Fampiharana fahaiza-manao 7
Fiatrehana ireo fahatsapana ho votsa
Tsy zavatra mahagaga ny mahatsapa ho votsa rehefa sendra zava-baovao na toe-javatra sarotra. Fomba iray manampy antsika handresy ireo fahatsapana ho votsa ny fifantohana amin’ny zavatra azontsika fehezina.
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Ezaho atao fohy ny fizarana “Farito” sy “Mampisehoa” mba hananan’ny mpianatra fotoana ampy tsara hanaovana fanazaran-tena.
Farito
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Azavao fa rehefa manao zava-baovao dia tsy tokony hahagaga raha mahatsapa ho votsa. Azonao atao ny manome ohatra iray avy amin’ny fiainanao manokana tamin’ianao nahatsapa ho votsa.
-
Inona no toe-javatra vao haingana izay nahatonga anao hahatsapa ho votsa?
-
Inona no zavatra nataonao izay nanampy na tsy nanampy?
-
Nahoana no zava-dehibe ny miantehitra amin’ny Tompo rehefa mahatsapa ho votsa isika? (jereo ny Filipiana 4:13; Almà 26:12)
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Iaraho mamaky ity andiam-pehezan-teny manaraka ity. (Azonao atao ny manasa ny mpianatra hitady sy hanisy marika an’io andiam-pehezan-teny io ao amin’ny pejy 32 ao amin’ny L’adaptation à la vie missionnaire.)
Aza miezaka mifehy izay tsy azonao fehezina. Vao mainka hahatonga anao hahatsapa ho tsy mahafehy na inona na inona ka hampitombo ny tebiteby ny fiezahana hifehy ireo zavatra tsy azonao fehezina. Afantohy amin’ireo zavatra azonao anaovana zavatra ny herinao. (L’adaptation à la vie missionnaire [2013], 32)
-
Araka ny hevitrao, ahoana no ahafahan’ny fifantohana amin’ny zavatra azontsika fehezina manampy antsika handresy ireo fahatsapana ho votsa?
Mampisehoa
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Mba hanampiana ny mpianatra hianatra hifantoka amin’ny zavatra azony fehezina dia iaraho mijery ireto ohatra manaraka ireto.
Azonareo ifanakalozana hevitra ny antony mahatonga ireo ohatra eo amin’ny tsanganana havia ho tsy hain’ny olona fehezina. Mialoha ny hizarana ny valiny eo amin’ny tsanganana havanana dia asao ireo mpianatra hijery raha ohatra ka afaka mieritreritra valiny avy amin’izy ireo manokana izy ireo.
Tsy voafehy |
Azo fehezina |
---|---|
“Te ho olona tsara aho kanefa matetika aho no sorena noho ireo fahadisoana ataoko.” |
“Afaka manao izay tsara indrindra vitako aho ary miaiky fa tsy manao fahadisoana indraindray. Afaka ho lasa tahaka an’i Kristy tsikelikely kokoa aho amin’ny alalan’ny fibebahana isan’andro sy ny fanampian’ny Mpamonjy.” |
“Tsy fantatro raha toa aho ka mba hahay hiteny tsara amin’ilay fiteny tahaka ilay mpiara-mitory amiko.” |
“Afaka mandalina ilay fiteny amim-pahazotoana aho isan’andro ary mikatsaka ny fanampian’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny vavaka.” |
Manazara tena
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Asehoy ireto ohatra fanampiny manaraka ireto ary omeo fotoana ny mpianatra hanazarany tena miaraka amin’ny namana. Azon’ny mpianatra atao ihany koa ny mieritreritra ohatra hafa amin’ireo izay nomena.
Tsy voafehy |
Azo fehezina |
---|---|
“Tsy manana namana betsaka tahaka ny olon-kafa aho.” | |
“Tsapako ho zava-mavesatra ho ahy ny fieritreretana momba ny fanaovana asa fitoriana ny filazantsara. Toa asa mafy ilay izy; halahelo ny fianakaviako sy ny namako aho sady maro be ireo zavatra tsy fantatro.” | |
“Nanampy olona maro kokoa mba ho vita batisa noho izaho ny misiônera hafa. Manontany tena aho hoe sao dia mba tsy nahomby ary ny asa fitoriana ny filazantsara nataoko.” |
Ampiharo
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Ampio ny mpianatra hieritreritra momba ny fomba azon’izy ireo ampiharana ity fahaiza-manao ity eo amin’ny fiainan’izy ireo amin’ny alalan’ny fizarana izao fanasana manaraka izao:
Makà fotoana mandritra ny herinandro manaraka mba hahafahanao mahatsikaritra ny fotoana mety hahatsapanao ho votsa. Avy eo dia angataho ny Ray any An-danitra hanampy anao hifantoka amin’ny zavatra azonao fehezina.