafahan’ny Fanahy Masina manadio sy mampatanjaka ary manova ny toetrantsika mba ho lasa tsara kokoa” (Torio ny Filazantsarako: Torolalana ho an’ny fizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy [2023], 28). Ny fanolorana fanasana mba hatao batisa sy horaisina ho mpikambana dia fomba iray manan-danja hanatanterahan’ireo misiônera ny tanjony amin’ny fanampiana ny hafa hanatona an’i Jesoa Kristy.

Fandinihana sy fanaraha-maso

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny ezaka nataon’izy ireo tato ato mba hampihatra ny zavatra nianarany tato amin’ity fandaharam-pianarana ity. Azonao atao ny manasa azy ireo hizara ny ezaka sasany ataon’izy ireo amin’ny namana iray na miaraka amin’ny iray kilasy.

Safidy amin’ny sahanasa fianarana

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Fidio ombam-bavaka ny safidy hoenti-mianatra (iray na mihoatra) izay tena hahasoa indrindra ny kilasinao. Ataovy izay hamelana fotoana betsaka hanaovana fanazaran-tena sy hampiharana izany.

Safidy 1: Nahoana no zava-dehibe ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana?

Halalino

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Hevero ny hampiseho sarin’olona iray atao batisa. Asao ny mpianatra hifanakalo hevitra amina namana iray mikasika ireto fanontaniana manaraka ireto:

Batisa 2
  • Inona no tsaroanao mikasika ny batisanao sy ny fandraisaina anao ho mpikambana?

  • Inona avy ireo fomba sasantsasany nitahian’ny Tompo anao noho ny fanapahan-kevitrao hatao batisa sy horaisina ho mpikambana?

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Ampahatsiahivo ny mpianatra fa ny fanasana ny hafa hanatona an’i Kristy amin’ny alalan’ny ôrdônansin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana dia fomba iray manan-danja hanatanterahan’ireo misiônera ny tanjony. Hevero ny hanaovana famerenana ny tanjona amin’ny maha-misiônera amin’ny alalan’ny fanononana izany miaraka amin’ny mpianatra rehetra (jereo ny “Manantanteraka ny tanjona amin’ny maha-misiônera anao”, Torio ny Filazantsarako [2023], 1).

Ity sahanasa fandalinana manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra kokoa ny fomba ahafahan’ny Mpamonjy mitahy ireo izay misafidy ny hatao batisa sy horaisina ho mpikambana. Ampio ny mpianatra hahita ny “Ny fanasana mba hatao batisa sy horaisina ho mpikambana” ao amin’ny toko 3 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako (pejy 28–29). Avy eo dia zarao ireto torolalana ireto:

Halalino ireo andiam-pehezan-teny eo ambanin’ny lohateny hoe “Fototra ara-potopampianarana” (Torio ny Filazantsarako, 28), miaraka amin’ny soratra masina roa farafahakeliny izay voaresaka ao. Hevero ny hitady sy hanisy marika ireo fampianarana izay manamafy ny fahatakaranao momba ny maha-zava-dehibe ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana.

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Rehefa avy mandalina ny mpianatra dia hevero ny hifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no hitanao fa afaka manampy olona iray hahatsapa faniriana hatao batisa sy horaisina ho mpikambana?

  • Inona no nianaranao momba ny fomba hitahian’ Andriamanitra ireo izay misafidy ny hatao batisa sy horaisina ho mpikambana?

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Rehefa mifanakalo hevitra momba ilay fanontaniana teo aloha ianareo dia zarao ity teny manaraka nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson ity. Asao ny mpianatra hizara ny hevi-baovao fanampiny azon’izy ireo avy tamin’ny fampianaran’ny Filoha Nelson.

Filoha Russell M. Nelson

Rehefa manao fanekempihavanana amin’ Andriamanitra izaho sy ianao, ny fifandraisantsika Aminy dia lasa tena akaiky kokoa noho ny talohan’ny fanekempihavanantsika. Mifamatotra isika izao. Noho ny fanekempihavanantsika amin’ Andriamanitra, dia tsy ho reraka mihitsy Izy amin’ny ezaka ataony hanampiana antsika, ary tsy ho lany mihitsy ny faharetany feno famindram-po amintsika. Samy manana anjara toerana manokana ao am-pon’ Andriamanitra isika tsirairay avy. Avo dia avo ny fanantenany ho antsika. (“Ny fanekempihavanana maharitra mandrakizay”, Liahona, ôkt. 2022, 28).

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Mba hanampiana ny mpianatra hahita ohatra iray amin’ireo fitahiana avy amin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana dia asehoy ilay horonan-tsary hoe “How Sarah Found Happiness (Ny fomba nahitan’i Sarah fahasambarana)” (3:42, ChurchofJesusChrist.org). Aorian’ilay horonan-tsary dia azonao atao ny mifanakalo hevitra momba ny fomba nitahiana ny fiainan’i Sarah tamin’ny alalan’ny fanapahan-keviny ny hatao batisa sy horaisina ho mpikambana.

Manazara tena

Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Omeo fahafahana ny mpianatra hizatra hanazava ny zavatra nianarany momba ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana. Fomba iray azonao hanaovana izany ny fanasana azy ireo haneho ny valiny hasetrin’izy ireo an’ity rafi-tantara manaraka ity. Azon’izy ireo raketina aloha ny valin-tenin’izy ireo alohan’ny hizarana izany amin’ny namana iray na vondrona kely iray.

Alaovy sary an-tsaina hoe miresaka amin’ny namana iray izay tsy mahalala ireo ôrdônansin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana ianao. Manontany ilay namanao hoe: “Nahoana ny olona iray no mila atao batisa sy raisina ho mpikambana?” Inona no mety holazainao?

Mametraha tanjona

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Omeo fotoana ny mpianatra hisaintsainana ny zavatra nianarany sy hametrahana tanjona. Azonao atao ny mampiseho ireto manaraka ireto mba hanampiana azy ireo:

Mametraha tanjona izay mifandray amin’ny zavatra nohalalininao. Mampiasà hevitra toy ireto manaraka ireto, na mieritrereta avy aminao manokana.

  • Soraty ny fomba nitahiana anao noho ny nanaovana batisa anao sy nandraisana anao ho mpikambana ato amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Zarao amin’ny olona iray akaikin’ny fonao, na mandritra ny fivoriana fifadian-kanina sy fijoroana ho vavolombelona, na ao amin’ny tambajotran-tserasera ny zavatra nosoratanao.

  • Saintsaino ny fanekempihavanana nataonao tamin’ny fotoana nanaovana batisa anao. Farito ny fomba ahafahanao mitandrina feno kokoa ny fanekempihavanan’ny batisanao.

Ny tanjoko
  • Izaho dia … (zavatra hataonao).

  • Hanatanteraka ny tanjoko aho amin’ny alalan’ny … (drafitra tsotra).

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Raha manana vondrona namana hizarana ny tanjony mandritra ny fianarana ny mpianatra dia omeo fotoana izy ireo hizarana ny fomba hifanohanan’izy ireo na hifampahatsiahivan’izy ireo mialoha ny fotoam-pianarana manaraka.

Safidy 2: Ahoana no ahafahako manasa ny hafa hatao batisa sy horaisina ho mpikambana?

Halalino

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Hevero ny hanomboka ity sahanasa fianarana ity amin’ny alalan’ny fizarana ity rafi-tantara manaraka ity:

Alaovy sary an-tsaina hoe misiônera vao nantsoina ianao. Manomana ny fandaharam-potoana ho an’ny andro ho avy ianao sy ny mpiara-mitory aminao. Manazava ny mpiara-mitory aminao fa nahatsapa ho notaomim-panahy izy hanasa ny iray amin’ireo olona ampianarinareo mba hatao batisa sy horaisina ho mpikambana. Manontany ny mpiara-mitory aminao raha toa ianao ka hanolotra ilay fanasana mandritra ny fotoana hampianaranareo amin’io tolakandro io. Izao no fotoana voalohany hanasanao olona iray hatao batisa sy horaisina ho mpikambana.

  • Toy ny ahoana ny fahatokian-tena tsapanao momba ny fanolorana io fanasana io?

  • Inona avy ireo fanontaniana mety hanananao?

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Ity sahanasa fandalinana manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hiomana hanolotra ilay fanasana mba hatao batisa sy horaisina ho mpikambana. Ampio izy ireo hitady ny “Ny fanasana mba hatao batisa sy horaisina ho mpikambana” ao amin’ny toko 3 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako (pejy 28–29). Avy eo dia zarao ireto torolalana ireto:

Halalino ny “Fanolorana ilay fanasana” sy ny “Hevitra momba ny fanasana mba hatao batisa” (Torio ny Filazantsarako, 28–29). Tadiavo ireo torolalana izay afaka manampy anao hanasa olona iray hatao batisa sy horaisina ho mpikambana. Hevero ny hanisy marika izay zavatra manan-danja aminao.

Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Asao ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ny zavatra nianarany amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana toy ireto manaraka ireto:

  • Inona avy ireo torolalana na sosokevitra hitanao fa tena manampy indrindra? Nahoana?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no hanampy ny fifantohana amin’ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy rehefa manasa ny hafa mba hatao batisa?

Manazara tena

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Omeo fahafahana ny mpianatra hizatra hanasa olona mba hatao batisa sy horaisina ho mpikambana. Mba hanampiana azy ireo hahita ohatra amin’ny fomba fanaovana izany dia azonao atao ny:

  • Mampiasà horonan-tsary iray, toy ny “Invitation to Be Baptized: German” (2:42) na “Invitation to Be Baptized: Jynx” (2:34). Ireo horonan-tsary roa ireo dia samy hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

  • Asao ny mpianatra hilalao an-tsehatra ny fanasana olona mba hatao batisa sy horaisina ho mpikambana. Azon’izy ireo atao ny mampiasa ny lahatsoratra natao sora-mandry ao amin’ny “Fanolorana ilay fanasana” (Torio ny Filazantsarako, 29) na ny iray amin’ireo lalao an-tsehatra any amin’ny faran’ity lesona ity.

Ifanakalozy hevitra amin’ny mpianatra ny zavatra nianaran’izy ireo avy amin’ireo horonan-tsary na ireo lalao an-tsehatra, anisan’izany ny zavatra tian’izy ireo sy ny zavatra mety ho nataon’izy ireo tamin’ny fomba hafa. Avy eo dia zarao ireto toromarika manaraka ireto:

Manaova fanazaran-tena manomana sy manolotra fanasana hatao batisa sy horaisina ho mpikambana amin’ny alalan’ny fanaovana izao manaraka izao:

  1. Manorata drafitra tsotra momba ny fomba hanasanao olona iray mba hatao batisa sy horaisina ho mpikambana. Ezaho arahina ireto torolalana ireto ao amin’ny drafitrao: (1) mahitsy sy mivantana, (2) mampanantena fitahiana, ary (3) mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao.

  2. Mifandimbiasa manolotra ilay fanasana nomaninao miaraka amin’ny namana iray.

  3. Rehefa avy miara-manao fanazaran-tena amin’ny namanao ianao dia farito ny zavatra tokony hahitsy ao amin’ny fanasanao.

  4. Manaova fanazaran-tena indray miaraka amin’ny namana iray hafa.

Mametraha tanjona

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Omeo fotoana ny mpianatra hisaintsainana ny zavatra nianarany sy hametrahana tanjona. Azonao atao ny mampiseho ireto manaraka ireto mba hanampiana azy ireo:

Mametraha tanjona izay mifandray amin’ny zavatra nohalalininao. Mampiasà hevitra toy ireto manaraka ireto, na mieritrereta avy aminao manokana.

  • Halalino ireo andinin-tsoratra masina fanampiny momba ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana. Avy eo dia zarao amin’ny olona iray ao amin’ny fianakavianao na amin’ny namana iray ny zavatra nianaranao.

  • Mieritrereta olona iray tianao hampiana mba hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy. Farito ny fanasana iray azonao atolotra azy.

Ny tanjoko
  • Izaho dia … (zavatra hataonao).

  • Hanatanteraka ny tanjoko aho amin’ny alalan’ny … (drafitra tsotra).

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Raha manana vondrona namana hizarana ny tanjony mandritra ny fianarana ny mpianatra dia omeo fotoana izy ireo hizarana ny fomba hifanohanan’izy ireo na hifampahatsiahivan’izy ireo mialoha ny fotoam-pianarana manaraka.

Amin’ny fotoana manaraka

Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Raha vonona ny hampianatra ny lesona 8 amin’ny fotoam-pianarana manaraka ianao dia hevero ny hanasa ny mpianatra handalina ny toko 4 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako ho fiomanany. Azonao atao ny mandefa fampahatsiahivana ho azy ireo.

Fanolorana ilay fanasana mba hatao batisa sy horaisina ho mpikambana

Lalao an-tsehatra 1—Mampiasa ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy

Mpitantara: Nahatsapa faniriana hanana fifandraisana amin’ Andriamanitra i Sarah hatramin’ny nanombohany nianatra tany amin’ny oniversite roa volana lasa izay. Vao haingana izy no nihaona tamin’ireo misiônera. Tamin’ny fitsidihan’izy ireo voalohany dia nampianatra an’i Sarah momba ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy i Soeur Hernandez sy Soeur Williams ary nanasa azy hamaky sy hivavaka momba ny Bokin’i Môrmôna. Ankehitriny dia mihaona amin’i Sarah indray ireo misiônera. Mahatsapa ho voatarika izy ireo hanasa an’i Sarah hatao batisa.

Rahavavy Hernandez: Ry Sarah, nilaza taminay ianao fa te hanaraka an’ Andriamanitra sy hanamafy ny fifandraisanao Aminy. Ndeha isika hiaraka hamaky ao amin’ny Baiboly mikasika ny fomba nampisehoan’i Jesoa Kristy antsika ny fomba hanarahana an’ Andriamanitra.

Soeur Williams: Hitantsika ao amin’ny Matio toko faha 3 ny momba an’i Jesoa nanatona an’i Jaona Mpanao Batisa. Sarah, azonao vakiana ve ny Matio 3:13–17?

Sarah: [Mamaky mafy ny Matio 3:13–17.]

Rahavavy Hernandez: Sarah, natao batisa i Jesoa mba hanatanterahana ny fahamarinana rehetra. Midika izany fa nankatò ilay didy mba hatao batisa Izy. Inona no fantatrao momba ny batisa?

Sarah: Fantatro fa zavatra ataon’ny olona matetika izy io. Tao amin’ny fiangonana nahalehibe ahy dia tsaroako fa nahita olona vitsivitsy nanao izany aho. Tsy nisy vita batisa ny olona tato amin’ny fianakaviako. Ankoatra izay dia tsy mahafantatra zavatra betsaka loatra aho.

Soeur Hernandez: Misaotra tamin’ny fizarana izany ry Sarah. Ndeha isika hanazava misimisy kokoa momba ny atao hoe batisa. Tian’ Andriamanitra isika hiverina hiara-hiaina Aminy. Manomboka eo amin’ilay lalana miverina any amin’ Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny fanehoana finoana an’i Jesoa Kristy. Ny finoana an’i Jesoa Kristy dia mitarika antsika hanova ny fiainantsika sy hibebaka amin’ny fahotantsika. Ny batisa no fanekempihavanana voalohany ataontsika eo amin’io lalana io. Mitondra antsika ho akaiky kokoa ny Mpamonjy izany, ary mahatsapa fifaliana sy famelan-keloka ary fanantenana isika. Ôrdônansy ihany koa ny batisa. Midika izany fa fombafomba tanterahina amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana izy io.

Soeur Williams: Rehefa atao batisa isika dia manao fanekempihavanana, na fampanantenana, amin’ Andriamanitra. Mampanantena ny hanompo Azy sy hitandrina ny didiny isika. Ao anatin’io fanekempihavanana io dia mampanantena Andriamanitra fa hamela ny fahotantsika Izy ary hanome antsika amin’ny Fanahiny, mba hahafahantsika ho voadio sy ho voatarika ary hahazo fampiononana.

Soeur Hernandez: Sarah, vonona ve ianao ny hanaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fanaovana batisa izay tanterahin’ny olona iray voatendry hanatanteraka izany ôrdônansy izany? Hanampy anao hiomana ho amin’ny batisa izahay. Mino izahay fa ho vonona ianao amin’ny 29 jolay. Vonona ve ianao hiomana hatao batisa amin’io daty io?

Saraha: Eny. Toa zavatra efa nokatsahiko hatry ny ela izany.

Rahavavy Williams: Sarah, tena faly izahay noho ireo fitahiana izay ho tonga aminao rehefa manao izany safidy izany ianao. Hitondra fiadanana sy hery lehibe eo amin’ny fiainanao ny fanaovana batisa. Betsaka ny zavatra hampianarinay anao izay hanampy anao hiomana.

Fanolorana fanasana mba hatao batisa sy horaisina ho mpikambana

Lalao an-tsehatra 2—Mampianatra ny fotopampianaran’i Kristy

Mpitantara: Sambany i Isaac no mihaona amin’ireo misiônera. Manana fanontaniana maro momba ny tanjon’ny fiainana sy ny fomba ahafahany mahita fahasambarana bebe kokoa izy. Nampianatra an’i Isaac momba ny drafitry ny Ray any An-danitra ho an’ny famonjena ireo misiônera. Nandritra ny lesona dia nahatsapa ho notaomim-panahy hanasa an’i Isaac mba hatao batisa i Elder Browning sy Elder Singh.

Elder Browning: Isaac, te hiresaka momba ilay lalana miverina any amin’ny Raintsika any An-danitra izahay. Tiany hiverina hiara-hiaina Aminy isika, ary i Jesoa Kristy no nahatonga izany ho tanteraka.

Elder Singh: Manomboka mandeha eo amin’ilay lalana miverina any amin’ Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy. Rehefa manam-pinoana an’i Jesoa Kristy isika dia te hanova ho azy ny fiainantsika sy hitovy bebe kokoa Aminy. Mankatò ny fampianarany isika ary mibebaka rehefa manota. Mitarika antsika amin’ny batisa sy ny fandraisana ho mpikambana ny finoana sy ny fibebahana. Afaka milaza aminay ny zavatra fantatrao momba ny batisa ve ianao?

Isaac: Nahita batisa iray na roa aho tany amin’ny fiangonana samihafa saingy tsy dia mahafantatra firy momba azy io. Raha ny hevitro dia mahakasika ny fahotana ilay izy.

Elder Browning: Marina izany. Ny batisa no dingana voalohany amin’ny famatorana ny tenantsika amin’ Andriamanitra mba hahafahan’ny Fanahy Masina manadio sy mampatanjaka ary manova ny toetrantsika mba ho lasa tsara kokoa. Izany ihany koa no fomba hanehoantsika ny fanolorantenantsika amin’ Andriamanitra. Rehefa atao batisa isika dia manao fanekempihavanana na fifanarahana Aminy fa hanompo Azy sy hitandrina ny didiny. Rehefa manao izany isika dia manao fanekempihavanana Andriamanitra fa handrotsaka ny Fanahiny amintsika sy hamela antsika amin’ny fahotantsika.

Elder Singh: Mampanantena ihany koa isika, rehefa atao batisa, fa vonona ny hitondra eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy, hitandrina ny didin’ Andriamanitra, hanompo an’ Andriamanitra sy ny hafa ary haharitra hatramin’ny farany. Midika izany fa ny batisa dia fiantombohana vaovao eo amin’ny fiainantsika. Mbola hanana olana isika ary hanao fahadisoana, mazava ho azy. Saingy tsy hitsahatra ny hiezaka ny hitandrina ny fampanantenantsika sy ny fianteherana amin’i Jesoa Kristy mandritra ny fiainantsika isika.

Elder Browning: Isaac, vonona ve ianao ny hanaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fanaovana batisa izay tanterahin’ny olona iray voatendry hanatanteraka izany ôrdônansy izany? Hanampy anao hiomana ho amin’ny batisa izahay. Mino izahay fa ho vonona ianao amin’ny 29 jolay. Vonona ve ianao hiomana hatao batisa amin’io daty io?

Isaac: Eny. Raha ny fahenoako sy fahatsapako momba izany dia zavatra nokatsahiko efa hatry ny ela ihany izany.

Elder Singh: Isaac, tena faly izahay noho ireo fitahiana izay ho tonga aminao rehefa manao izany safidy izany ianao. Hitondra fiadanana sy hery lehibe eo amin’ny fiainanao ny fanaovana batisa. Manana zavatra maro hampianarina anao izahay izay hanampy anao hiomana ho amin’ny batisa.