Lesona 12
Mampifanaraka ny fomba fiainan’ny tena amin’ny fomba fiainan’ny misiônera
Tafiditra ao amin’ny fiomanana ho misiônera ny fiomanana amin’ireo fitakiana ara-batana sy ara-panahy ary ara-pihetseham-po amin’ny ny asa fitoriana ny filazantsara. L’adaptation à la vie missionnaire (2013) dia afaka manampy ireo misiônera sy ireo izay miomana hitory hiatrika ireo fitakiana ireo. Manome torolalana izay afaka manampy antsika hahazo ny herin’ny Tompo sy hahita fifaliana amin’ny asa fitoriana izany.
Fandinihana sy fanaraha-maso
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Asao ny mpianatra hieritreritra ny ezaka nataon’izy ireo tato ato mba hampihatra ny zavatra nianarany tato amin’ity fandaharam-pianarana ity. Azonao atao ny manasa azy ireo hizara ny ezaka sasantsasany nataon’izy ireo amin’ny namana iray na miaraka amin’ny iray kilasy.
Safidy amin’ny sahanasa fianarana
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Fidio ombam-bavaka ny safidy hoenti-mianatra (iray na mihoatra) izay tena hahasoa indrindra ny kilasinao. Ataovy izay hamelana fotoana betsaka hanaovana fanazaran-tena sy hampiharana.
Fanamarihana: Misy fampiharana fahaiza-manao maromaro izay mifandray amin’ireo lohahevitra ato amin’ity lesona ity. Ampiasao ny iray amin’ireto manaraka ireto mandritra ilay fotoam-pianarana izay ampianaranao ny sahanasa fianarana iray avy amin’ity lesona ity: “Miresaka amin’ny olona rehetra”, “Fiatrehana ireo fahatsapana ho votsa”, “Fifohana rivotra”, ary “Mampivelatra fomba fisainana mahasalama”.
Safidy A: Inona no afaka manampy ahy hampifanaraka ny fomba fiainako amin’ny an’ny misiônera?
Halalino
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Asao ny olona ao amin’ny kilasy hieritreritra ireo fotoana izay nilan’izy ireo nampifanaraka ny fomba fiainany tamin’ny toe-javatra vaovao nitranga teo amin’ny fiainan’izy ireo. Ohatra amin’izany ny fifindra any amin’ny trano vaovao iray, na ny fidirana ho mpikamban’ny Fiangonana, na ny fiovana sekoly, na ny fihaonana amin’ny olona vaovao, na ny fanombohana asa vaovao. Angataho izy ireo hizara hoe toy ny ahoana ny zavatra niainan’izy ireo. Mety hanampy amin’ity fifanakalozan-kevitra ity ny fanontaniana toy ireto manaraka ireto:
-
Inona no tsy nampahazo aina tamin’ilay fiovana?
-
Inona no nampientanentana tamin’izany?
-
Inona no nanampy anao hampifanaraka ny fomba fiainanao tamin’ilay toe-javatra vaovao niainanao?
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Mampisehoa sarina misiônera manompo amin’ny fotoana feno iray na maromaro, toy ireto manaraka ireto. Asao ny mpianatra hizara ny zavatra tsapany momba ny maha misiônera amin’ny fotoana feno fa hampientanentana ary inona no mety ho sarotra momba izany.
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Azavao fa ato anatin’ity sahanasa fianarana ity ireo mpianatra dia lasa hahafantatra misimisy kokoa ny loharanom-pitaovana iray izay mitondra ny lohateny hoe L’adaptation à la vie missionnaire (2013). Ampio izy ireo hitady ny L’adaptation à la vie missionnaire ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile (Médiathèque > Manuels et appels > Appels de mission > L’adaptation à la vie missionnaire). Ampahafantaro io loharanom-pitaovana io amin’ny alalan’ny fizarana ireto toromarika manaraka ireto:
Vakio ny “Le stress fait partie intégrante de la vie” ao amin’ny fizarana “Compréhension du stress” ao amin’ny L’adaptation à la vie missionnaire (pejy 3). Tadiavo ny tanjon’io kiboky io.
-
Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’io loharanom-pitaovana io manampy anao amin’izao fotoana izao sy amin’ny hoavy?
Manazara tena
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Ity sahanasa manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hianatra zavatra mifanaraka amin’izay ilainy manokana momba ny fahafantarana tsara ny L’adaptation à la vie missionnaire. Afaka manomana sy manentana azy ireo handalina irery misimisy kokoa ny ao amin’io loharanom-pitaovana io izany.
Ampisehoy ireto toromarika ireto ary omeo 10–15 minitra eo ho eo ny mpianatra mba hamitana ilay sahanasa.
-
Vakio ny “Document d’auto-évaluation (Taratasy fanombanan-tena)” ao amin’ny L’adaptation à la vie missionnaire (page 11).
-
Misafidiana iray amin’ireo sokajy ao amin’ilay fanombanan-tena (Exigences générales [Ankapobeny], Exigences physiques [Ara-batana], Exigences émotionnelles [Ara-pihetsehempo], Exigences sociales [Ara-tsôsialy], Exigences intellectuelles [Ara-tsaina], Exigences spirituelles [Ara-panahy]) izay tianao hianarana kokoa.
-
Tadiavo ny fizarana ao amin’ny L’adaptation à la vie missionnaire izay mifandray amin’ny sokajy nosafidinao. Halalino ny ampahany amin’io fizarana io izay manan-danja indrindra aminao. Tadiavo ary asio marika ireo fampianarana izay afaka manampy anao amin’ny toe-javatra iainanao amin’izao fotoana izao.
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Rehefa avy nandalina ny mpianatra dia asao izy ireo hizara ny zavatra nianarany amin’ny namana iray na ao anaty vondrona kely. Azonao atao ny mampiseho ireto fanontaniana manaraka ireto ary manasa mpiara-miasa na mpikambana ao amin’ny vondrona mba hifanakalo hevitra momba izany miaraka:
-
Inona avy ireo sosokevitra na fampianarana sasantsasany izay hitanao fa tena nanampy?
-
Inona no nianaranao momba ny fomba ahafahan’ny Tompo manampy anao hampifanaraka ny fomba fiainanao amin’ny fitakian’ny fiainana amin’izao fotoana izao ary any aoriana any rehefa misiônera?
Mametraha tanjona
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Omeo fotoana ny mpianatra hisaintsainana ny zavatra nianarany sy hametrahana tanjona. Azonao atao ny mampiseho ireto manaraka ireto mba hanampiana azy ireo:
Mametraha tanjona izay mifandray amin’ny zavatra nohalalininao. Mampiasà hevitra toy ireto manaraka ireto, na mieritrereta avy aminao manokana.
-
Tohizo ny fandalinana ny ampahany amin’ny L’adaptation à la vie missionnaire izay natombokao tamin’ity sahanasa fianarana ity. Mitadiava sosokevitra azonao atomboka hampidirina eo amin’ny fiainanao.
-
Mamoròna drafitra ho an’ny fandalinana ampahany hafa amin’ny L’adaptation à la vie missionnaire.
Ny tanjoko
-
Izaho dia … (zavatra hataonao).
-
Hanatanteraka ny tanjoko aho amin’ny alalan’ny … (drafitra tsotra).
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Raha manana vondrona namana hizarana ny tanjony mandritra ny fianarana ny mpianatra dia omeo fotoana izy ireo hizarana ny fomba hifanohanan’izy ireo na hifampahatsiahivan’izy ireo mialoha ny fotoam-pianarana manaraka.
Safidy B: Toy ny ahoana izany hoe misiônera manompo amin’ny fotoana feno izany?
Halalino
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Hevero ny hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny valin-tenin’ny mpianatra amin’ity fanontaniana manaraka ity.
-
Inona avy ny fanontaniana anananao momba ny hoe toy ny ahoana izany misiônera manompo amin’ny fotoana feno izany?
-
Nahoana ireo misiônera no mila mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy?
-
Inona no azonao atao amin’izao fotoana izao mba hiomanana amin’ny fomba fiainan’ny misiônera?
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ataonareo dia azonareo atao ny mifanakalo hevitra momba ity teny nambaran’ny Loholona David A. Bednar ity.
Ny zavatra tokana manan-danja indrindra azonao atao hiomanana amin’ny antso iray mba hanompo dia ny hahatongavana ho misiônera mialoha lavitra ny fotoana handehananao manao asa fitoriana. (“Devenir missionnaire”, Liahona, Nov. 2005, 45)
-
Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe lasa misiônera alohan’ny handehananao any amin’ny sahan’ny misiôna?
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Azavao fa ity sahanasa fianarana ity dia hanampy ny mpianatra hahita ny valin’ny sasany amin’ireo fanontanian’izy ireo. Mampiasà iray na maromaro amin’ireto hevitra manaraka ireto mba hanampiana azy ireo hahatakatra tsara kokoa hoe manao ahoana ny asa fitoriana amin’ny fotoana feno.
-
Manasà misiônera vitsivitsy vao nahavita asa fitoriana vao haingana mba ho tonga mandritra ny fotoam-pianarana ka hamaly ny fanontanian’ireo mpandray anjara (hevero ny sady hanasa ireo misiônera mampianatra ny filazantsara no hanasa ireo misiônera misahana asa fanompoana). Azon’izy ireo atao ihany koa ny mamariparitra hoe toy ny ahoana ny andro iray ho an’ny misiônera iray. Amporisiho ireo misiônera efa nahavita asa fitoriana ireo mba hamariparitra ny fahatsapan’izy ireo ny fanampian’ny Tompo sy ny fomba nanakaikezan’izy ireo Azy kokoa nandritra ny asa fitoriana nataon’izy ireo.
-
Ampisehoy ny iray amin’ireto horonan-tsary ireto izay maneho hoe manao ahoana izany hoe ao amin’ny Foibe Fanofanana Misiônera izany: “The England Missionary Training Centre” (3:06; ChurchofJesusChrist.org) na “Provo Missionary Training Center Tour” (8:42; YouTube). Azonao atao ihany koa ny mampiseho ny “Young Church-Service Missionaries: Serving the Lord” (3:40; ChurchofJesusChrist.org) mba hanampiana ny mpianatra hianatra momba ireo fahafahana ho lasa misiônera misahana asa fanompoana.
-
Asao ireo mpandray anjara hamaky ny “Activités quotidiennes classiques” (2.4.1) sy ny “Exemple d’emploi du temps quotidien” (2.4.2) ao amin’ny Règles missionnaires pour les disciples de Jésus-Christ. Afaka mahita io loharanom-pitaovana io izy ireo ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile (Médiathèque > Manuels et manuels > Appels de mission > Règles missionnaires pour les disciples de Jésus Christ).
Rehefa vitan’izy ireo ilay sahanasa na ireo sahanasa nosafidinao dia omeo fahafahana ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ny zavatra nianarany. Azonao atao ny mametraka fanontaniana toy ity manaraka ity:
-
Ahoana no hitahian’ny Tompo anao rehefa miezaka ny ho tonga misiônera ianao?
Manazara tena
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Fomba iray ahafahanao manampy ny mpianatra “ho tonga misiônera” alohan’ny handehanany hanao asa fitoriana ny fanomezana azy ireo fahafahana hizatra mampianatra ny hafa. Hevero ny hangataka ny mpianatra hitady ny lesona 1, 2, na 3 ao amin’ny toko 3 ao amin’ny Torio ny Filazantsarako. Asao izy ireo handalina sy hiomana hampianatra ny iray amin’ireo lohahevitra avy ao amin’ny fizarana “Fototra ara-potopampianarana” ao amin’ny lesona. (Jereo ny lesona 6: “Mizatra mampianatra” ao amin’ireto fitaovana enti-mampianatra ireto mba hahitana hevitra mikasika ny fomba ahafahanao manomana an’io zavatra ampianarina io.)
Rehefa avy nomena fotoana ampy hiomanana ny mpianatra dia asao izy ireo hanao fanazaran-tena hampianatra olon-kafa ao an-dakilasy.
Mametraha tanjona
Mpitarika ny fifanakalozan-kevitra: Omeo fotoana ny mpianatra hisaintsainana ny zavatra nianarany sy hametrahana tanjona. Azonao atao ny mampiseho ireto manaraka ireto mba hanampiana azy ireo:
Mametraha tanjona izay mifandray amin’ny zavatra nohalalininao. Mampiasà hevitra toy ireto manaraka ireto, na mieritrereta avy aminao manokana.
-
Soraty ny zavatra hataonao mba “hahatongavana ho misiônera” tena izy kokoa alohan’ny handehananao manao ny asa fitoriana ny filazantsara.
-
Jereo raha toa ka misy fahafahana handraisanao anjara amin’ny fotoana fampianarana na asa fitoriana hafa miaraka amin’ireo misiônera manompo amin’ny fotoana feno eo an-toerana.
-
Miresaha amin’ny olona fantatrao fa nanao asa fitoriana ny filazantsara. Mametraha fanontaniana momba ny asa fitoriana amin’izy ireo.
Ny tanjoko
-
Izaho dia … (zavatra hataonao).
-
Hanatanteraka ny tanjoko aho amin’ny alalan’ny … (drafitra tsotra).
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Raha manana vondrona namana hizarana ny tanjony mandritra ny fianarana ny mpianatra dia omeo fotoana izy ireo hizarana ny fomba hifanohanan’izy ireo na hifampahatsiahivan’izy ireo mialoha ny fotoam-pianarana manaraka.
Safidy D: Ahoana no ahafahako manomana ny tenako ara-panahy amin’izao fotoana izao mba hanao asa fitoriana ny filazantsara?
Halalino
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Vakio sy ifanakalozy hevitra ity teny manaraka nolazain’ny Filoha M. Russell Ballard ity. Azonao atao ihany koa ny mijery ilay horonan-tsary “Stay within the Lines” (5:10, ChurchofJesusChrist.org) ao anatin’ity fifanakalozan-kevitra ity.
Ny zavatra ilaintsika amin’izao fotoana izao dia taranaka tanora misiônera tsara indrindra eo amin’ny tantaran’ny Fiangonana. Mila misiônera mendrika, havanana ary mavitrika ara-panahy isika. … Tsy mila anareo hameno toerana fotsiny izahay; mila ny fonareo sy ny fanahinareo manontolo izahay. Mila misiônera mihetsiketsika sy mieritreritra ary entanim-po izay mahalala ny fomba fihainoana sy famaliana ny bitsiky ny Fanahy Masina isika. … Amin’ny maha Apôstôlin’ny Tompo Jesoa Kristy ahy, dia manasa anareo aho hanomboka dieny izao … ho mendrika tanteraka. (“La plus grande génération de missionnaires”, Ensign, Nov. 2002, 47)
-
Inona no nanan-danja taminao tao amin’io fanambarana io?
-
Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe amin’ny asa fitoriana ny fiomanana ara-panahy sy ny fahamendrehana?
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ataonareo dia azonareo atao ny miara-mandalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:21 sy ny Almà 17:2–3. Ireo mpandray anjara ihany koa dia afaka mitady ohatra mikasika ny fomba nanomanan’ny Mpamonjy ny Tenany ara-panahy ho amin’ny asa fanompoany (jereo ohatra ny Matio 4:2; Marka 1:35; ary Jaona 8:28).
-
Inona avy ireo fomba manokana ahafahanao miomana ara-panahy amin’izao fotoana izao amin’ny asa fitoriana ny filazantsara?
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Asao ny mpianatra hanao lisitry ny valim-panontaniana manokana ho an’ilay fanontaniana teo aloha. Afaka mizara zavatra iray na roa ao amin’ilay lisitra nataony amin’ny namana iray izy ireo. Azavao fa tsy tokony hizara zavatra mahakasika loatra azy ireo manokana izy ireo.
Manazara tena
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Azavao fa alohan’ny asa fitoriana hataon’izy ireo dia misy tafa sy dinika ataon’ireo mpirotsaka ho misiônera miaraka amin’ny evekany sy ny filohan’ny tsatòkany mba hamaritana ny fahamendrehany sy ny fahavononany hanompo.
Asao ny mpianatra hitady ireo fanontaniana mandritra ny tafa sy dinika ho an’ny asa fitoriana ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Interview Questions” (Liahona, Aug. 2018, 53–54). Azonao atao ihany koa ny manomana ireo fanontaniana ireo amina taratasy zaraina. Hevero ny hampiseho ireto toromarika manaraka ireto:
Makà fotoana hamakiana amim-pahanginana ny tsirairay amin’ireo fanontaniana mandritra ny tafa sy dinika ho an’ny asa fitoriana. Rehefa avy mamaky ireo fanontaniana ianao dia fantaro ny zavatra tsapanao fa efa ataonao tsara, miaraka amin’ny fanatsarana tianao hatao.
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Rehefa avy nomena fotoana hamakiana ireo fanontaniana mandritra ny tafa sy dinika ny mpianatra dia hevero ny hifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto:
-
Ahoana no ahafahan’ny famakiana sy fisaintsainana ireo fanontaniana mandritra ny tafa sy dinika ireo manampy anao hiomana amin’ny asa fitoriana ny filazantsara?
-
Nahoana no zava-dehibe ny hoe marin-toetra tanteraka amin’ny tenanao sy ireo mpitarika anao ao amin’ny fisoronana rehefa mamaly ireo fanontaniana ireo
Mametraha tanjona
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Omeo fotoana ny mpianatra hisaintsainana ny zavatra nianarany sy hametrahana tanjona. Azonao atao ny mampiseho ireto manaraka ireto mba hanampiana azy ireo:
Mametraha tanjona izay mifandray amin’ny zavatra nohalalininao. Mampiasà hevitra toy ireto manaraka ireto, na mieritrereta avy aminao manokana.
-
Fantaro ny zavatra hataonao mba ho vonona ara-panahy kokoa hanao asa fitoriana ny filazantsara.
-
Raha tsy mbola nandray ny tsodranon’ny patriarika ianao dia eritrereto ombam-bavaka ny fotoana mety handraisanao izany.
-
Mandraisa anjara bebe kokoa amin’ny asa atao any amin’ny tempoly sy ny asa mahakasika ny tantaram-pianakaviana.
Ny tanjoko
-
Izaho dia … (zavatra hataonao).
-
Hanatanteraka ny tanjoko aho amin’ny alalan’ny … (drafitra tsotra).
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Raha manana vondrona namana hizarana ny tanjony mandritra ny fianarana ny mpianatra dia omeo fotoana izy ireo hizarana ny fomba hifanohanan’izy ireo na hifampahatsiahivan’izy ireo mialoha ny fotoam-pianarana manaraka.
Amin’ny fotoana manaraka
Mpitarika fifanakalozan-kevitra: Raha vonona ny hampianatra ny lesona 13 ianao amin’ny fotoana manaraka, dia hevero ny hanasa ny mpianatra hieritreritra momba ny fivoarana nisy teo amin’izy ireo hatramin’ny fiantombohan’ny fotoam-pianarana tamin’ny fiomanana hanao asa fitoriana ny filazantsara. Azonao atao ny mandefa fampahatsiahivana ho azy ireo.